bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 6
2 Samuel 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 7 →
1
Novorin’i Davida indray ireo miaramila voafantina rehetra tamin’i Israely izay misy antokony telopolo.
2
Dia niainga i Davida sy izany tafika manontolo nomba azy izany ka niala tao Bahala-Joda mba hampakatra ny Vatamasin’Andriamanitra fa eo amin’io Vatamasina io no iantsoana ny anaran’ilay TOMPOn’izao rehetra izao, dia Ilay mipetraka eo ambonin’ny Kerobima.
3
Tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana ilay Vatamasina, dia nataingina teo ambany sarety vaovao ary nentina. I Hozà sy i Ahiao samy zanakalahin’i Abinadaba no nitondra ny sarety,
4
izay nitoeran’ny Vatamasina, ka i Ahiao no nialoha lalana.
5
Niravoravo teo anatrehan’ny TOMPO i Davida sy ny Israelita rehetra tamin’ny fampiasana zava-maneno vita tamin’ny hazo kipresy, dia ny lokanga sy ny valiha, mbamin’ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
6
Nony tonga teo akaikin’ny famoloan’i Nakôna izy ireo, dia naninji-tanana hihazona ny Vatamasina i Hozà satria saika hazeran’ny omby io.
7
Nirehi-pahatezerana tamin’i Hozà ny TOMPO Andriamanitra ka namono nahafaty azy noho ny fihetsika tsy voahevitra nataony; dia teo akaikin’ny vatamasin’Andriamanitra teo izy no maty.
8
Taitra noho ny namelezan’ny TOMPO mafy an’i Hozà i Davida, ka dia nataony hoe Peretsa-Hozà ny anaran’io toerana io; ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany.
9
Natahotra ny TOMPO i Davida tamin’izany andro izany ka nanao hoe: –Nahoana no hiditra atỳ amiko ny Vatamasin’ny TOMPO?
10
Nolavin’i Davida ny hamindra ny Vatamasin’ny TOMPO ho any aminy, any an- tanànan’i Davida; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gàta.
11
Telo volana no nipetrahan’ny Vatamasin’ny TOMPO tao an-tranon’io Hôbeda-Edôma avy any Gata io; ary dia notahîn ’ny TOMPO i Hôbeda-Edôma sy ny ankohonany manontolo.
12
Nisy nilaza tamin’i Davida mpanjaka fa ny TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay nananany rehetra noho ny amin’ny Vatamasin’Andriamanitra. Dia niainga i Davida nampakatra ny Vatamasin’Andriamanitra avy tao an-tranon’i Hôbeda-Edôma ho any an- tanànan’i Davida.
13
Rehefa namindra inenina ireo mpitondra ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao sorona omby sy zanak’omby matavy i Davida.
14
Nandihy araka ny heriny manontolo teo anatrehan’ny TOMPO i Davida, izay efôda rongony fotsy ihany no nisalorany.
15
Ary i Davida sy ny Israelita rehetra teo dia nitondra ny Vatamasin’ny TOMPO tamin’ny hoby sy ny feon’anjomara nankany Jerosalema.
16
Fa rehefa tonga tao an-tanànan’i Davida ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikàla zanakavavin’i Saoly ka nony nahita an’i Davida mpanjaka nandihy sy nibitaka teo anatrehan’ny TOMPO izy, dia naneso azy anakampony.
17
Dia nampidirina ny Vatamasin’ny TOMPO ka napetraka teo amin’ny toerana voatokana tao anatin’ny tranolay izay efa natsangan’i Davida ho azy. Ary i Davida avy eo nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo anatrehan’ny TOMPO.
18
Rehefa nahavita ireo sorona ireo i Davida, dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.
19
Nasainy nizarana sakafo ny Israelita rehetra teo, ka na lehilahy na vehivavy dia samy nahazo mofomamy iray sy didin-kena voatono iray ary ampempam-boaloboka iray avy. Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.
20
Ary i Davida koa lasa nody mba hiarahaba ny ankohonany. Fa avy hatrany dia notsenain’i Mikàla zanakavavin’i Saoly izy, ka nataony hoe: –Endrey izany voninahitry ny mpanjakan’i Israely androany, dia ilay nanary lamba anikeheo teo anatrehan’ny mpanompovavin’ny andevony, tahaka ny adala manary lamba!
21
Hoy kosa i Davida tamin’i Mikàla: –Ho fanajana ny TOMPO no nanaovako izany, dia Izy Ilay nifidy ahy mihoatra noho ny rainao sy ny ankohonany manontolo, ka nanao ahy ho filohan’i Israely vahoakany. Eny, ho fanajana ny TOMPO no mbola hitsinjahako;
22
ary mbola hietry kokoa noho izany aza aho sady hanao tsinontsinona ny tenako, fa izany no hahabe voninahitra ahy, na dia eo anatrehan’ireo mpanompovavy lazainao ireo aza.
23
Dia tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny intsony i Mikàla zanakavavin’i Saoly.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24