bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 2
2 Kings 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 3 →
1
Rehefa hakarin’ny TOMPO any an- danitra ao anatin’ny tadio i Elià, dia niala tao Gilgala niaraka tamin’i Elisà.
2
Ary hoy i Elià tamin’i Elisà: –Mijanòna eto re ianao, fa irahin’ny TOMPO hankany Betela aho. Fa novalian’i Elisà hoe: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niaraka nankany Betela izy mianaka.
3
Fa niainga nankany amin’i Elisà ny andia- mpaminany tao Betela ka nanontany azy hoe: –Fantatrao va fa anio no hanesoran’ny TOMPO ity mpampianatrao ho lavitry ny tenanao? Dia hoy ny navaliny azy: –Eny, fantatro koa izany fa mangina ianareo!
4
Ary hoy indray i Elià tamin’i Elisà: –Mijanona eto re ianao, ry Elisà, fa irahin’ny TOMPO hankany Jerikao aho. Fa novaliany hoe: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niaraka nankany Jerikao izy mianaka.
5
Fa nanatona an’i Elisà ny andia-mpaminany tao Jerikao ka nanontany azy hoe: –Fantatrao va fa anio no hanesoran’ny TOMPO ity mpampianatrao ho lavitry ny tenanao? Dia hoy ny navaliny azy: –Eny, fantatro koa izany fa mangina ianareo!
6
Ary hoy indray i Elià tamin’i Elisà: –Mijanona eto re ianao, fa irahin’ny TOMPO hankany Jôrdàna aho. Fa novaliany hoe: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niara-nandeha izy mianaka.
7
Nisy mpaminany dimampolo nanaraka lavidavitra an’i Elià sy i Elisà izay nijanona teo amoron’i Jôrdàna.
8
Nalain’i Elià ny akanjobeny, dia nahorongorony ary nikapohany ny rano. Dia nisaraka roa ilay rano ka nita tamin’ny tany maina izy mianaka.
9
Rehefa samy tafita izy, dia hoy i Elià tamin’i Elisà: –Angataho izay tianao hataoko aminao mialoha ny hanesorana ahy ho lavitra anao. Ary hoy i Elisà: –Mba te hahazo anjara roa amin’ny fanahinao re aho.
10
Fa hoy kosa i Elià: –Zava-tsarotra no angatahinao, kanefa raha voajerinao aho amin’iny hoesorina hiala aminao iny, dia ho azonao tokoa izany; fa raha tsy voajerinao kosa aho, dia tsy ho azonao izany.
11
Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elià dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any.
12
Rehefa nijery izany i Elisà, dia niantsoantso hoe: –Ry dada ô, ry dada ô, mahery noho ireo kalesin’i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ianao! Nony tsy hitan’i Elisà intsony i Elià, dia notriariny roa ny fitafiany.
13
Ary nalainy ny akanjobe izay nilatsaka avy teny an-tsorok’i Elià; dia niverina izy ka nitsangana teo amoron’i Jôrdàna.
14
Noraisin’i Elisà ilay akanjoben’i Elià ka nikapohany ny rano, sady nihiaka izy hoe: –Aiza ny TOMPO Andriamanitr’i Elià? Aiza Izy? Mba nikapoka ny rano koa i Elisà, dia nisaraka roa izany ary niampita izy.
15
Raha nahita izay nataon’i Elisà avy teny lavidavitra teny ny andia-mpaminanin’i Jerikao, dia nanao hoe: «Efa mipetraka amin’i Elisà ny fanahin’i Elià.» Ary lasa nitsena an’i Elisà ireo ka niankohoka nitehi-tany teo anatrehany,
16
ary nanao taminy hoe: –Manana lehilahy maherifo dimampolo izahay mpanomponao; koa aoka ireo handeha hitady ity mpampianatrao, fandrao naingain’ny Fanahin’ny TOMPO izy, ka nazerany any an-tendrombohitra na any an-dohasaha any. Fa notenenin’i Elisà ny andia-mpaminany mba tsy haniraka.
17
Nefa mbola nikiry mafy izy, ka farany dia nanaiky ihany i Elisà. Dia naniraka ireto maherifo dimampolo lahy izy mba hitady an’i Elià nandritra ny telo andro nefa tsy nahita azy.
18
Mbola tao Jerikao ihany i Elisà no tafaverina ireo ka nitenenany hoe: –Tsy efa nilazako ve ianareo mba tsy handeha hitady azy?
19
Ary hoy ny mponin’i Jerikao tamin’i Elisà: –Araka izao ahitanao azy izao, tompoko, dia tsara toerana ity tanàna ity; saingy ratsy ny rano ary tsy mahavokatra ny tany.
20
Dia hoy i Elisà hoe: –Itondray sira amin’ny lovia vaovao aho. Dia nitondrana izany izy.
21
Ary niainga nankany amin’ilay loharano i Elisà, dia nanipy sira tao sady niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Efa nodioviko ity rano ity, ka tsy hahatonga fahafatesana na tsy fahavokarana intsony izy.»
22
Koa dia nitoetra ho madio mandraka ankehitriny ny rano araka ny nambaran’i Elisà.
23
Avy tao Jerikao i Elisà, dia niakatra hankany Betela. Teny an-dalana anefa dia nisy ankizilahy nivoaka ny tanàna ka nanaraby azy hoe: –Miakara, ry Lesola! Miakara, ry Lesola!
24
Dia nitodika i Elisà nijery azy ka nanozona azy tamin’ny anaran’ny TOMPO. Ary nisy orsa roa nivoaka avy tany an’ala namiravira ny 42 tamin’ireo ankizy ireo.
25
Dia niala teo i Elisà ka dia nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany ho any Samaria.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25