bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 23
2 Samuel 23
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 24 →
1
Izao no fanambaràna farany nataon’i Davida: Teny hentitr’i Davida, zanakalahin’i Jisay, dia teny hentitry ny lehilahy izay voafidin’ilay Andriamanitr’i Jakôba mba ho voasandratra ho mpanjaka sady voahasohason’ireo hiran’i Israely:
2
Ny Fanahin’ny TOMPO no mampiteny ahy sy mametraka ao am-bavako ny teniny.
3
Ny Andriamanitr’i Israely sady mpiaro azy no efa niteny ka nanao tamiko hoe: «Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana sy mitondra azy amim-panajana an’Andriamanitra
4
dia toy ny fahazavan’ny maraina raha miposaka ny masoandro amin’iny maraina tsy misy rahona iny. Ny tarany mafana mandimby ny orana no mampaniry ny ahitra amin’ny tany.»
5
Toy izany indrindra ny fianakaviako eo anoloan’Andriamanitra; fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay no nataon’Andriamanitra tamiko, dia fanekempihavanana mirindra sy voatandro amin’ny lafiny rehetra. Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko dia Izy no ipoiran’ireny rehetra ireny.
6
Fa ny olom-poana rehetra kosa dia tahaka ny tsilo fanary ka tsy mba fandrain-tanana.
7
Izay te hikasika azy dia tsy maintsy mirongo faraingo vy na zaran-defona; ary ireny tsilo ireny dia dorana amin’ny afo eo amin’ny toerana itobiany eo ihany.
8
Ireto avy ny anaran’ireo kalazan’i Davida: i Isbahala, zanakalahin’i Hakmônỳ sady filohan’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no ilay nampandihy ny lefony hamelezana fahavalo valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
9
Manaraka azy dia i Elehazàra, zanakalahin’i Dôdao ary zafikelin’ny lehilahy iray avy any Ahôa. Anisan’ny «Tariky ny telo lahy» kalaza izay niaraka tamin’i Davida izy, fony nihaika ny Filistinina tafangona hiady ireo. Nihemotra ny tafik’i Israely,
10
fa i Elehazàra kosa niaritra ka namely ny Filistinina mandra-pahavizan’ny tanany nihazona mafy ny sabany. Fandresena miezinezina no nataon’ny TOMPO tamin’izay andro izay. Niverina nanjohy an’i Elehazàra haka ny fiadian’ireo maty no sisa nataon’ny tafika israelita.
11
Manaraka azy dia i Samà, zanakalahin’i Agè avy any Harara. Rehefa tafangona tao Lehỳ teo amin’ny saham-boanemba ny Filistinina, dia nandosiran’ny tafik’i Israely;
12
nefa nijanona teo afovoan’ny saha i Samà ka niaro izany ary namely ny Filistinina. Fandresena miezinezina no mbola nataon’ny TOMPO.
13
Indray andro tamin’ny fararano, dia nisy telo lahy anisan’ny «andian’ny telopolo lahy» nidina ka tonga tany amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Hadolàma, fa nisy tafiky ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaîta.
14
Ary i Davida efa tao amin’ny fiereny, raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan’ny Filistinina.
15
Tamin’izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: –Iza no hitondra rano hosotroiko avy amin’ilay fantsakana eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema?
16
Dia niroatra namakivaky ny tobin’ny Filistinina izy telo lahy ireto, ka nanovo rano tamin’ilay fantsakana teo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema, ary nentiny ho any amin’i Davida; kanjo tsy nety nisotro i Davida, fa nanolotra izany ho an’ny TOMPO kosa ho fanatitra araraka,
17
sady niteny hoe: «Sanatria, TOMPO ô, raha hisotro amin’io rano io aho. Moa tsy toy ny ran’ireo lehilahy izay nanao vy very ny ainy ve io?» Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany sy izany no nataon’ireto kalaza telo lahy ireto.
18
I Abisay rahalahin’i Jôaba sady zanakalahin’i Tseroià, no filohan’ny «andian’ny telopolo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato ka nahafaty azy; ary nanan-daza mitovy amin’ireto telo lahy ireto izy.
19
Nomen-kaja avo roa heny kosa i Abisay teo amin’ny «andian’ny telopolo lahy», ka lasa lehibeny; saingy tsy afaka nifaninana tamin’ny «Tariky ny telo lahy» izy.
20
I Benaià, avy any Kabitseela, dia zanakalahin’i Jôiadà sady zafikelin’ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaià. Izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy tao Môaba; izy koa no nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin’ny indray andro nisy oram-panala.
21
Mbola izy koa no nahafaty ilay Ejiptianina ranjanana izay nirongo lefona; tehina no namelezany azy, dia nosarihany teny an-tanan’ilay Ejiptianina ny lefony ka iny ihany no namonoany azy ho faty.
22
Ireo no zava-bitan’i Benaià zanakalahin’i Jôiadà; ary nanan-daza mitovy amin’ireto kalaza telo lahy ireto izy.
23
Nomen-kaja kosa i Benaià teo amin’ny «andian’ny telopolo lahy», saingy tsy afaka nifaninana tamin’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no voatendrin’i Davida hifehy ny mpiambina azy.
24
Ny «andian’ny telopolo lahy» dia nisy an’ireto koa: I Hasahela rahalahin’i Jôaba; i Elehanàna zanakalahin’i Dôdao avy any Betlehema;
25
i Samà avy any Harôda; i Elikà avy any Harôda;
26
i Heletsa avy any Paltỳ; i Hirà zanakalahin’i Hikesy avy any Tekôa;
27
i Abihezèra avy any Hanatôta; i Mebonay avy any Hosà;
28
i Tsalmôna avy any Ahôa; i Maheray avy any Netôfà;
29
i Heleba zanakalahin’i Bahanà avy any Netôfà; i Itàhy zanakalahin’i Ribay avy any Gibehà-n’ireo Benjaminita;
30
i Benaià avy any Piratôna; i Hiday avy any amin’ny lohasahan-driakan’i Gahàsa;
31
i Abỳ-Halbôna avy any Harabà; i Hazmavety avy any Bahorima;
32
Eliahabà avy any Sahalbôna; i Jasena avy any Gizôna; i Jônatàna,
33
zanakalahin’i Samà avy any Harara; i Ahiama zanakalahin’i Sarara avy any Harara;
34
i Elifelety zanakalahin’i Ahasbay ary zafikelin’olona avy any Mahàka, i Elihama zanakalahin’i Ahitôfela avy any Gilao;
35
i Hetsirào avy any Karmela; i Paharay avy any Aràba;
36
i Jigala zanakalahin’i Natàna avy any Tsôbà; i Banỳ avy amin’ny fokon’i Gada;
37
i Tselèka, ilay Hamônita; i Naharay avy any Beerôta; mpitondra ny fiadian’i Jôaba zanakalahin’i Tserôià;
38
i Hirà sy i Gareba, samy avy amin’ny fianakavian’i Jetèra;
39
ary i Orià, ilay Hetita. Fito amby telopolo no fitambaran’ireo kalaza rehetra.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→