bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 20
2 Samuel 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
1
Fa nisy olona tena ratsy fanahy teo natao hoe Sebà, zanakalahin’i Bikrỳ sady Benjaminita. Nitsoka anjomara izy sady nanao hoe: –Tsy manana anjara amin’i Davida isika ary tsy misy zavatra iombonantsika amin’io zanakalahin’i Jisay io! Samia mody any amin’ny fonenany avy, ry Israelita ô!
2
Ary nandao an’i Davida avokoa ny lehilahy israelita avaratra, ka nanaraka an’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ. Fa ny lehilahy jodeanina kosa nifikitra tamin’ny mpanjakany ihany, ka tafaraka taminy hatreo Jôrdàna ka hatrany Jerosalema.
3
Raha vao tonga tao an-tranony tany Jerosalema i Davida mpanjaka, dia naka ireo vaditsindrano folo izay najanony hiandry ny trano, ka nametraka azy tamin’ny trano iray tsara ambina. Nokojakojainy sy novelominy izy ireo saingy tsy niraisany intsony. Nahibony tao mandra-pahafatiny ireo, ka tonga mpitondratena velom-bady.
4
Hoy ny mpanjaka tamin’i Hamasà: –Vorio ho eto amiko ato anatin’ny telo andro ny miaramila jodeanina rehetra, ary aoka mba ho eto koa ianao.
5
Dia lasa i Hamasà namory ny tafika jodeanina; nefa dia taran’ny fe-potoana izay nomen’i Davida azy izy.
6
Ka hoy i Davida tamin’i Abisay: –Ankehitriny dia efa mampidi-doza antsika mihoatra noho i Absalôma i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ. Koa ento ny miaramila mpiambina ahy, dia enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda, ka ho dify ny masontsika.
7
Nivoaka an’i Jerosalema nanaraka an’i Abisay koa ny olon’i Jôaba sy ny Keretita ary ny Peletita, izany hoe ny kalaza rehetra, ka nanenjika an’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ.
8
Rehefa tonga teo amin’ilay vato lehibe tao Gibehôna kosa ireo, dia avy nitsena azy i Hamasà. Tamin’izay ny nanaovan’i Jôaba dia ny akanjo miaramila nisy ilay fehikibo nihanton’ny sabatra mbamin’ny tranony; ka nony nandroso izy, dia latsaka ilay sabatra.
9
Ary hoy i Jôaba tamin’i Hamasà: –Manahoana ianao, ry rahalahy? Noraisin’i Jôaba tamin’ny tanany ankavanana ny volombavan’i Hamasà mba horohany.
10
Tsy nahatandrina ny sabatra izay noraisin’ny tanan-kavian’i Jôaba anefa i Hamasà; kanjo nasian’i Jôaba tamin’ny kibony izy, ka nivaroraka tamin’ny tany ny tsinainy. Ary matin’izany izy, fa tsy nasian’i Jôaba fanindroany akory. Dia lasa i Jôaba sy i Abisay mirahalahy nanenjika an’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ.
11
Nisy miaramilan’i Jôaba iray nijanona teo akaikin’ny fatin’i Hamasà ka nanao hoe: «Izay mpomba an’i Jôaba sy mpiandany amin’i Davida, dia aoka izy hanaraka an’i Jôaba!»
12
Amin’izany i Hamasà dia nihosin-dra teo afovoan-dalana. Rehefa hitan’ilay miaramila fa nijanona ny olona rehetra, dia nesoriny teo amin’ny lalana ny fatin’i Hamasà ka notarihiny ho any an-tsaha sy norakofany lamba, satria tsikariny fa izay rehetra tonga teo aminy dia nijanona avokoa.
13
Vao nesoriny teo amin’ny lalana izany, dia lasa nanaraka an’i Jôaba ny tsirairay mba hanao haza lambo an’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ.
14
Notetezin’i Sebà avokoa ny fokon’i Israely avaratra, hatrany Abela-Bety-Mahakà; ary ny Berita rehetra dia nivory ka niditra nanaraka azy tao koa.
15
Tonga kosa ry i Jôaba nanao fahirano an’i Sebà tao Abela-Bety-Mahakà, ary nanangana tovon-tany mitovy haavo amin’ny manda ivelan’ny tanàna. Dia nanomboka nandrava ny manda ny tafika manontolo izay niaraka tamin’i Jôaba mba handrodana izany.
16
Fa nisy vehivavy hendry niantsoantso avy tao an-tanàna nanao hoe: –Henoy! Henoy kely e! Mba lazao i Jôaba hanatona etỳ fa te hiresaka aminy aho.
17
Rehefa nanatona an-dravehivavy izy, dia nilazany hoe: –Ianao va no Jôaba? Ka novaliany hoe: –Eny, izaho no izy. Ary hoy indray ravehivavy taminy: –Mba henoy teny aho mpanompovavinao. Ka hoy i Jôaba: –Mihaino anao aho.
18
Dia hoy ravehivavy taminy: –Fitenin’ny olona taloha ny hoe: «Anontanio ny mponin’i Abela, dia ho vita mora ny raharaha»
19
Amiko dia anisan’ny tia fihavanana sy mahatoky indrindra amin’i Israely ny mponina eto; kanefa dia tadiavinao ho ravana ity tanàna anisan’ny lehibe amin’i Israely ity. Nahoana no holevoninao ny fananan’ny TOMPO?
20
Namaly kosa i Jôaba hoe: –Sanatria dia sanatria amiko ny handevona sy handrava na inona na inona.
21
Tsy izany mihitsy, fa misy lehilahy iray avy any amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, atao hoe Sebà zanakalahin’i Bikrỳ izay efa nikomy hamely an’i Davida mpanjaka. Izy ihany no atolory ahy dia hiala amin’ny tanàna aho. Dia hoy ravehivavy tamin’i Jôaba: –Ao àry fa hatsipinay aminao ankoatra ny manda ny lohany.
22
Nikabarian-dravehivavy tamim-pahendrena avokoa ny mpiray tanàna, dia notapahina ny lohan’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ ka natsipy teny amin’i Jôaba. Notsofin’i Jôaba ny anjomara, dia tsy nanao fahirano ny tanàna intsony ny miaramilany ary samy namonjy ny fonenany avy. I Jôaba kosa mbola niverina tany Jerosalema ho eo amin’ny mpanjaka.
23
I Jôaba no filohan’ny tafika manontolo tamin’i Israely; i Benaià zanakalahin’i Joiadà no lehiben’ny Keretita sy Peletita mpiambina an’i Davida;
24
i Adôrama no tonian’ny asam-panompoana; i Jôsafata zanakalahin’i Ahiloda no mpitahiry ny raki-tsoratra;
25
i Sevà no mpitantsoratra; i Tsadôka sy i Abiatara no mpisorona;
26
ary i Hîrà, ilay Jairita, no mpanolotsain’i Davida.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→