bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 18
2 Samuel 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 19 →
1
Nampilaharin’i Davida ny miaramila izay niaraka taminy ka nanendreny mpifehy arivo sy mpifehy zato hibaiko azy.
2
Nasain’i Davida hiainga ny tafiny; ka ny ampahatelony nofehezin’i Jôaba, ny ampahatelony hafa nofehezin’i Abisay zanakalahin’i Tseroià sady rahalahin’i Jôaba, ary ny ampahatelo farany nofehezin’i Itàhy izay avy any Gata. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireto miaramila: «Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo».
3
Fa hoy kosa ny miaramila hoe: –Tsy mahazo mandeha ianao. Satria raha mandositra izahay, dia tsy hisy fahavalo hiraharaha akory; ary na dia maty avokoa aza ny antsasakay, dia tsy hahoany. Fa ianao kosa dia toy ny iray alina eo aminay; koa tsaratsara kokoa raha avy atỳ an-tanàna ianao no mandefa famonjena ho anay.
4
Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Izay sitrakareo ihany no hataoko. Dia nitsangana teo am-bavahady ny mpanjaka, raha nivoaka tsizatozato sy tsiarivoarivo ny tafiny manontolo.
5
Nandidy an’i Jôaba sy Abisay ary Itàhy ny mpanjaka hoe: –Noho ny amiko, dia aoka ianareo tsy hikasi-tanàna ny zatovolahy Absalôma. Ary ny miaramila rehetra dia samy nandre ny nanomezan’ny mpanjaka didy momba an’i Absalôma.
6
Nivoaka nankeny an-tsaha ny miaramilan’i Davida hifanehatra amin’ny Israelita hafa ka rafitra tao amin’ny alan’i Efraîma ny ady.
7
Nilavo lefona teo anatrehan’ny mpanompon’i Davida ny tafik’i Israely. Navesatra loatra ny faharesena tamin’io andro io fa nahatratra 20 000 ny olona maty.
8
Nitatra eran’ny firenena ny ady, ka be ny maty tany an’ala tamin’izay noho ny maty an’ady.
9
Nifanehatra tampoka tamin’ny miaramilan’i Davida i Absalôma raha iny nitaingina boriky iny izy. Nitsofoka tany an-tsefatsefaky ny rantsan’ny hazo terebinta lehibe ilay ampondra, ka voasaringotry ny terebinta ny lohan’i Absalôma; ary lasa nanohy dia ilay boriky, fa izy kosa nihantona teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany.
10
Nahita azy ny lehilahy iray ka nilaza tamin’i Jôaba hoe: –Hitako mihantona amin’ny terebinta i Absalôma.
11
Ary hoy i Jôaba tamin’ilay mpilaza: –Hitanao izy, koa nahoana no tsy nasianao ho faty teo ihany? Ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehikibo ianao.
12
Fa hoy ralehilahy tamin’i Jôaba: –Na dia homenao sekela volafotsy arivo aza aho, dia tsy haninji-tanana amin’io zanakalahin’ny mpanjaka io, satria ny sofintsika no samy nandre ny nandidian’ny mpanjaka anao sy i Abisay ary i Itàhy hoe: «Aoka mba tsy hisy hikasika an’i Absalôma.»
13
Koa raha nivadika tamin’izany aho ka nahafaty azy, dia tsy misy miafina amin’ny mpanjaka; ary na dia ianao io aza dia hitsangana hiampanga ahy.
14
Koa hoy i Jôaba hoe: –Tsy handany andro aminao eto aho! Dia noraisiny ny lefona telo ka natrobany ny fon’i Absalôma, raha ilay izy mbola velona ka nihantona tamin’ny terebinta iny.
15
Nanodidina an’i Absalôma ny tovolahy folo mpitondra ny fiadian’i Jôaba ka nanapitra ny ainy.
16
Notsofin’i Jôaba ny anjomara, dia natsahatr’ireo miaramilan’i Davida ny fanenjehana ny Israelita satria efa nanakana azy i Jôaba.
17
Nalaina ny fatin’i Absalôma, ka natsipy tao anaty lavaka lehibe iray tany an’ala dia nasiana antontam-bato lehibe teo amboniny. Ary nandositra nody any an-tranony avokoa ny Israelita rehetra.
18
Fahavelony i Absalôma dia efa nampanao tsangambato ho azy tao an-dohasahan’ny mpanjaka, fa hoy izy anakampo: «Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ny anarako aho.» Koa ny anaran’ny tenany ihany no niantsoany an’ilay tsangambato. Izany no mbola anaovana azy mandraka ankehitriny hoe «Tsangambaton’i Absalôma».
19
Hoy i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka: –Aoka hihazakazahako any amin’ny mpanjaka ny fitondrana ity vaovao mahafaly ny amin’ny nanomezan’ny TOMPO azy rariny ity ka nanafahany azy tamin’ny fahavalony.
20
Fa hoy i Jôaba taminy: –Tsia, tsy ho mpitondra vaovao mahafaly ianao raha anio no mankany, satria maty ny zanakalahin’ny mpanjaka; fa amin’ny andro hafa ianao no hitondra vaovao.
21
Ary hoy i Jôaba tamin’ny Kosita iray mpanompony: –Mandehana ka lazao amin’ny mpanjaka izay efa hitanao! Niankohoka teo anatrehan’i Jôaba ilay Kosita, dia lasa nihazakazaka.
22
Fa hoy indray i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka tamin’i Jôaba: –Izay alehany any alehany, fa avelao aho hihazakazaka hanaraka ilay Kosita. Hoy kosa i Jôaba hoe: –Hihazakazaka ahoana, anaka? Tsy hitondra soa ho anao velively ny vaovao toy izany!
23
Fa novalian’i Ahimahatsa hoe: –Tsy mampaninona izany, fa avelao ihany aho handeha. Ka hoy i Jôaba taminy: –Mandehana àry! Dia nihazakazaka nihazo ny lalan’ny lemak’i Jôrdàna i Ahimahatsa ka nisongona ilay Kosita.
24
Tamin’izay i Davida dia nipetraka teo anelanelan’ny varavaran-droa. Dia niakatra teo amin’ny marin-tampona ambony vavahadin’ny manda ny mpitily; raha niandrandra izy, dia nahatazana lehilahy iray mihazakazaka.
25
Niantso mafy mba hampandre ny mpanjaka ilay mpitily. Dia hoy ny mpanjaka hoe: –Raha irery izy, dia vaovao tsara no hambarany. Rehefa nanatona hatrany ilay lehilahy teo,
26
dia nahita olon-kafa nihazakazaka indray ny mpitily. Ka niantso mafy ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: –Iny koa mbola misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Fa hoy ihany ny mpanjaka: –Hitondra vaovao tsara koa izany.
27
Ary hoy ny mpitily hoe: –Raha ny fomba fihazakazahany, dia fantatro ilay voalohany fa i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka. Dia hoy ny mpanjaka: –Lehilahy tsara fanahy iny, ka vaovao tsara no ahatongavany.
28
Ary niantso mafy i Ahimahatsa ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: –Fiadanana! Niankohoka nitehi-tany izy teo anatrehan’ny mpanjaka sady nilaza hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa efa natolony anao, ry andriamanjaka, ireo olona nanainga tanana hanohitra anao.
29
Dia hoy ny mpanjaka: –Tsara ihany ve ny amin’i Absalôma zatovolahy izay? Fa hoy kosa i Ahimahatsa: –Raha naniraka ity mpanomponao ity sy ny tenako i Jôaba, dia saritadritaka be no hitako nefa tsy fantatro izay antony.
30
Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Mihataha kely ianao ka mijanona etsy. Dia nihataka kely izy ka nijanona teo.
31
Ary tonga tamin’izay ilay Kosita ka nanao hoe: –Manam-baovao tsara ho anao aho, ry andriamanjaka; fa ankehitriny ny TOMPO efa nanome rariny anao ka nanafaka anao tamin’ireo rehetra nitsangana hikomy aminao.
32
Dia hoy ny mpanjaka tamin’ilay Kosita: –Mba tsara ihany ve ny amin’i Absalôma zatovolahy izay? Fa hoy kosa ilay Kosîta: –Ho tahaka an’iny zatovolahy iny anie, ry andriamanjaka, ny fahavalonao sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao!
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→