bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 11
2 Kings 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 12 →
1
Rehefa hitan’i Hatalià renin’i Ahazià fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny taranak’andriana rehetra izy.
2
Kanefa i Jôsebà zanakavavin’i Jôrama mpanjaka sady anabavin’i Ahazià dia naka an’i Jôàsy zanakalahin’i Ahazià, ka namonjy azy mbamin’ny mpitaiza azy teo anivon’ireo rahalahiny efa novonoina, ary nitondra azy hankao an’efitrano fandriana ao amin’ny tempoly; nafenin’i Jôsebà an’i Hatalià i Jôasy, ka dia tsy mba voavono ho faty.
3
Niery enin-taona tao an- tranon’ny TOMPO i Jôasy mbamin’ny mpitaiza azy; ary i Hatalià no nanjaka teo amin’ny tany.
4
Tamin’ny taona fahafito dia nampiantso ireo kapiteny mpifehy ny Karianina sy ny miaramila mpiambina hafa i Jôiadà ka nitarika azy nankao an- tranon’ny TOMPO; dia nanaovany fifanekena ireo sady nampianianiny tao an-tranon’ny TOMPO, ka nasehony azy ilay zanakalahin’ny mpanjaka.
5
Ary ireo kapiteny ireo dia nomen’i Jôiadà baiko hoe: –Izao no hataonareo: ny antokony iray aminareo dia mandray asa amin’ny sabata; ka ny andiany voalohany amin’io dia miambina ny lapan’ny mpanjaka;
6
ny andiany faharoa dia miambina eo am-bavahadin’i Sòra; ary ny andiany fahatelo dia miambina eo am-bavahady ivohon’ny mpiambina. Ianareo andiany telo ireo no hifandimby miambina ny lapa.
7
Ny antoko anankiroa izay tsy mandray asa amin’ny sabata kosa dia hiambina ny tranon’ny TOMPO izay misy ny mpanjaka.
8
Ny miaramila rehetra dia hitam-piadiana avokoa ka hanemitra ny mpanjaka ary hanaraka azy na aiza na aiza alehany. Izay mikasa hanatona ny laharanareo dia hatao maty.
9
Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ireo kapiteny; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy namory ny miaramilany avy, na izay niala tamin’ny andro sabata, ary dia nankany amin’i Jôiadà mpisorona izy rehetra.
10
Nomen’i Jôiadà an’ireo kapiteny y lefona aman’ampingan’i Davida mpanjaka izay natoby tao an-tranon’ny TOMPO.
11
Dia nanao jery atrika sy nitam-piadiana ny miaramila hatreo amin’ny zoro atsimo atsinanan’ny tempoly ka hatrany amin’ny zoro avaratra atsinanana, dia teo anoloan’ny vatan-trano sy ny alitara, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.
12
Tamin’izay dia navoakan’i Jôiadà i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny raki-tsoratra momba ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka; ary nohosorany menaka izy hanokanana azy ho mpanjaka, koa dia nitehaka ny olona sy niantsoantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
13
Nony ren’i Hatalià ny kotaban’ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin’ny vahoaka tao an-tranon’ny TOMPO izy.
14
Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana araka ny fanao tambonin’ny lampihazo; ary ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany. Nifaly ny vahoaka rehetra ary nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika; fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
15
I Jôiadà mpisorona moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an’i Hatalià ao an-tranon’ny TOMPO, ka dia nomeny baiko ny kapiteny mpifehy miaramila ary nilazany hoe: –Avoahy any ivelany any i Hatalià ka ampandalovy eny anelanelan’ny laharanareo; ary izay manaraka azy dia vonoy ho faty amin’ny sabatra.
16
Dia nosamborin’ireo i Hatalià ka notaritaritiny ho any an-dapan’ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin’ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo.
17
Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana tamin’ny TOMPO ny mpanjaka sy ny olona teo mba ho vahoakan’ny TOMPO izy rehetra; ary dia nasainy nanao fifanekena koa ny mpanjaka sy ny olona.
18
Avy eo dia niditra tao an-tempolin’i Bahala ny besinimaro ka nandrava azy: nomontsaniny tanteraka ireo alitara sy ireo sarivongan-tsampy, ary novonoiny ho faty teo anoloan’ny alitara i Matàna mpisoron’i Bahala. Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà mpisorona ireo olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO.
19
Dia novorin’i Jôiadà ny kapiteny sy ny Karianina ary ny miaramila mpiambina hafa mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahadin’ny mpiambina no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha mpanjaka azy i Jôasy,
20
dia nifaly ny vahoaka rehetra. Ary nandry feizay ny tanàna, satria efa matin-tsabatra tao an-dapan’ny mpanjaka i Hatalià.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25