bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 14
2 Kings 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 15 →
1
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jôasy zanakalahin’i Jôahaza sady mpanjakan’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Amatsià zanakalahin’i Jôasy;
2
feno 25 taona izy tamin’izay, ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jôhadàna, izay avy ao Jerosalema ihany.
3
Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO izy, nefa tsy dia tahaka an’i Davida razambeny, fa nanahaka an’i Jôasy rainy.
4
Tsy mba nofoanany ireo toeram-panasinana ka mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona.
5
Rehefa nohamafisin’i Amatsià ny fahefàm-panjakany, dia nasainy novonoina ho faty ireoo manamboninahitra izay nahafaty an’i Jôasy mpanjaka rainy.
6
Kanefa ny zanakalahin’ireto mpamono an’i Jôasy dia tsy mba novonoin’i Amatsià ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy; ao manko no nandidian’ny TOMPO hoe: «Ny ray aman-dreny tsy hatao maty noho ny fahotan-janany, na ny zanaka noho ny fahotan’ny ray aman-dreny, fa ny olona dia hatao maty noho ny fahotan’ny tenany ihany ».
7
I Amatsià koa no nahafaty miaramila edômita antokony folo tao amin’ny Lohasahan-Tsira tamin’ny ady nandrombahany ny tanànan’i Sela, izay lasa hoe Jôkteela, anarany mandraka ankehitriny.
8
Tamin’izay i Amatsià dia nandefa iraka tany amin’i Jôasy zanakalahin’i Jôahaza sady zafikelin’i Jehò mba hilaza aminy hoe: «Avia hifanandrina an’ady isika»
9
Fa i Jôasy mpanjakan’i Israely dia nandefa iraka tany amin’i Amatsià mpanjakan’i Joda hamaly azy hoe: «Ny kirihitra tsilo izay tany Libano, hono, dia nandefa iraka tany amin’ny sedera izay tany Libano mba hiangavy azy hoe: ‹Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy›; kanjo nisy bibidian’i Libano namaky teo ka nanosihosy ny kirihitra tsilo.
10
Ary hoy ihany i Jôasy: «Satria efa resinao ny Edômita, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao izany voninahitra izany ka mitoera ao an-tranonao ihany! Fa nahoana ianao no mitady loza izay hahavoa ny tenanao sy ny tafik’i Joda manontolo?»
11
Kanefa tsy nanaiky i Amatsià. Koa dia niakatra hiady i Jôasy mpanjakan’i Israely avaratra; ka ny tafiny sy ny an’i Amatsià mpanjakan’i Joda dia nifanandrina tao Bety-Semesy tanànan’i Joda.
12
Resin’ny tafik’i Israely ny tafik’i Joda; ka samy nandositra ho any an-tranony avy ny miaramila jodeanina.
13
Tao Bety-Semesy no voasambotr’i Jôasy mpanjakan’i Israely i Amatsià mpanjakan’i Joda sy zanakalahin’i Jôasy ary zafikelin’i Ahazià; ary dia nankany Jerosalema i Jôasy ka nandravany tokony ho roanjato metatra ny mandan’ny tanàna teo anelanelan’ny vavahadin’i Efraîma sy ny vavahadin’ny Zoro.
14
Dia nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy izay hita tao an-tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny raki-tsoan’ny lapan’ny mpanjaka; ary nisy ihany koa olona nalainy ho takalon’aina. Izay izy vao niverina nankany Samaria.
15
Ny sisa tamin’ny tantaran’i Jôasy ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony ary ny ady nifanaovany tamin’i Amatsià mpanjakan’i Joda, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
16
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôasy, dia nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely tao Samaria; ary i Jerôbohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
17
Taorian’ny nahafatesan’i Jôasy mpanjakan’i Israely, dia mbola naharitra 15 taona i Amatsià mpanjakan’i Joda.
18
Ny sisa amin’ny tantaran’i Amatsià dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
19
Ary tao Jerosalema dia nisy olona nikomy tamin’i Amatsià, ka nahatonga azy nandositra tany Lakisy; fa nampanaraka azy anefa ireto mpikomy ka nampamono azy ho faty tany an-toerana.
20
Dia nampodina an-kalesy tarihin-tsoavaly tany Jerosalema ny fatiny ka nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviana tao an- Tanànan’i Davida.
21
Vao 16 taona i Hazarià no nalain’ny vahoaka Jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an’i Amatsià rainy.
22
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa ity rainy, dia i Hazarià no namerina ny seranana Elata ho an’ny fanjakan’i Joda sy nanamboatra azy indray.
23
Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Amatsià, zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Joda, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy, ary naharitra 41 taona no nanjakany tao.
24
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, satria tsy nialany ny fahotana rehetra izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita.
25
Izy no namerina indray ny tanin’i Israely hatreo Lebô-Hamata any avaratra ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty any atsimo araka ny nambaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’ny alalan’i Jônà mpaminany zanakalahin’i Amitahy avy any Gata-Hefera.
26
Fa hitan’ny TOMPO ny havesatry ny fahorian’i Israely satria tsy nisy olona afa-namonjy azy na andevo izany na olona afaka.
27
Tsy mbola nilaza ny hamono ny anaran’i Israely tsy ho eo ambanin’ny lanitra anefa ny TOMPO; koa dia tamin’ny alalan’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy no namonjeny azy.
28
Ny sisa tamin’ny tantaran’i Jerôbohama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony tamin’ny ady namerenany indray tamin’i Israely ny tanànan’i Damasy sy i Hamata izay an’i Joda fahiny, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
29
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jerôbohama, dia nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely tao Samaria; ary i Zakarià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25