bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 6
2 Kings 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 7 →
1
Indray andro, dia hoy ny andia- mpaminany tamin’i Elisà tompony: –Indro efa tena èty ho antsika ny toeram-pivoriana iarahanay aminao.
2
Koa mba avelao izahay ho any amoron’i Jôrdàna, samy haka hazo iray avy hanaovanay toeram-pivoriana vaovao any. Dia hoy i Elisà: –Mandehana àry.
3
Fa hoy ny mpaminany iray: –Maninona raha mba miaraka aminay any koa ianao, tompoko? Dia novalian’i Elisà hoe: –Eny, fa handeha aho.
4
Ka dia nandeha niaraka tamin’ny andia-mpaminany izy. Ary rehefa mby teo amoron’i Jôrdàna ireo, dia nikapa hazo.
5
Fa raha mbola nikapa ny hazony kosa ny iray tamin’ireo, dia nipitsika tany anaty rano ny lelam-pamakiny, ka nampiantsoantso azy hoe: –Loza, tompoko, fa famakin’olona nindramina iny!
6
Dia hoy i Elisà taminy: –Taiza no nahalatsahan’ny lelam-pamaky? Dia natorony azy ny toerana; ka nanapaka rantsan-kazo iray i Elisà ary natsipiny teo; dia nitsinkafona ilay lelam-pamaky.
7
Ary hoy i Elisà: –Alaovy amin’izao. Dia natsotrany ny tanany mba hangalany azy.
8
Fony niady tamin’i Israely ny mpanjakan’i Siria ka nila hevitra tamin’ny manamboninahiny, dia nilaza izay toerana tiany hitobian’ny tafiny.
9
Fa i Elisà olon’Andriamanitra kosa naniraka olona nankany amin’ny mpanjakan’i Israely nanao hoe: –Tandremo fandrao mandalo amin’izany toerana izany fa any no misy ny tafika sirianina.
10
Ary nandefa miaramila hiambina ny toerana voatondron’ilay olon’Andriamanitra ny mpanjakan’i Israely. Imbetsaka i Elisà no mampitandrina ny mpanjakan’i Israely, koa dia mailo aoka izany izy.
11
Nampanahy mafy ny mpanjakan’i Siria izany zavatra izany, ka niantso ny manamboninahiny izy ary nanao taminy hoe: –Tsy ambaranareo amiko ve izay mpamadika amintsika ireto ka miasa ho an’ny mpanjakan’i Israely?
12
Dia hoy navalin’ny manamboninahitra iray azy: –Tsy misy izany mpamadika izany aminay, ry andriamanjaka! Fa i Elisà mpaminany ao amin’i Israely ihany no manambara amin’ny mpanjakany na dia izay teny lazainao ao an’efitrano fandrianao aza.
13
Ary hoy ny mpanjakan’i Siria: –Andeha tadiavo izay toerana misy azy mba hahazoako misambotra azy. Rehefa nilazana ny mpanjaka fa ao Dôtàna i Elisà,
14
dia nandefa antoko-miaramila matanjaka miaraka amin’ny soavaly sy kalesy izy; ka tonga alina ireo miaramila ary nanao fahirano ny tanàna.
15
Ny ampitso, raha nifoha maraina ny mpanompon’i Elisà ka nivoaka ny tanàna, dia nahita ireo miaramila mbamin’ny soavaly sy kalesy nanodidina ny tanàna, ary niteny tamin’i Elisà hoe: –Loza ity, tompoko! Ahoana no hataontsika?
16
Fa novaliany hoe: –Aza matahotra fa be lavitra noho ny mpomba azy ny mpomba antsika.
17
Avy eo i Elisà dia nivavaka hoe: –TOMPO ô, sokafy re ny mason’ity mpanompoko ity mba hahitany. Dia nosokafan’ny TOMPO ny mason’ilay mpanompo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisà.
18
Fa raha nidinan’ny miaramila sirianina i Elisà, dia nivavaka indray ka nanao hoe: –Tompo ô, mba tampeno ny mason’ireo miaramila rehetra ireo. Dia nohajambain’ny TOMPO araka ny tenin’i Elisà ny masony;
19
ary hoy i Elisà tamin’ny miaramila: –Tsy ity no lalana; ary tsy ity koa ny tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hoentiko any amin’ny olona tadiavinareo ianareo. Kanjo nentin’i Elisà nankany Samaria ireo.
20
Ary nony tonga tao Samaria avokoa izy, dia mbola nivavaka i Elisà hoe: –TOMPO ô, sokafy re ny mason’ireto mba hahitany ankehitriny. Koa rehefa nosokafan’ny TOMPO ny masony, dia hitany fa indreo izy teo afovoan’i Samaria.
21
Nony nahita ireo miaramila rehetra ireo ny mpanjakan’i Israely, dia niteny tamin’i Elisà hoe: –Ry ikaky, hasiako ho faty ve ireo?
22
Hoy kosa ny navalin’i Elisà: –Tsia! Aza mamely azy. Fanaonao angaha ny mamono ho faty izay nobaboinao tamin’ny sabatra na tamin’ny tsipîka? Koa rosoy mofo sy rano ireo hohaniny sy hosotroiny; ary avelao izy hiverina any amin’ny tompony.
23
Dia nanaovan’ny mpanjaka fanasam-be izy rehetra, ka rehefa avy nihinana sy nisotro, dia nasainy niverina any amin’ny tompony. Natsahatr’ireo Sirianina mpandroba kosa ny fitsofohana amin’ny tanin’i Israely.
24
Taorian’izany dia novorin’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria ny tafiny manontolo mba handeha hanao fahirano an’i Samaria.
25
Nisy mosary lehibe tao Samaria noho izany, ka dia nahatratra sekela valopolo ny vidin’ny loham-boriky iray ary sekela dimy ny taim-boromahailala roanjato grama.
26
Indray andro raha nandehandeha teo ambonin’ny manda ny mpanjakan’i Israely, dia nisy vehivavy iray niantsoantso nitaraina taminy hoe: –Mba vonjeo aho, ry andriamanjaka ô!
27
Fa hoy ny navalin’ny mpanjaka: –Raha tsy mamonjy anao ny TOMPO, ahoana kosa no hamonjeko anao? Fa tsy misy intsony tahirim-bary na tahirin-divay.
28
Kanefa avy eo ny mpanjaka dia niteny taminy hoe: –Inona no manahirana anao? Ary novalian-dravehivavy hoe: –Hoy io vehivavy io tamiko: «Aiza ny zanakao hohanintsika amin’ity andro ity, fa rahampitso dia ny ahy indray no hohanintsika.»
29
Dia nahandroinay ny zanako ka nohaninay; kanjo nony ampitso, rehefa nilazako kosa izy mba hitondra ny zanany hohaninay, dia nafeniny ny azy.
30
Raha nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nandehandeha teny ambonin’ny manda izy mba ho hitan’ny olona fa mitafy akanjo gony manolo-koditra.
31
Dia hoy izy: –Hampiharin’Andriamanitra amiko anie ny famaizana mafy indrindra, raha tàhiny tsy voatapaka anio ny lohan’i Elisà zanakalahin’i Safata.
32
Novorin’i Elisà tao an-tranony tamin’izay ny loholon ’ny tanàna, ary naniraka olona hankeo aminy kosa ny mpanjaka. Kanjo raha tsy mbola tonga akory ilay iraka, dia hoy i Elisà tamin’ny loholona: –Jereonareo fa naniraka olona hanapaka ny lohako ilay mpamono olona iny. Koa mitandrema ianareo fa raha avy ilay iraka, dia hidio ny varavarana ary aza avela hiditra izy. Tsy efa renareo koa ve ny famindran’ny tompony izay manara-dia azy?
33
Raha mbola niteny i Elisà dia tonga ny mpanjaka nanao hoe: –Ny TOMPO no mandefa amintsika izao loza rehetra izao! Ka inona intsony no azoko antenaina aminy?
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25