bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 24
2 Samuel 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
1
Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an’i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.
2
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jôaba filohan-tafika sady teo akaikiny: –Ndeha tetezo avokoa ny fokon’i Israely manomboka ao Dana ka hatrany Bery-Seba, ary isao ny vahoaka mba hahafantarako ny tena isany.
3
Fa hoy i Jôaba namaly ny mpanjaka: –Hampitomboin’ny TOMPO Andriamanitrao ho injaton’izao anie ny vahoaka; ka ho hitan’ny masonao izany, ry andriamanjaka! Fa inona loatra ange no antony hanaovanao izany, ry andriamanjaka?
4
Saingy tsy azon’i Jôaba sy ireo filohan-tafika nolavina ny didin’ny mpanjaka. Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka izy ireo ary lasa nanao ny fanisam-bahoaka teo amin’ny vahoaka israelita.
5
Niampita an’i Jôrdàna izy ireo ka nitoby tao amin’ny tanànan’i Harôhera, eo an-kavanan’ilay tanàna afovoan’ny lohasan’i Gada. Avy eo dia nankany Jazera ireo,
6
ka tonga tany Gilehada tao amin’ny tanin’i Tahitîma-Hôdsy, dia nipaka tany Dana-Jahàna sy ny manodidina hatrany Tsidôna.
7
Ary tonga tao Tiro tanàna mimanda ireo sy tany amin’ny tanàna rehetra fonenan’ny Hivita sy Kanahanita, ka tafapaka hatrany Bery-Seba, ao atsimon’ny faritanin’i Joda.
8
Rehefa avy nitety ny firenena manontolo izy ireo nandritra ny sivy volana sy roapolo andro, dia niverina indray tao Jerosalema.
9
Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny tarehimarika vokatry ny fanisam-bahoaka: i Israely dia nisy 800 000 ny lehilahy matanjaka mahatam-piadiana, ary i Joda dia nisy 500 000.
10
Nahatsiaro ny tenany ho meloka i Davida taorian’ilay fanisam-bahoaka; ka hoy izy tamin’ny TOMPO: –Fahotana lehibe no vitako tamin’izao nataoko izao. Koa ankehitriny mifona aminao aho, TOMPO ô, mba avelao ny heloko fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
11
Rehefa nifoha i Davida ny ampitso maraina, dia tonga tamin’i Gada mpaminany mpanolotsain’i Davida ny tenin’ny TOMPO nanao hoe:
12
–Ndeha ambarao amin’i Davida hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Famaizana telo no ataoko eo anoloanao, koa fidio izay iray hampihariko aminao.»
13
Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara taminy ny hafatr’Andriamanitra nanao hoe: –Mosary fito taona hamelezana ny taninao ve no tianao, sa ny handosiranao telo volana eo anoloan’ny fahavalo izay manenjika anao, sa aretina pesta mandritra ny telo andro eto amin’ny taninao? Koa saino sy hevero tsara izay valin-teny hoentiko amin’Ilay naniraka ahy.
14
Ary hoy i Davida tamin’i Gada: –Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon’ny tanan’ny TOMPO, toy izay ho azon’ny tanan’olona, satria lehibe tokoa ny famindrampon’ny TOMPO.
15
Dia aretina pesta no nalefan’ny TOMPO hamelezana an’i Israely iny maraina iny ka mandra-pahatapitr’ilay fe-potoana, ary nahafatesana fito alina ny olona manomboka any Dana ka hatrany Bery-Seba.
16
Fa raha naninji-tanana hamely an’i Jerosalema ny anjelin’ny Tompo, dia nanenina ny amin’ny loza ny TOMPO, ka niteny tamin’Ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia teo amin’ny famoloan’i Araonà, ilay Jebosita.
17
Raha nahita ilay anjely mpandringana ny vahoaka i Davida, dia nanao tamin’ny TOMPO hoe: –Izaho no nanota, izaho no nanao ratsy! fa ireo ondry ireo moa no nanao inona? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako.
18
Nankany amin’i Davida i Gada tamin’izay andro izay ka nanao taminy hoe: –Miakara any am-pamoloan’i Araonà izay Jebôsita ianao, ka manangana alitara ho an’ny TOMPO.
19
Ary niakatra tany araka ny tenin’i Gada i Davida, dia araka izay nandidian’ny TOMPO azy.
20
Nijery kosa i Araonà ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy. Ary nandroso i Araonà niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka
21
sady nanontany hoe: –Fa nahoana ianao, ry andriamanjaka, no mankatỳ amiko mpanomponao? Dia hoy ny navalin’i Davida: –Hividy ity famoloana ity aminao hanorenako alitara ho an’ny TOMPO, mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely intsony ny vahoaka.
22
Hoy kosa i Araonà tamin’i Davida: –Alao izay sitrakao, ry andriamanjaka, mba hanateranao sorona ho an’Andriamanitra. Indreo ny omby ho sorona dorana manontolo, ary ny rambaramba sy ny zioga hatao kitay.
23
Izany rehetra izany dia atolotro anao avokoa, ry mpanjaka. Ka hoy aho aminao: Ho sitraky ny TOMPO Andriamanitrao anie ianao.
24
Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Araonà: –Tsia, tsy homenao ahy maimaim-poana ireo fa hovidiko araka izay tena vidiny. Tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO Andriamanitro. Dia novidin’i Davida tamin’ny sekela volafotsy dimampolo ny famoloana sy ny omby.
25
Ary nanorina alitara tamin’io toerana io i Davida ka nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’ny TOMPO. Dia niantran’ny TOMPO ilay tany; ka nitsahatra tsy namely an’i Israely intsony ny areti-mandringana.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→