bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 1
2 Samuel 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 2 →
1
Taorian’ny nahafatesan’i Saoly, dia niverina tao Tsiklaga i Davida ka nijanona roa andro tao rehefa avy nandresy ny Hamalekita.
2
Tamin’ny andro fahatelo, nisy lehilahy iray tonga avy any amin’ny tobin’i Saoly. Triatriatra ny akanjony ary feno tany ny lohany. Koa rehefa mby teo amin’i Davida izy, dia niankohoka tamin’ny tany.
3
Ary nanontany azy i Davida hoe: –Avy taiza moa ianao? Dia hoy ny navaliny: –Avy nandositra ny tobin’i Israely aho, tompoko.
4
Ka hoy indray i Davida taminy: –Fa nanao ahoana avy ny zava-niseho tany? Mba tantarao amiko. Dia hoy izy hoe: –Nitsoaka nandositra ny tafik’i Israely ary betsaka ny miaramila maty. Ary i Saoly sy i Jônatàna zanany koa samy maty.
5
Hoy ihany i Davida tamin’ilay zatovo mpilaza vaovao: –Ahoana no nahafantaranao fa maty i Saoly sy i Jônatàna zanany?
6
Ka novalian’ilay tovolahy hoe: –Sendra teo an-tendrombohitra Gilbôa aho, raha nahita an’i Saoly nitehina tamin’ny lefony; ary efa nanakaiky azy tamin’izay ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavalin’ny fahavalo.
7
Dia niherika izy ka nahita ahy; nantsoiny aho, ary hoy aho taminy: «Inty aho, tompoko!»
8
Dia nanontany ny amiko izy, ka nolazaiko azy fa Hamalekita aho.
9
Koa nasainy nanatona aho mba hamono azy ho faty satria naratra mafy izy na dia mbola mahatsiaro tena tsara aza.
10
Nohatoniko izy ary novonoiko ho faty, satria fantatro fa tsy ho velona amin’ny ratra nahazo azy izy. Koa nalaiko ny satroboninahitra teny an-dohany sy ny haba teny an-tsandriny ka ireto nentiko atỳ aminao ireto, tompoko.
11
Notriarin’i Davida ny fitafiany ary mba nanao tahaka izany koa ny olony rehetra izay teo.
12
Mandra-paharivan’ny andro izy ireo dia nitomany sy nifady hanina ary nisaona an’i Saoly sy i Jônatàna zanany mbamin’ny Israelita izay maty an’ady ka anisan’ny vahoakan’ny TOMPO.
13
Ary hoy i Davida tamin’ilay zatovo mpilaza vaovao: –Fa mba iza moa ianao? Ka novaliany hoe: –Zanaky ny Hamalekita mpifindra monina aho, tompoko.
14
Dia hoy i Davida taminy: –Ahoana no nahasahianao naninji-tanana ka nahafaty ny mpanjaka voafidin’ny TOMPO?
15
Ary niantso ny mpanompony anankiray i Davida ka nibaiko azy hoe: –Mandehana vonoy any ilehio! Dia nasiany izy ka maty.
16
Ary hoy i Davida taminy: –Nandrora mitsilany ianao izao ka nahavoa tena. Ny vavanao ihany no nanameloka anao ho faty raha nanao hoe: «Izaho no namono ho faty ny mpanjaka voafidin’ny TOMPO.»
17
Namorona izao hira fisaonana an’i Saoly sy i Jônatàna zanany izao i Davida,
18
ka nasainy nampianarina ny mponin’i Joda. Indro ny «Hira fisaonana atao hoe Tsipîka» araka ny voasoratra ao amin’ny Bokin’ilay Marina.
19
Ry Israely ô, ireo mpiady reharehanao dia mitsitra eny an-tampon-kavoanao. Indrisy fa maty ireo mahery fo!
20
Aza aely any Gata izany vaovao izany na torina eny an-dalamben’i Askelôna, fandrao hifalian’ny vehivavin’ny Filistinina na hibitahan’ny tovovavin’ny mpanompo sampy.
21
Ianareo tendrombohitr’i Gilbôa, aza misy ando na orana intsony eo aminareo na koa saha be vokatra hangalam-panatitra, satria teo no nahafa-baràka ny ampingan’ny mahery fo, dia ny ampingan’i Saoly tsy hihoso-diloilo intsony.
22
Teo anoloan’ny ran’ireo Filistinina nitsitra, ny tsipîkan’i Jônatàna tsy mba nihemotra; teo anoloan’ny hatomadin’ireo fahavalo mahery fo, ny sabatr’i Saoly tsy niveri-maina.
23
I Saoly sy i Jônatàna dia nifankatia tokoa fahavelony, ary tsy nosarahina na dia tamin’ny nahafatesany aza; mailaka noho ny voromahery izy mianaka ary mahery fo mihoatra noho ny liona.
24
Ianareo vehivavy israelita, mitomania an’i Saoly izay nampitafy jaky kanto anareo sady nandravaka volamena ny fitafianareo.
25
Indrisy fa maty an’ady ireo maherifo ary i Jônatàna mitsitra eny an-tampon-kavoanao!
26
Malahelo anao aho, ry Jônatàna rahalahiko; eny, nankamamiko fatratra ianao. Mahatalanjona ahy ny fitiavanao, fa sarobidy noho ny fitiavan’ny vehivavy.
27
Indrisy fa maty ireo maherifo, ary very ny fitaovam-piadiana?
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24