bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 21
2 Samuel 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 22 →
1
Nisy mosary naharitra telo taona misesy tamin’ny andron’i Davida. Nanontany ny TOMPO momba izany i Davida ka novaliany hoe: –Avy amin’i Saoly sy ny fianakaviany lian-dra izao, satria i Saoly no namono nahafaty ny Gibehônita.
2
Nampiantso ny Gibehônita ny mpanjaka mba hiresahany. Ny Gibehônita moa tsy mba isan’ny Israelita, fa sisa tsy maty tamin’ny Amôrita. Efa nianiana taminy manko ny Israelita fa tsy haninona azy; nefa i Saoly, noho ny fitiavany an’i Israely sy i Joda, dia nitady hamongotra azy.
3
Ka hoy i Davida tamin’ny Gibehônita: –Inona no hataoko ho anareo! Ahoana no hanonerako ny ratsy izay nihatra taminareo, mba hitsofanareo rano ny vahoakan’ny TOMPO?
4
Dia hoy ny Gibehônita taminy: –Tsy vitana volafotsy na volamena, na koa fahafatesan’ny Israelita iray ny adinay amin’i Saoly sy ny fianakaviany. Ka hoy i Davida: –Koa lazao àry izay tianareo hataoko, fa hotanterahiko.
5
Dia hoy ireo tamin’ny mpanjaka: –I Saoly no nikasa handripaka anay sy hamongotra anay tsy hisy tavela eo amin’ny tanin’i Israely manontolo;
6
ka avelao hisy fito lahy amin’ny taranany hatolotra anay mba hahantonay eo anatrehan’ny TOMPO ao Gibehà tanànan’i Saoly ilay mpanjaka voafidin’ny TOMPO. Ka hoy ny mpanjaka: –Hatolotro ireo.
7
Notsimbinin’ny mpanjaka manokana i Mefibôseta, zanakalahin’i Jônatàna sady zafikelin’i Saoly, noho ny fianianana nataon’i Davida sy i Jônatàna tamin’ny anaran’ny TOMPO.
8
Fa nalain’ny mpanjaka i Armônỳ sy i Mefibôseta zanakalahin’i Ritsepà izay zanakavavin’i Aià, ka izy roa lahy ireo dia naterany tamin’i Saoly; ary nalainy koa izy dimy lahy zanak’i Mikàla izay zanakavavin’i Saoly, ka ireo dia naterany tamin’i Adriela zanakalahin’i Barzilay avy any Mehôlà.
9
Natolotr’i Davida teo an-tanan’ny Gibehônita izy fito lahy ka nahanton’ireo teo an-kavoana iray teo anatrehan’ny TOMPO. Niara-maty avokoa izy fito lahy, satria samy novonoina ho faty tamin’ny fiandohan’ny vaninandro fijinjana ôrza.
10
Naka ny lamba gony fisaonana i Ritsepà zanakavavin’i Aià, ka novelariny teo ambony vatolampy; dia nitoetra teo izy nanomboka tamin’ny fiandoham-pijinjana ka mandra-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ireo faty ireo. Tsy navelany hipetrahan’ny voromanidina teo aminy tamin’ny antoandro; ny bibidia kosa no tsy navelany hankeo tamin’ny alina.
11
Nisy nanambara tamin’i Davida izay nataon’i Ritsepà zanakavavin’i Aià sady vaditsindranon’i Saoly.
12
Koa dia nalain’i Davida ny taolambalon’i Saoly sy i Jônatàna zanany tamin’ny mponin’i Jabesa any Gilehada; ireo manko no nangalatra azy tao an-kianjan’i Bety-Seàna, toerana nanantonan’ny Filistinina azy tamin’ny andro namonoan’ny Filistinina an’i Saoly tao Gilbôa.
13
Dia nentin’i Davida avy tany ny taolambalon’i Saoly sy i Jônatàna zanany, ary nangoniny koa ny taolan’ireto fito lahy voahantona.
14
Nalevin’ny olona tany amin’ny tanin’i Benjamîna, tao Tsela, tao amin’ny fasan’i Kisy rain’i Saoly ireo taolambalo rehetra ireo; ary vitany avokoa izay nandidian’ny mpanjaka. Rehefa izany, vao nanambina ny tany Andriamanitra.
15
Nipoaka indray ny ady teo amin’ny Filistinina sy ny Israelita. Dia nidina nanafika ny Filistinina i Davida sy ireo miaramila niaraka taminy; ary nahatsiaro reraka i Davida.
16
Koa nihevitra ny hahafaty an’i Davida i Jisby-Benôba isan’ny taranak’i Harafà, izay nanana lohan-defona halimo milanja telo kilao mahery sy fiadiana vaovao.
17
Fa tonga nanampy azy i Abisay zanakalahin’i Tseroià ka namely ary nahafaty an’ilay Filistinina. Tamin’izay ireo olon’i Davida dia nianiana taminy hoe: «Tsy hiara-miainga aminay intsony ianao ho amin’ny ady, mba tsy hamonoanao ho faty ny fahazavan’i Israely.»
18
Rehefa izany dia mbola nisy ady indray tamin’ny Filistinina tao Gôba; tamin’izay i Sibekay avy any Hosà no namono ho faty an’i Safa isan’ny taranak’i Harafà.
19
Mbola nisy ady hafa tao Gôba, ary tamin’izay i Elehanàna zanakalahin’i Jahiry-Ôregima sady avy any Betlehema, no namono ho faty an’i Gôliata avy any Gata, izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon’ny mpanenona.
20
Dia mbola nisy ady koa tany Gata; ary tao dia nisy olona raindahiny nanana rantsan-tanana enina sy rantsan-tongotra enina, izany hoe efatra amby roapolo no fitambarany. Ilehio koa dia taranak’i Harafà.
21
Nihaika ny Israelita izy ka matin’i Jônatàna zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida.
22
Ireo miaramila filistinina efa-dahy ireo, izay samy taranak’i Harafà sady tao Gata, dia lavo noho ny famelezan’i Davida sy ny miaramilany azy.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→