bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 16
2 Kings 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 17 →
1
Tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Peka zanakalahin’i Remalià tamin’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Ahaza zanakalahin’i Jôtama.
2
Feno roapolo taona izy fony vao nanjaka; ary naharitra 12 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nefa tsy nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO Andriamaniny tahaka ny nataon’i Davida razambeny izy;
3
fa ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely no narahiny. Ka nanao sorona ilay zanany lahy aza izy, araka ny fomba maharikoriko fanaon’ny hafa firenena izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.
4
Nanolotra sorona biby sy nandoro azy hanetona teny amin’ny toeram-panasinana izy ary koa teny amin’ny havoana sy teny ambany hazo maitso midoroboka rehetra teny.
5
Tamin’izany dia tonga hanafika an’i Jerosalema i Retsina mpanjakan’i Siria sy i Peka zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely; ary nanao fahirano an’i Ahaza izy roa tonta, nefa tsy naharesy azy.
6
Tamin’izany fotoana izany ihany dia naverin’i Retsina mpanjakan’i Siria tamin’ny Edômita ny tanànan’i Elata, rehefa avy nandroaka ny Jodeanina hiala tao izy; ary niverina nonina tao Elata ny Edômita ka nipetraka tao ary mbola ao mandraka ankehitriny.
7
Tamin’izay i Ahaza no nandefa iraka ho amin’i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria hilaza hoe: «Izaho dia mpanomponao sy zanakao; koa tongava hanafaka ahy amin’ny mpanjakan’i Siria sy i Israely izay nanafika ahy.»
8
Dia naka izay volafotsy sy volamena hitany tao an- tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny tahirin-dapa i Ahaza ka nandefa izany ho fanomezana ho an’ny mpanjakan’i Asiria.
9
Koa nihaino ny teniny ny mpanjakan’i Asiria, dia nanafika ny tanànan’i Damasy ka nahazo azy; ary nataony sesitany tany Kira ny mponina, fa novonoiny ho faty kosa i Retsina.
10
Dia nankany Damasy i Ahaza mpanjaka mba hihaona amin’i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria. Nony nahita ny alitaran ’ilay tempolin’i Damasy izy, dia nandefa ny sariny mbamin’ny drafitra antsipiriany rehetra tamin’i Orià mpisorona.
11
Nanao alitara vaovao i Orià, araka ny toromarika rehetra nampitondrain’i Ahaza mpanjaka azy avy tany Damasy; ary izany dia ho vonona alohan’ny hiverenan’i Ahaza avy any Damasy.
12
Rehefa tafaverina ny mpanjaka, dia nahita ny alitara ka nanatona
13
ary nanolotra sorona dorana manontolo teo miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay; ary nararany teo ambonin’ny alitara ny ran’ny sorom-pihavanany.
14
Dia nesoriny hiala teo anoloan’ny tempoly ny alitara halimo izay voatokana ho an’ny TOMPO; io alitara io dia teo anelanelan’ny alitara vaovao sy ny tranon’ny TOMPO, ka nafindrany hipetraka eo avaratry ny alitara vaovao.
15
Ary nanome izao baiko izao an’i Orià mpisorona i Ahaza nanao hoe: –Ny alitara lehibe no hampiasainao: eo no hanoloranao ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy ny fanatitra lafarinina isan-kariva, ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra lafarinina entin’ny mpanjaka ary ny sorona dorana manontolo mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay entin’ny vahoaka rehetra; hararakao eo koa ny ran’ireo biby natao sorona. Fa ny amin’ny alitara halimo kosa dia mbola handraisako fanapahan-kevitra manokana.
16
Notanterahin’i Orià mpisorona avokoa ny baikon’i Ahaza mpanjaka.
17
Fa novakin’i Ahaza koa ny takelaka halimo izay nipetaka tamin’ireo kalesy tao an-Tempoly; nesoriny ny kovetabe teo ambonin’ireo kalesy ireo; ary ilay fitobian-drano goavana boribory dia nampidininy hiala tamin’ireo ombilahy halimo ka nataony teo ambony lampivato.
18
Mba hahafaly ny mpanjakan’i Asiria, dia nofoanan’i Ahaza ny «alo-baravaran- tsabata », izay naorina tao an-tranon’ny TOMPO, sy ny «Fidiran’ny Mpanjaka» izay tany ivelany.
19
Ny sisa amin’ny tantaran’i Ahaza ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
20
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Ahaza, dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an- tanànan’i Davida; ary i Hezekià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25