bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 2
2 Samuel 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 3 →
1
Taorian’izany dia nanontany ny TOMPO i Davida hoe: –Handeha ho any amin’ny tanàna iray any Joda ve aho? Ka novalian’ny TOMPO hoe: –Eny, mandehana! Dia hoy indray i Davida: –Aiza no handehanako? Ka hoy ny TOMPO hoe: –Any Hebrôna.
2
Dia nankany i Davida niaraka tamin’ny vadiny roa, dia i Ahinôhama avy any Jizrehela sy i Abigaîla vady navelan’i Nabala avy any Karmela.
3
Nentin’i Davida koa ireo namany nombàm-pianakaviany avy, ka nonina tao amin’ireo tanàna kely akaikin’i Hebrôna izy rehetra.
4
Ary tonga tao ny vahoakan’i Joda, ka nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Joda. Nisy nanambara tamin’i Davida fa ny mponin’i Jabesa any Gilehada no nandevina an’i Saoly;
5
dia nandefa iraka hankany amin’ny mponin’i Jabesa izy hilaza hoe: « Hitahy anareo anie ny TOMPO noho izao mari-pitiavana nasehonareo tamin’ny nandevenanareo an’i Saoly tomponareo izao.
6
Ka ny TOMPO anie haneho fitiavana sy toetra mahatoky aminareo; ary izaho koa dia hamaly soa anareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
7
Ary ankehitriny, mahereza sy matanjaha; fa efa maty i Saoly tomponareo, ka izaho no natokan’ny vahoakan’i Joda ho mpanjaka eo aminy.»
8
Fa nentin’i Abinera zanakalahin’i Nera sady lehiben’ny tafik’i Saoly nankany Mahanaîma i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly,
9
ka nataony mpanjaka tamin’ny faritr’i Gilehada sy ny Asorita mbamin’i Jizrehela sy i Efraîma sy i Benjamîna ary i Israely manontolo.
10
Efapolo taona i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly raha nanjaka tamin’i Israely, ary roa taona no nanjakany. Ny fokon’i Joda ihany no nanaiky an’i Davida.
11
Fito taona sy tapany no nanjakan’i Davida tamin’ny fokon’i Joda tao Hebrôna.
12
Niala tao Mahanaîma i Abinera zanakalahin’i Nera sy ny mpanompon’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly ka nankany Gibehôna.
13
Dia niainga koa i Jôaba zanakalahin’i Tseroià sy ny mpanompon’i Davida; ka tafahoana teo akaikin’ny dobo tao Gibehôna ny roa tonta ary samy naka toerana nifanatrika teo amoron’ny dobo.
14
Ary hoy i Abinera tamin’i Jôaba: –Aoka hitsangana ireo zatovontsika mba hifampitsapa hery eto anatrehantsika. Dia novalian’i Jôaba hoe: –Aoka àry izy hitsangana.
15
Dia nisy nitsangana ireo ary niroso hoisaina, ka 12 lahy tamin’i Benjamîna mpomba an’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly ary 12 lahy koa tamin’ny mpanompon’i Davida.
16
Samy nifampihazon-doha avy ny mpifaninana sady nifanindron-tehezana tamin’ny sabatra ka dia samy niara-davo. Izany no nanaovana io toerana ao Gibehôna io hoe Sahan-tsaba-maranitra.
17
Nafotaka tokoa ny ady tamin’io andro io. Nilavo lefona teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Abinera sy ny olon’i Israely.
18
Nanatrika teo koa ny zanak’i Tseroià telo lahy dia i Jôaba sy i Abisay ary i Asahela; ity Asahela ity dia faingaim-pandeha toy ny gazela any an-taniefitra,
19
ka nanenjika an’i Abinera sady tsy nivilivily mihitsy na tamin’ny ankavia na tamin’ny ankavanana.
20
Niherika kosa i Abinera ka nanontany azy hoe: –Ianao ve io, ry Asahela? Dia hoy ny navaliny: –Eny, izaho ihany ity.
21
Ary hoy i Abinera taminy: –Aza manenjika ahy ianao, fa mivilia amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia ka sambory ny iray amin’ireo tovolahy ary alaivo ho anao izay fitaovana eny aminy. Tsy nety nivily anefa i Asahela fa nanenjika azy ihany.
22
Ka hoy indray i Abinera tamin’i Asahela: –Mivilia ianao fa aza manenjika ahy intsony, fandrao dia hatrosiko amin’ny tany ho faty! Kanefa hataoko ahoana ny hahajery an’i Jôaba rahalahinao?
23
Mbola tsy nety nivily ihany anefa i Asahela, koa dia nasian’i Abinera tamin’ny vody lefona ny kibony ka tafagorobaka tany an-damosiny. Nitrosina tamin’ny tany izy ary maty tsy tra-drano teo. Izay rehetra tonga teo amin’ny toerana nahafatesan’i Asahela dia nijanona avokoa.
24
Fa i Jôaba sy i Abisay nanenjika an’i Abinera. Maty masoandro izy ireo raha tonga tao Gibehà-Amà izay eo atsinanan’i Giha amin’ny lalan’ny taniefitr’i Gibehôna.
25
Niangona ho antoko iray teo amin’i Abinera ny miaramilan’i Benjamîna ka nijanona teo an-tampon-kavoana iray.
26
Ary niantso mafy an’i Jôaba i Abinera hoe: –Handripaka tsy hisy farany ve ny sabatra? Tsy mba fantatrao ve fa hampalahelo ny ho vokatr’izany? Koa mandra-pahoviana no hilazanao ny olonao hampitsahatra izao fanenjehana ifamonoan’ny mpirahalahy izao?
27
Dia hoy i Jôaba: –Velona Andriamanitra ka manizingizina aho fa raha tsy noho ny teninao dia tsy ho nampitsahatra izao fifamonoan’ny mpirahalahy izao akory ny oloko alohan’ny rahampitso maraina.
28
Dia notsofin’i Jôaba ny anjomara, ka nijanona tsy nanenjika ny Israelita intsony ny miaramilany rehetra; ary nitsahatra ny ady.
29
Nandritra ny alina dia nitety ny lemak’i Arabà i Abinera sy ny olony ka nita an’i Jôrdàna, namaky an’i Bitrôna iray manontolo ary tonga tao Mahanaîma.
30
Rehefa nijanona tsy nanenjika an’i Abinera i Jôaba, dia namory ny tafiny manontolo; koa tamin’ireo mpanompon’i Davida, dia miaramila 19 sy Asahela ihany no tsy teo.
31
Fa ny mpanompon’i Davida kosa nahafaty 360 lahy tamin’ny Benjaminita sy miaramila hafan’i Abinera.
32
Nentina ny fatin’i Asahela ka nalevina tao amin’ny fasan-drainy tao Betlehema. Ary i Jôaba sy ny olony nanao lava alina, dia tonga tany Hebrôna tamin’ny mazava ratsy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24