bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 12
2 Samuel 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 13 →
1
Naniraka an’i Natàna mpaminany ho any amin’i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: –Nisy lehilahy roa tao amin’ny tanàna iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra.
2
Nanana ondry sy omby marobe ilay mpanankarena;
3
fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavikely iray izay novidiny. Nofahanany tsara izy io, ka niara-nitombo tamin’ireo zanany tao aminy. Ny sakafo fihinan’ilay mahantra no nihinanany; ny ronono fisotrony no nisotroany; ary teo akaikiny no nampatoriany.
4
Indray andro, nandray vahiny ilay manankarena. Tsy mba naka tamin’ireo omby aman’ondriny anefa izy hamahanany azy, fa ny ondrivavikelin’ilay mahantra no nalainy ka namboariny ho an’ilay vahiny.
5
Tezitra mafy tamin’izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin’i Natàna hoe: –Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany!
6
Ary ny ondrivavikely dia hosoloiny avo efatra heny, satria nanao izany tsy nisy antra izy.
7
Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan’i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin’ny famelezan’i Saoly.
8
Natolotro hofehezinao ny fianakavian’i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan’i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao.
9
Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin’ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin’ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin’ny sabatry ny Hamônita.
10
Noho izany, dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin’i Orià ilay Hetita mba ho vadinao.
11
Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin’ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary.
12
Ary ianao nanao izany tao amin’ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason’i Israely manontolo.»
13
Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: –Nanota tamin’ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: –Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
14
Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon’ny TOMPO tamin’izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.
15
Dia nody tany an-tranony i Natàna. Namely aretina ny zaza izay nateraky ny vadin’i Orià tamin’i Davida ny TOMPO, ka dia narary mafy izy.
16
Nitalaho tamin’Andriamanitra ho an’ilay zaza i Davida, ka nifady hanina; ary rehefa niditra tao an’efitranony izy nony alina, dia nandry tamin’ny tany.
17
Niezaka nankao aminy mba hampiarina azy ireo loholona tao an-dapa, kanefa dia nolaviny; ary tsy nety niara-nisakafo tamin’ireo koa izy.
18
Tamin’ny andro fahafito dia maty ilay zaza. Natahotra ny hilaza aminy ny fahafatesan’ny zaza ireo mpanompon’i Davida, fa nifampiresaka hoe: «Fahavelon’ny zaza aza tsy nihaino antsika izy raha mba niteny taminy isika, koa ankehitriny atao ahoana no filaza aminy fa maty ny zaza? Tsy ho loza va?»
19
Nony tsikaritr’i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy nanontany azy ireo: –Maty ve ny zaza? Dia hoy ireo hoe: –Eny, maty izy.
20
Ary niarina avy teo amin’ny tany i Davida, ka nandro sy nihosotra diloilo ary nisolo akanjo; dia nankao an- tranon’ny TOMPO izy ka nivavaka. Rehefa nody tany aminy izy, dia nangataka horosoana sakafo ka nihinana.
21
Ary hoy ny mpanompony taminy: –Inona no dikan’izao? Fahavelon’ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao; fa rehefa maty kosa izy, dia niarina sy nihinan-kanina indray ianao?
22
Ka hoy ny navalin’i Davida: –Fahavelon’ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany aho satria nanao anakampo hoe: «Iza no mahalala? Angamba hiantra ahy ihany ny TOMPO ka tsy hamela ny zaza ho faty».
23
Maty izy anefa ankehitriny, koa nahoana aho no mbola hifady hanina? Moa mahay mamerina azy ho velona indray va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina amiko intsony.
24
Nampionona an’i Bàty-Seba vadiny i Davida, dia nankao aminy ka niray taminy; ary ravehivavy kosa niteraka zazalahy izay nomen’i Davida anarana hoe Salômôna. Ary ny TOMPO tia ilay zaza,
25
ka naniraka an’i Natàna mpaminany hanome azy anarana hoe Jedidià, izany hoe: «Tiavin’ny TOMPO».
26
Notafihin’i Jôaba i Rabà, renivohitry ny Hamônita ka azony ny tanànan’ny mpanjaka.
27
Ary naniraka olona nankany amin’i Davida i Jôaba hilaza aminy hoe: «Notafihiko i Rabà, ka azoko mbamin’ny faritra fitahirizan-dranony.
28
Koa ankehitriny vorio ny miaramila sisa, dia tongava hanao fahirano ny tanàna mba hahazoanao azy, fandrao izaho no hahazo azy ka ny anarako no homem-boninahitra.»
29
Novorin’i Davida ny miaramila sisa rehetra; ary nankany Rabà izy hanafika azy, ka azony ny tanàna.
30
Nesoriny teny an-dohan’i Milkôma ny satroboninahitra volamena izay milanja mihoatra ny 30 kilao; ary nisy vatosoa tamin’io satroboninahitra io, ka nafindra ho eo an-tampon’ny satroboninahitr’i Davida. Zavatra marobe koa no voababony avy tao an-tanàna.
31
Nataon’i Davida sesitany ny mponina izay tao ka nampiasainy mafy tamin’ny tsofa sy ny lapika ary ny famaky na notereny ho mpandasitra biriky. Nataony toy izany avokoa ireo tanàna hafa rehetra fonenan’ny Hamônita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny tafiny manontolo.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→