bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 20
2 Kings 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 21 →
1
Tamin’izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa ary nilaza taminy ny tenin’ny TOMPO hoe: –Ataovy ny farahafatrao amin’ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.
2
Dia nitodika tany amin’ny rindrina i Hezekià ka nivavaka tamin’ny TOMPO
3
ary nanao hoe –TOMPO ô, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamim-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao. Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.
4
Fa raha mbola tsy tonga teo amin’ny kianja anatin’ny lapa i Isaià, dia nisy tenin’ny TOMPO taminy nandidy azy
5
hiverina ka hilaza amin’i Hezekià filohan’ny vahoakan’Andriamanitra hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao. Koa hositraniko ianao, ary raha afakampitso ihany dia hiakatra ao an- tranoko ianao.
6
Hampiako 15 taona ny andro hiainanao; ary ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako amin’ny vahohon’ny mpanjakan’i Asiria. Eny, ity tanàna ity dia harovako noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko.
7
Ary nampaka ampempan’aviavy i Isaià mba hapetaka eo amin’ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka.
8
Dia hoy i Hezekià taminy: –Inona no famantarana fa hositranin’ny TOMPO aho ka afaka hiakatra any an-tranony raha afakampitso?
9
Ka novaliany hoe: –Izao no famantarana omen’ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy: Hikisaka ambaratonga folo ny aloka eo amin’ny tohatr’i Ahaza; koa handroso sa hihemotra no tianao hikisahany?
10
Ary i Hezekià namaly hoe: –Mora amin’ny aloka ny handrosoany ambaratonga folo, fa aoka izy hihemotra ambaratonga folo.
11
Dia nivavaka tamin’ny TOMPO i Isaià mpaminany ka nahemony ambaratonga folo ny aloka teo amin’ny tohatr’i Ahaza.
12
Tamin’izany fotoana izany i Merôdaky-Baladàna zanakalahin’i Baladàna sady mpanjakan’i Babilôna no nandre fa narary i Hezekià; koa dia nandefa masoivoho mba hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.
13
Faly i Hezekià tamin’ny fahatongavan’ireto iraka; dia nasehony azy avokoa ny trano fitahirizany zava-tsarobidy, dia volafotsy sy volamena ary zava-manitra sy menaka mamerovero; nasehony azy koa ny trano fitobian’ny fitaovam-piadiana rehetra mbamin’ny zavatra hafa isan-karazany tao amin’ny fitoeran-drakiny. Tsy nisy zavatra nafeniny azy na ny tao an-dapany na ny tao amin’ny fanjakany manontolo.
14
Taorian’izany dia nankany amin’i Hezekià mpanjaka i Isaià mpaminany ka nanontany azy hoe: –Inona no nolazain’ireny olona nankatỳ aminao ireny? Ary mba avy taiza moa izy ireo? Dia novalian’i Hezekià hoe: –Avy any Babilôna lavitra any izy no nankatỳ amiko.
15
Ka hoy indray i Isaià: –Inona avy anefa no hitany tato an-dapanao? Dia hoy ny navalin’i Hezekià: –Izay rehetra ato an-dapako dia hitany avokoa. Tsy nisy zavatra nafeniko azy ny tao amin’ny fitoeran-drakitro.
16
Ary hoy i Isaià tamin’i Hezekià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO:
17
«Indro ho avy ny andro hitondrana any Babilôna izay rehetra ao an-dapanao sy izay rehetra nangonin’ny razanao ka voatahiry mandraka androany. Tsy hisy tavela eto na inona na inona, hoy Izaho TOMPO.
18
Ary na dia ny sasany amin’ireo taranakao aza hoentina any koa ho mpanompo hanao raharaha ao an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
19
Dia hoy i Hezekià tamin’i Isaià: –Tsara ny tenin’ny TOMPO izay nambaranao ahy. Fa hoy izy manko anakampo hoe: «Raha velona koa ny aiko, dia hanjaka ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.»
20
Ny sisa amin’ny tantaran’i Hezekià ary koa ny herimpo isan-karazany nasehony mbamin’ny nanaovany ny dobo sy ny lakan-drano hitarika rano hankao an-tanàna, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
21
Ary rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia i Manase zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25