bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 13
2 Samuel 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 14 →
1
Izao no nitranga taorian’izany: I Absalôma zanakalahin’i Davida dia nanana anabavy tsara tarehy natao hoe Tamara. Raiki-pitia taminy i Amnôna zanakalahin’i Davida anankiray.
2
Niferinaina i Amnôna ary nandraiki-narary noho ny amin’i Tamara anabaviny, satria virijiny izy io ka sarotra tamin’i Amnôna ny haka azy.
3
Fa i Amnôna kosa nanan-tsakaiza natao hoe Jônadaba sady zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida; ary io Jônadaba io dia tena lalin-tsaina.
4
Ka hoy izy tamin’i Amnôna: –Fa nahoana no maloka endrika isan’andro toy izao ianao, ry zanaky ny mpanjaka? Tsy tianao lazaina amiko ve izany? Dia hoy i Amnôna taminy: –Tiako i Tamara anabavin’i Absalôma rahalahiko.
5
Ary hoy i Jônadaba taminy: –Mandria eo am-parafaranao, ka manaova sari-marary. Rehefa tonga hamangy anao ny rainao, dia lazao hoe: «Mba avelao i Tamara anabaviko no hitondra sakafo ho ahy, aoka ho eto imasoko no hikarakarany izany mba ho hitako ka hihinanako izay arosony.»
6
Dia nandry i Amnôna ka nanao sari-marary. Ary tonga ny mpanjaka hamangy azy ka nilazany hoe: –Mba avelao hankatỳ i Tamara anabaviko hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako izay arosony.
7
Naniraka olona nankany amin’i Tamara i Davida hilaza aminy hoe: –Mankanesa kely any amin’i Amnôna anadahinao ka manamboara sakafo ho azy.
8
Dia nankany amin’i Amnôna anadahiny i Tamara ka nahita azy teo am-pandriana. Naka koba razazavavy, dia nofetainy ary novolavolainy sy nendasiny ho mofo teo imasony.
9
Rehefa izany, dia noraisiny ny lapoaly ka narosony azy ny tao anatiny, nefa tsy nety nihinana izy. Ary hoy i Amnôna: –Avoahy avokoa ny olona rehetra. Dia nivoaka ny trano avokoa ny olona rehetra.
10
Ary hoy izy tamin’i Tamara: –Ento atỳ am-parafarako ny sakafo mba hihinanako izay arosonao ahy. Dia nalain’i Tamara ny mofo izay namboariny ka nentiny teo am-parafaran’i Amnôna anadahiny.
11
Nefa raha iny nandroso mofo hohaniny iny razazavavy, dia nohazonin’i Amnôna ka nataony hoe: –Avia handry amiko, ranabavy.
12
Fa hoy izy taminy: –Tsia, ranadahy, aza manao an-keriny ahy, fa tsy fanao eto Israely izany. Aza manao izany zava-pady izany.
13
Ny amiko, hoentiko mankaiza moa ny henatro? Fa ianao koa dia ho tahaka ny iray amin’ny adala eto Israely. Mitenena re amin’ny mpanjaka fa tsy handa ny hanambadianao ahy izy.
14
Tsy nety nihaino an-drazazavavy anefa i Amnôna fa natanjaka noho izy, ka nanao an-keriny azy ary niray taminy.
15
Nony avy teo dia nankahala azy mafy i Amnôna, ka be lavitra ny fankahalàny azy noho ny fitiavany azy taloha. Hoy i Amnôna taminy: –Mitsangàna ka mandehana any.
16
Fa novaliany hoe: –Tsia, fa ho heloka ratsy kokoa noho izay efa nataonao tamiko ny fandroahanao ahy. Nefa mbola tsy nety nihaino azy ihany i Amnôna.
17
Dia niantso ny zatovolahiny izy ka nanao taminy hoe: –Roahy hiala eto amiko io vehivavy io; dia hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
18
Dia navoakan’ilay mpanompo izy; ary nohidiany ny varavarana, rehefa tafavoaka izy. Nanao akanjo lava misoratsoratra i Tamara; fa izany no fentin’ny zanakavavin’ny mpanjaka, raha mbola virijiny izy.
19
Norarahany lavenona ny lohany ary notriariny ny akanjo lava teny aminy; dia niloloha tanana izy sady nikiakiaka nitomany teny am-pandehanana.
20
Ary hoy Absalôma anadahiny taminy: «Nanaovan’i Amnôna anadahinao an-keriny angaha ianao? Mangina aloha, ranabavy, fa anadahinao izy ary aza malahelo amin’izany.» Koa nitoetra irery nalahelo tao an-tranon’i Absalôma anadahiny i Tamara.
21
Rehefa ren’i Davida mpanjaka izany, dia tezitra mafy izy; kanefa tsy nomeny tsiny i Amnôna satria lahimatoany sady tiany loatra.
22
Ary tsy nifampiteny intsony tamin’i Amnôna i Absalôma, satria halan’i Absalôma izy noho ny nanaovany an-keriny an’i Tamara anabaviny.
23
Roa taona taorian’izany, dia nampanety ondry tao Bahàla-Hatsôra akaikin’i Efraîma. Nasain’i Absalôma avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka.
24
Nankao amin’ny mpanjaka i Absalôma ka nanao hoe: –Indro hampanety ondry aho, ry mpanjaka; koa mba tongava any amiko ny tenanao sy ireo minisitrao.
25
Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Absalôma: –Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay sao dia hanahirana anao. Nikiry ihany i Absalôma, nefa tsy nety nandeha ny mpanjaka fa nitsodrano azy fotsiny.
26
Dia hoy i Absalôma: –Raha tsy mety kosa àry ianao, dia aoka i Amnôna rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Fa ahoana izy no handeha hiaraka aminao?
27
Mbola nikiry hatrany i Absalôma, ka farany navelan’ny mpanjaka handeha hiaraka aminy ihany i Amnôna sy ireo zanakalahiny hafa rehetra. Dia nanomana fanasana tahaka ny fanasà-mpanjaka i Absalôma.
28
Izao kosa no baiko nomeny an’ireo mpanompony: –Jereo tsara, fa rehefa falin-divay ny fon’i Amnôna ka milaza aminareo aho hoe: «Asio i Amnôna!», dia vonoy ho faty izy. Aza matahotra. Moa tsy izaho va no nanome baiko anareo? Koa sahia ary misehoa ho mahery fo!
29
Dia notanterahin’ny mpanompon’i Absalôma tamin’i Amnôna araka izay baikon’i Absalôma izany. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka hafa ka samy nitaingina ny borikiny ary nandositra.
30
Fa raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia efa ren’i Davida ny vaovao hoe: «Novonoin’i Absalôma ho faty avokoa ny zanakalahinao, ka tsy nisy niangana na dia iray aza.»
31
Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny akanjony ary nandry tamin’ny tany. Nijoro teo koa ny minisitra rehetra, samy rovitra akanjo avokoa.
32
Fa i Jônadaba zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida kosa nandray fitenenana ka nanao hoe: –Aoka ianao, ry andriamanjaka, tsy hihevitra fa maty avokoa ny tovolahy rehetra zanakao. Tsia, i Amnôna ihany no maty; ary izany dia fanapahan-kevitr’i Absalôma hatramin’ny andro nanaovan’i Amnôna an-keriny an’i Tamara anabaviny.
33
Koa aoka ianao, ry andriamanjaka, tsy hieritreritra fa maty avokoa ny zanakalahinao; tsia, i Amnôna ihany no maty,
34
ary nandositra i Absalôma. Fa raha niandrandra ny mpanompo izay nasaina niambina, dia nahita andian’olona marobe nidina ny tendrombohitra tamin’ny lalan’i Hôrônaima. Dia nankany amin’ny mpanjaka ilehio ka nitantara izay zavatra hitany.
35
Hoy i Jônadaba tamin’ny mpanjaka: –Indreo tokoa, araka izay efa voalazako taminao, fa tonga ireo zanakalahinao.
36
Vao tapitra ny teniny, dia indreo tonga ny zanakalahin’ny mpanjaka samy nigogogogo nitomany; ary mba nanao ranomaso havozona koa ny mpanjaka sy ny minisitra rehetra.
37
I Absalôma dia nandositra nankany amin’i Talmay zanakalahin’i Hamihoda sady mpanjakan’i Gesora ka nijanona tany telo taona. Nisaona an-janany hatrany kosa i Davida nandritra izany fotoana izany.
39
Ary natsahatr’i Davida mpanjaka ny fanenjehany an’i Absalôma fa efa nionona ny alahelony tamin’ny nahafatesan’i Amnôna.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→