bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 5
2 Samuel 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 6 →
1
Dia tonga tao amin’i Davida tao Hebrôna ny fokon’i Israely rehetra ka nanao taminy hoe: –Indreto izahay havanao sy tapakao.
2
Fahiny, fony mbola nanjaka taminay aza i Saoly, dia ianao no mpitarika ny miaramilan’i Israely tamin’ny ady; ary ny TOMPO efa nilaza taminao hoe: «Ianao no hitondra ilay Israely vahoakako, ary ianao no ho filohany.»
3
Tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrôna avokoa ireo loholon’i Israely. Ary tao Hebrôna dia nanaovan’i Davida mpanjaka fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan’i Israely.
4
Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka ary nanjaka efapolo taona izy.
5
Teo Hebrôna, dia fito taona sy tapany no nanjakany tamin’ny fokon’i Joda; ary tany Jerosalema dia 33 taona no nanjakany tamin’i Israely sy i Joda mitambatra.
6
Nankany Jerosalema hiady amin’ny Jebôsita tompon-tany ny mpanjaka sy ny olony; nefa hoy ny Jebôsita tamin’i Davida: –Tsy ho tafiditra atỳ ianao, fa na ny jamba sy ny mandringa aza dia hahasakana anao. Izany no fomba nilazan’ny Jebôsita fa tsy ho tafiditra ao mihitsy i Davida.
7
Kanjo azon’i Davida ihany ilay tanànamimanda, dia i Tsiôna izay hatao hoe Tanànan’i Davida.
8
Tamin’izay andro izay dia hoy i Davida hoe: «Raha misy te hamely ny Jebôsita, dia aoka izy hihazo ny lakan-drano!» Ny amin’ny mandringa sy jamba dia nankahalain’i Davida ireo, ka nahatonga ny fitenenana hoe: «Tsy mahazo miditra ny Tranon’ny Tompo ny jamba sy ny mandringa».
9
Nipetraka tao an-tanàna mimanda i Davida, ary niantso azy hoe «Tanànan’i Davida». Dia narafitr’i Davida ny manodidina, nanomboka hatreo Milao ka mifarana amin’ny trano fonenany.
10
Dia nihanatanjaka hatrany i Davida, satria ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao no niaraka taminy.
11
Naniraka olona hankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro mba hitondra hazo sedera sy mpandrafitra ary mpipai-bato. Dia nanangana trano ho an’i Davida ireo.
12
Fantatr’i Davida fa ny TOMPO no efa nampanjaka azy tamin’i Israely ary nanandratra ny fanjakany noho ny amin’i Israely vahoakany.
13
Rehefa niala tao Hebrôna ka tonga tany Jerosalema i Davida, dia mbola naka vaditsindrano sy vady hafa koa izay niterahany zanakalahy sy zanakavavy.
14
Ireto avy no anaran’izay naterany tany Jerosalema: i Samòa sy i Sôbaba, i Natàna sy i Salômôna,
15
i Jibehara sy i Elisoa, i Nefega sy i Jafia,
16
i Elisamà sy i Eliadà ary i Elifelety.
17
Nony ren’ny Filistinina fa nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida dia niakatra avokoa izy rehetra mba hambabo an’i Davida. Raha nahare izany koa i Davida, dia nidina nankao amin’ny fialofana mimanda.
18
Nony tonga ny Filistinina dia niparitaka teny amin’ny lohasahan’ny Refaîta.
19
Nanontany ny TOMPO i Davida nanao hoe: –Hiakatra hanafika ny Filistinina ve aho? Hatolotrao eo an-tanako ve izy ireo? Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Davida: –Eny, miakara fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistinina.
20
Tonga tao Bahala-Peratsima i Davida ka nandresy ny Filistinina, ary nilaza hoe: –Ny Tompo efa nahavaky ny fahavaloko teo anatrehako hipariakany toy ny rano vaky. Izany no nanaovana io toerana io hoe: «Bahala-Peratsima» na «Tompon’ny fahavakiana».
21
Ary nilaozan’ny Filistinina teo ny sampiny, ka nalain’i Davida sy ny olony.
22
Mbola niverina niakatra teo amin’ny lohasahan’ny Refaîta indray ny Filistinina ka niparitaka teo.
23
Dia nanontany ny TOMPO indray i Davida ka novaliany hoe: –Aza miakatra fa hodidino avy any aoriana izy, dia hanatona azy avy eo amin’ny tandrifin’ny foto-boaroihazo ianao.
24
Rehefa nahare hoatra fingadongadon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia mihetseha faingana; satria amin’izay ny TOMPO no hiainga eo alohanao mba handresy ny tafiky ny Filistinina.
25
Dia nanao araka ny nandidian’ny TOMPO azy i Davida ka nandresy ny Filistinina hatreo Geba ka hatrany Gezera.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24