bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 17
2 Samuel 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 18 →
1
Hoy i Ahitôfela tamin’i Absalôma: –Aoka aho hifidy lehilahy 12 000 hoentiko hanenjika an’i Davida anio alina.
2
Hotampohiko amin’ilay mbola sasatra sy reraka iny izy ka hampihorohoroiko. Handositra ny olona rehetra tafaraka taminy, ary ny mpanjaka irery no hovonoiko ho faty.
3
Dia haveriko ho atỳ aminao ny vahoaka rehetra; satria miankina amin’ny fahazoana io lehilahy tadiavinao io ny hiverenan’ny besinimaro aminao ka hiadanan’ny vahoaka rehetra.
4
Nahafaly an’i Absalôma sy ny loholon ’i Israely rehetra izany hevitra izany.
5
Kanefa hoy i Absalôma hoe: –Antsoy koa i Hosay, ilay Arkita, mba handrenesantsika izay teniny.
6
Rehefa tonga teo amin’i Absalôma i Hosay, dia nilazany hoe: –Izao no notenenin’i Ahitôfela, ka harahintsika ve ny teniny? Raha tsy sitrakao izany, dia mitenena ianao.
7
Fa hoy ny navalin’i Hosay an’i Absalôma: –Tamin’ity dia tsy tsara ny torohevitr’i Ahitôfela.
8
Ka hoy aho hoe: Fantatrao tsara ny rainao sy ireo olony; fa kalaza ireo sady masiaka tahaka ny orsa very anaka any an-tsaha. Ary ny rainao dia lehilahy mpiady ka tsy mba miara-mitoetra amin’ny vahoaka nony alina.
9
Indro izy ankehitriny fa miery any an-davabato na any an-toeran-kafa any. Raha manomboka misy voa amintsika, izay mandre ny vaovao dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona mpanaraka an’i Absalôma.
10
Koa na dia izay be herimpo indrindra toy ny liona aza dia hivalaketraka, satria fantatry ny Israelita rehetra fa kalaza ny rainao ary mahery fo ireo tafaraka aminy.
11
Izao àry no mba torohevitro: Vorio eto aminao ny miaramila israelita rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba ka ho toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamaroany; ary ny tenanao mihitsy no hiantafika miaraka aminy.
12
Ho tonga any amin’izay itoeran’i Davida isika, ka hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin’ny tany; ary tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin’ny olona rehetra tafaraka aminy.
13
Fa raha mitsoaka mankamin’ny tanàna iray izy, dia hitondran’i Israely manontolo tady mahazaka izany tanàna izany, ka hotarihintsika hivarina any amin’ny ranon-driaka mandra-pahafoana azy tsy hisy vato kely iray hita ao intsony.
14
Ary hoy i Absalôma sy ny lehilahy israelita rehetra hoe: –Tsara noho ny torohevitr’i Ahitôfela ny an’i Hosay, ilay Arkita! Efa nataon’ny TOMPO manko izay tsy hampahomby ny torohevitr’i Ahitôfela, na dia tsara aza, mba hampidirany loza amin’i Absalôma.
15
Hoy i Hosay tamin’i Tsadôka sy i Abiatara mpisorona: –Izany sy izany no torohevitra nomen’i Ahitôfela an’i Absalôma sy ireo loholon ’i Israely, ary dia izay sy izay kosa ny torohevitra nomeko.
16
Ankehitriny, maniraha haingana hampandre an’i Davida; lazao izy tsy hijanona amin’ny lemak’i Jôrdàna rahalina fa mità faingana raha tsy te ho ringana na ny tenany na ireo olona rehetra tafaraka aminy.
17
Dia niandry tao Haîna-Rogèla i Jônatàna sy i Ahimahatsa; ary nisy ankizivavy nilaza tamin’izy roa lahy mba hahafahany kosa mampandre an’i Davida mpanjaka, satria natahotra ny hisy mpahita izy raha miditra ny tanàna.
18
Nefa nisy tovolahy iray nahita azy roa lahy ireo ka nanambara tamin’i Absalôma; fa nandositra faingana izy roa lahy ary tonga tany Bahorima tao an-tranon’ny lehilahy iray, izay nisy lava-pantsakana teo an-tokotaniny. Dia nidina tao ireo.
19
Naka labasy ny vadin’ilay rangahy tompon-trano ka narakony teo am-bavan’ny lava-pantsakana sy nanahazany voan-javatra mba tsy hanampoizana na inona na inona.
20
Ary niditra tao an-tranon’ilay ramatoa ny mpanompon’i Absalôma ka nanao hoe: –Aiza i Ahimahatsa sy i Jônatàna? Dia hoy ny navalin’ilay vehivavy taminy: –Nita ny rano izy ireo. Rehefa nitady ihany ireto mpanompon’i Absalôma ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.
21
Nony lasa ireo, dia niakatra avy tao an-dava-pantsakana izy roa lahy ka lasa nanambara tamin’i Davida mpanjaka ny torohevitra nataon’i Ahitôfela hamelezana ny tenany sy ny mpomba azy, ary nilaza hoe: Miaingà, ka mità faingana ny rano.
22
Ary lasa i Davida sy ireo mpanaraka azy niampita ny ranon’i Jôrdàna; ka nony maraina ny andro, dia tsy nisy tsy tafita an’i Jôrdàna na dia olona iray aza.
23
Nony hitan’i Ahitôfela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny borikiny, ary lasa izy nody tany an-tanàna fonenany. Rehefa avy nanafatra ny ankohonany izy, dia nananton-tena ary maty ka nalevina tao amin’ny fasan-drainy.
24
Tonga tao Mahanaîma i Davida, raha nita an’i Jôrdàna i Absalôma mbamin’ny miaramila rehetra amin’i Israely.
25
Notendren’i Absalôma ho lehiben’ny tafika hisolo an’i Jôaba i Hamasà. Io Hamasà io dia zanakalahin’ilay Israelita atao hoe Jitrà, ilay niray tamin’i Abigaîla zanakavavin’i Nahasy ary rahavavin’i Tseroià, renin’i Jôaba.
26
Nitoby tao amin’ny faritany Gilehada i Absalôma sy ny Israelita.
27
Rehefa tonga tao Mahanaîma i Davida, dia indreo tamy i Sôbỳ zanakalahin’i Nahasy avy any Rabà renivohitry ny Hamônita, sy i Makira zanakalahin’i Hamiela avy any Lô-Debàra, ary i Barzilay izay Gilehadita avy any Rôgelima.
28
Izy telo lahy ireo dia nitondra ho an’i Davida sy ny olona tafaraka taminy fitaovam-pandriana, lamba volonondry, lovia bakoly sy vilany tany, ary sakafo isan-karazany: varimbazaha, ôrza, lafarinina, lango, tsaramaso, voanemba,
29
tantely, rononomandry, ary hena ondry sy hena omby; fa hoy izy telo lahy hoe: «Matin-kanoanana sy main’ny hetaheta ary sasatry ny dia tany an-taniefitra ireo olona ireo.»
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→