bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 9
2 Samuel 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 10 →
1
Hoy i Davida indray andro: –Mbola misy olona sisa velona ve amin’ny fianakavian’i Saoly? Mba tiako ny hanisy soa azy noho ny amin’i Jônatàna.
2
Fa nanana mpanompo iray nantsoina hoe Tsibà ny fianakavian’i Saoly; ary nampanantsoina hankeo amin’i Davida izy, ka nanontanian’ity mpanjaka hoe: –Ianao va no Tsibà? Ary hoy izy namaly: –Izaho, tompoko, no izy.
3
Dia nanontany indray ny mpanjaka hoe: –Mbola misy olona sisa velona ve amin’ny fianakavian’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra? Ka novalian’i Tsibà hoe: –Mbola misy zanakalahin’i Jônatàna iray izay, nefa malemy tongotra izy.
4
Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Aiza izy? Dia hoy i Tsibà namaly ny mpanjaka: –Ao an-tranon’i Makira zanakalahin’i Hamiela ao Lô-Debàra izy.
5
Ary naniraka olona haka azy any an-tranon’i Makira zanakalahin’i Hamiela ao Lô-Debàra i Davida mpanjaka.
6
Rehefa tonga teo amin’i Davida i Mefibôseta zanakalahin’i Jônatàna sady zafikelin’i Saoly, dia niankohoka tamin’ny tany ho fanajana azy. Ary hoy i Davida taminy: –Mefibôseta! Ka novaliany hoe: –Inty aho, tompoko.
7
Dia hoy indray i Davida taminy: –Aza matahotra fa te hanisy soa anao noho ny amin’i Jônatàna rainao aho, ka hamerina aminao ny tany rehetra izay an’i Saoly raibenao; ary ianao dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro.
8
Dia niankohoka izy sady namaly hoe: –Zinona moa aho izay toa fatin’amboa ity no mba itodihanao, tompoko?
9
Nantsoin’ny mpanjaka i Tsibà mpanompon’i Saoly, ka nilazany hoe: –Nomeko an’i Mefibôseta, zafikelin’ny tomponao avokoa izay rehetra nananan’i Saoly sy ny fianakaviany.
10
Koa ianao sy ireo zanakalahinao ary ireo mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra izay hiveloman’ny fianakaviany. Fa i Mefibôseta zafikelin’ny tomponao kosa dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro. Nanana zanakalahy 15 sy mpanompo 20 i Tsibà,
11
ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: –Tompoko, araka izay rehetra nandidianao mpanjaka no hataoko. Kanefa i Mefibôseta dia hisakafo eo amin’ny latabatro toy ny anankiray amin’ireo zanakalahin’i Saoly mpanjaka.
12
Nanan-janakalahy tanora nantsoina hoe Mikà i Mefibôseta, ary ny olona rehetra tao an-tranon’i Tsibà dia nanompo an’i Mefibôseta avokoa.
13
Fa na dia nalemy aza ny tongony roa, dia nonina tany Jerosalema i Mefibôseta satria nisakafo isan’andro teo amin’ny latabatry ny mpanjaka izy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24