bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 14
2 Samuel 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 15 →
1
Tsapan’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià fa tezitra tamin’i Absalôma ny fon’ny mpanjaka.
2
Nampiantso vehivavy fetsy iray avy any Tekôa i Jôaba ka nilazany hoe: –Manaova sari-misaona ianao ka mitafia akanjo fisaonana; aza mihosotra ilomanitra, fa manaova toy ny vehivavy efa ela nisaonana olona maty iray.
3
Mankanesa any amin’ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nambaran’i Jôaba taminy izay teny hoteneniny.
4
Rehefa niteny tamin’ny mpanjaka àry ilay vehivavy avy any Tekôa, dia niankohoka nitehi-tany ho fanajana azy ary nanao hoe: –Mba vonjeo aho, ry mpanjaka ô!
5
Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Fa maninona ianao? Ka novaliany hoe: –Indrisy mpitondratena aho fa maty ny vadiko.
6
Nanan-janaka roa lahy aho; niady tany an-tsaha izy ireo ka maty ilay iray satria tsy nisy nampisaraka.
7
Nitsangana hanohitra ahy ny fianakaviana manontolo ka nanao tamiko hoe: «Atolory anay ilay mpamono ny rahalahiny, fa hataonay maty koa izy satria nahafaty ny rahalahiny, ka dia hovonoinay ho faty koa ny mpandova.» Araka izany dia tian’izy ireo hofongorana ilay tapa-porohana sisa ato amiko mba tsy hahafahany hamelo-maso ny anaran-drainy eto an-tany.
8
Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: –Modia fa hanome baiko hitsinjovana anao aho.
9
Hoy kosa ilay vehivavy avy any Tekôa taminy: –Ry andriamanjaka ô, aoka ho ahy sy ho an’ny fianakavian-draiko ny fahadisoana fa tsy manan-tsiny akory ianao sy ny sezafiandriananao.
10
Dia hoy ny mpanjaka hoe: –Raha mbola misy olona miteny anao, dia ento atỳ amiko, fa tsy hamerina izany intsony aminao izy.
11
Hoy ihany ravehivavy taminy: –Ry andriamanjaka ô, mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrao mba tsy hampian’ny mpamaly faty intsony ny fandripahana, fandrao matiny ny zanako. Ka novalian’ny mpanjaka hoe: –Velona ny TOMPO ka mianiana aminao aho fa tsy hisy hanohintohina na dia ny singam-bolon’ny zanakao aza.
12
Dia hoy indray ravehivavy taminy: –Ry andriamanjaka ô, mamelà ahy mbola hiteny kely indraim-bava aminao. Ary hoy izy hoe: –Ento ny teninao.
13
Ka hoy ravehivavy taminy: –Nahoana ianao no nisaina zavatra toy izany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra? Fa araka izay voalazanao teo, dia manameloka ny tenanao ianao satria tsy nampody ilay noroahinao.
14
Eny, tsy maintsy ho faty isika rehetra, ka ho tahaka ny rano raraka an-tany tsy azo raofina intsony. Saingy tsy mbola izany no irîn’Andriamanitra ho an’i Absalôma izao; ny heveriny kosa dia mba tsy ho lavitra Azy ilay voaroaka.
15
Koa raha tonga hilaza izany rehetra izany aminao aho, ry andriamanjaka, dia satria nisy olona nampitahotra ahy; kanefa hoy aho anakampoko hoe: «Hiteny amin’ny mpanjaka aho, fa angamba hanao izay holazaiko ihany izy;
16
dia hoekeny ny hamonjy ahy ho afaka amin’ny tanan’ny lehilahy izay te hamongotra ahy sy ny zanako tsy ho anisan’ilay vahoaka fananan’Andriamanitra.»
17
Ary hoy koa aho anakampoko hoe: «Hampitony anie ny tenin’ny andriamanjaka. Fa tahaka ny anjeli n’Andriamanitra izy ka mahalala ny tsara sy ny ratsy.» Hiaraka aminao anie ny TOMPO Andriamanitrao.
18
Ary hoy ny mpanjaka namaly an-dravehivavy: –Aza misy afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy hoe: –Aoka ianao hiteny, ry andriamanjaka.
19
Ary hoy ny mpanjaka nanontany azy: –Moa i Jôaba va no nampirisika anao tamin’izany rehetra izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy hoe: –Veloma ny ainao, ry andriamanjaka, fa marina tsy azo iolakolahana izay rehetra voalazanao. Eny, i Jôaba mpanomponao no nandidy sy nampiteny ahy izay hoteneniko.
20
Hampivadika ny toe-draharaha no nanaovan’i Jôaba mpanomponao izany zavatra izany. Fa hendry toy ny anjelin’Andriamanitra ianao, tompoko, ka mahafantatra izay rehetra miseho eto ambonin’ny tany.
21
Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Jôaba: –Indro efa narahiko ny torohevitrao; koa ndeha alao i Absalôma zatovolahy ka ampodio eto.
22
Niankohoka hatreo amin’ny tany i Jôaba ka nisaotsaotra ny mpanjaka nanao hoe: –Fantatro izao fa nahita fitia teo imasonao aho, ry andriamanjaka, tamin’ny nanarahanao ny torohevitro.
23
Dia niarina i Jôaba ka nankany Gesora, ary nitondra an’i Absalôma hody any Jerosalema.
24
Fa hoy ny mpanjaka hoe: –Aoka hody any an-tranony izy, ary aoka tsy hahita ny tavako! Koa nody tany aminy i Absalôma ary tsy mba nahita tava ny mpanjaka.
25
Tamin’i Israely manontolo dia tsy nisy lehilahy tsara tarehy sy nodokafana fatratra tahaka an’i Absalôma; fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
26
Isaky ny mifarana ny taona dia hetezany ny volon-dohany satria mavesatra loatra aminy. Koa rehefa lanjainy izany dia mahatratra roa kilao araka ny fandanjan’ny mpanjaka.
27
Nanan-janakalahy telo sy zanakavavy iray natao hoe i Tamara i Absalôma. Tsara tarehy aoka izany ilay zazavavy.
28
Nipetraka roa taona tao Jerosalema tsy nahita tava ny mpanjaka i Absalôma.
29
Nampiantso an’i Jôaba i Absalôma mba halefany any amin’ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy. Mbola naniraka azy fanindroany i Absalôma fa tsy nety ihany izy.
30
Koa hoy i Absalôma tamin’ny mpanompony: –Hitanareo ilay sahan’i Jôaba mifanakaiky amin’ny ahy, ary misy ôrza! Mandehana doroy. Dia nodoran’ny mpanompon’i Absalôma ny saha.
31
Niainga i Jôaba ka nankany an-tranon’i Absalôma ary nanao taminy hoe: –Fa nahoana no nodoran’ny mpanomponao ny sahako?
32
Dia hoy i Absalôma tamin’i Jôaba: –Indro efa nampiantso anao hankatỳ amiko aho mba halefako any amin’ny mpanjaka hilaza aminy hoe: «Nahoana aho no niverina avy any Gesora? Naleoko mbola nijanona tany ihany.» Koa mba te hahita tava ny mpanjaka aho ankehitriny; fa raha toa ka meloka aho, dia aoka izy hamono ahy ho faty.
33
Ary nankany amin’ny mpanjaka i Jôaba ka nilaza izany taminy. Nampiantsoin’ny mpanjaka i Absalôma, dia nankao aminy; ka niankohoka nitehi-tany izy teo anatrehany. Ary nanoroka an’i Absalôma ny mpanjaka.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→