bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 8
2 Samuel 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 9 →
1
Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampilefitra azy; ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina ny fifehezan-drenivohitra.
2
Nandresy ny Môabita koa izy ka nampandrîny tamin’ny tany ireo mba horefesina amin’ny tady; koa novonoiny ho faty ny androatokony ary navelany ho velona kosa ny ampahatelony. Noho izany dia tonga olom-pehezin’i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Môabita.
3
Mbola resin’i Davida koa i Hadadehezera, zanakalahin’i Rehôba sady mpanjakan’i Tsôbà; tamin’i Hadadehezera ndeha haka indray ny faritry ny onin’i Eofrata izany.
4
Mpitaingin-tsoavaly miisa andiany 17 sy miaramila an-tongotra miisa andiany roapolo no voababon’i Davida taminy; saingy nasain’i Davida nokapain-tongotra avokoa ny soavalin-kalesy fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato ihany no sisa notazoniny.
5
Dia tonga ny Sirianina avy any Damasy mba hamonjy an’i Hadadehezera mpanjakan’i Tsôbà; kanefa nahafatesan’i Davida miaramila miisa antokony 22 koa ny Sirianina.
6
Nametrahan’i Davida governora tany Siria faritr’i Damasy, ka dia tonga olom-pehezin’i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Sirianina. Fa nampandresy an’i Davida tamin’izay fanafihany rehetra ny TOMPO.
7
Ary nalain’i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ireo mpanompon’i Hadadehezera ka nentiny tany Jerosalema.
8
Nahazoan’i Davida mpanjaka halimo be dia be koa tao Betà sy Berôtahy, izay samy tanànan’i Hadadehezera.
9
Ren’i Tôhỳ, mpanjakan’i Hamata, fa resin’i Davida avokoa ny tafik’i Hadadehezera;
10
dia nirahin’i Tôhỳ ho any amin’i Davida mpanjaka i Jôrama zanany lahy mba hiarahaba sy hidera azy noho ny niadiany tamin’i Hadadehezera ka nandreseny azy; fa mpiady tamin’i Tôhỳ io Hadadehezera io. Nitondra fanaka volafotsy sy volamena ary halimo ho an’i Davida i Jôrama.
11
Natokan’i Davida mpanjaka ho an’ny TOMPO ireo fanaka ireo, tahaka ny nanokanany ny volafotsy sy ny volamena azony tamin’ireo firenena hafa rehetra efa resiny,
12
dia ny Sirianina sy Môabita ary Hamônita mbamin’ny Filistinina sy Hamalekita, ary koa nanokanany ny babo azony tamin’i Hadadehezera zanakalahin’i Rehôba sady mpanjakan’i Tsôbà.
13
Rehefa niverina avy tany Siria i Davida, dia nahazo laza tamin’ny nandreseny koa ny Edômita 18 000 teo amin’ny Lohasahan-tsira.
14
Nametrahany governora tany Edôma; eny, nametrahany governora i Edôma manontolo, ka tonga olom-pehezin’i Davida avokoa ny mponiny. Ary nampandresy an’i Davida tamin’izay fanafihany rehetra ny TOMPO.
15
Dia nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin’ny vahoakany rehetra.
16
I Jôaba, zanakalahin’i Tserôià, no lehiben’ny tafika; i Jôsafata, zanakalahin’i Ahitoda, no mpitondratenin’ny mpanjaka;
17
i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Seraià no mpitantsoratra;
18
i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà, no lehiben’ny mpiambina andriamanjaka; ary ireo zanakalahin’i Davida kosa dia mpanolotsaina.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24