bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 16
2 Samuel 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
1
Raha vao nihoatra ny tampon-tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Tsibà mpanompon’i Mefibôseta, mitarika boriky roa voaisy lasely sady novesarana mofo roanjato sy voaloboka maina zato sampaho ary koa voankazo masaka iray harona sy divay eran’ny siny hoditra.
2
Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Tsibà: –Hataonao inona ireo? Dia hoy ny navalin’i Tsibà: –Ny boriky, ry andriamanjaka, dia hitaingenan’ny ankohonanao; ny mofo sy ny voankazo hohanin’ireo miaramilanao; ny divay kosa hosotroin’izay reraka any an-taniefitra.
3
Ary nanontany azy indray ny mpanjaka hoe: –Fa mba aiza i Mefibôseta, zafin’i Saoly tomponao? Dia hoy ny navalin’i Tsibà ny mpanjaka: –Nijanona any Jerosalema izy, satria noheveriny fa ankehitriny no hampodian’ny Israelita ny fanjakan-draibeny aminy.
4
Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Tsibà: –Indro fa omeko anao avokoa izay fananan’i Mefibôseta. Dia niankohoka ho fanajana ny mpanjaka i Tsibà sady nanao hoe: –Aoka aho, ry andriamanjaka, mba hahita fitia hatrany eo imasonao!
5
Rehefa tonga teo akaikin’i Bahorima i Davida mpanjaka, dia nisy lehilahy iray natao hoe Simehỳ zanakalahin’i Gerà sy anisan’ny havan’i Saoly; nivoaka ny tanàna izy sady nanozona an’i Davida.
6
Nitora-bato an’i Davida mpanjaka sy ny minisitra rehetra koa izy, na dia teo avokoa aza ny vahoaka sy ny miaramila izay tankavanan’ny mpanjaka sy tankaviany.
7
Ary toy izao no nolazain’i Simehỳ rehefa nanozona: –Mandehana any, mandehana any, ry ilay lehilahy mpandatsa-dra sady ratsy fanahy!
8
Havalin’ny TOMPO aminao anie ny namonoanao ho faty ny taranak’i Saoly! Nangalarinao ny fanjakan’i Saoly ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan’i Absalôma zanakalahinao; ary indro fa idiran-doza izao ianao satria lehilahy mpandatsa-dra.
9
Hoy kosa i Abisay zanakalahin’i Tseroià tamin’i Davida mpanjaka: –Ahoana io alika maty io no manozona anao, ry andriamanjaka? Avelao hotapahiko ny lohan’io.
10
Fa novalian’ny mpanjaka hoe: –Inona no iraharahanao izany, ry zanakalahin’i Tseroià? Matoa manozona ahy izy, dia satria ny TOMPO no nibaiko azy hanozona ahy; koa iza no sahy hanome tsiny azy amin’izany?
11
Ary hoy koa i Davida tamin’i Abisay sy ny minisitra rehetra: –Raha ny zanakalahy naterako aza no mitady ny aiko, ka mainka fa io Benjaminita io! Aoka izy hanozona ahy, raha ny TOMPO no nibaiko azy hanao izany.
12
Angamba ho hitan’ny TOMPO ny fahantrako, ka hampodiny ho fanambinana ny fanozonany ahy androany.
13
Fa raha mbola nanohy ny diany i Davida sy ny olony, dia nandroso tsy lavitra azy ireo tamin’ny tehezan-tendrombohitra kosa i Simehỳ, sady mbola nanozona sy nitora-bato ary namafy vovoka.
14
Reraka mafy ny mpanjaka sy ny olona rehetra tafaraka taminy raha tonga teo amoron’i Jôrdàna, koa dia naka aina teo.
15
Tonga tao Jerosalema i Absalôma sy ny vahoaka Israelita isan-karazany; ary tafaraka taminy koa i Ahitôfela.
16
Rehefa mby teo amin’i Absalôma i Hosay, ilay Arkita sakaizan’i Davida, dia niantsoantso hoe: –Ho ela velona anie ny mpanjaka! Ho ela velona anie ny mpanjaka!
17
Fa hoy i Absalôma tamin’i Hosay: –Izao va no fitiavanao an’i Davida sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka taminy?
18
Ary hoy i Hosay tamin’i Absalôma: –Tsy niaraka taminy aho, satria ny tiako hiarahana dia ianao ilay nofidin’ny TOMPO sy nofidin’ireto vahoaka ireto izany hoe ny Israelita isan-karazany; ka ao aminao no hitoerako.
19
Faharoa manaraka izany, iza ianao hotompoiko izao, moa tsy ny zanakalahin’ilay sakaizako ihany va? Tahaka izay efa nanompoako an-drainao no hanompoako anao koa.
20
Hoy i Absalôma tamin’i Ahitôfela: –Mifampidiniha ianareo ny amin’izay tokony hataontsika:
21
Dia hoy kosa i Ahitôfela tamin’i Absalôma: –Mandehana mandry amin’ny vadikelin-drainao izay nasainy niandry ny trano. Ho fantatry ny Israelita rehetra fa nanao izay nahafa-baràka an-drainao ianao, ka dia hahery ny tanan’izay rehetra mpomba anao.
22
Nananganan’ny olona lay teo an-tampon-trano i Absalôma, ka nandry tamin’ny vadikelin-drainy tao teo imason’ny Israelita rehetra izy.
23
Tamin’izay ny torohevitr’i Ahitôfela dia natao ho tahaka ny tenin’Andriamanitra; ary toy izany avokoa ny torohevitra nataony na tamin’i Davida na tamin’i Absalôma.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→