bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 10
2 Samuel 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 11 →
1
Taorian’izany, dia maty ny mpanjakan’ny Hamônita, ka i Hanòna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
2
Ary hoy i Davida anakampony: «Hanao soa amin’i Hanòna zanakalahin’i Nahasy aho, tahaka izay nataon-drainy tamiko.» Dia naniraka minisitra i Davida mba hitsapa alahelo an’i Hanòna noho ny nahafatesan-drainy. Rehefa tonga tany amin’ny tanin’ny Hamônita ireo minisitr’i Davida,
3
dia hoy kosa ireo andrianan’ny Hamônita tamin’i Hanòna tompony: –Ataonao ve fa ho fanomezan’i Davida voninahitra an-drainao ihany no anirahany olona hitsapa alahelo anao? Moa ve tsy hizaha ny tanàna sy hitsikilo azy mba hahazoany mandrava azy no anirahan’i Davida minisitra hankatỳ aminao?
4
Dia nampisamborin’i Hanòna ireo minisitr’i Davida, ka noharatana ny ila-volombavany sady notapahina manasa-pe ny akanjony, ary noroahina nody.
5
Nisy nampandre izany tamin’i Davida; dia naniraka olona izy mba hitsena azy, satria afa-baràka loatra ireo lehilahy ireo; ka hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: «Mijanòna any Jerikao aloha mandra-panirin’ny volombavanareo; izay ianareo vao mody.»
6
Tsapan’i Hamônita fa tonga halan’i Davida izy. Koa naniraka olona ireo mba hanarama Sirianina avy any Bety-Rehôba sy avy any Tsôbà, dia miaramila an-tongotra miisa antokony roapolo; nokaramainy koa ny lehilahy antokony iray avy amin’ny mpanjakan’i Mahekà ary ny lehilahy antokony 12 avy any Tôba.
7
Nony ren’i Davida izany, dia nirahiny ho any an-toerana i Jôaba sy ny miaramila mahery fo rehetra izy.
8
Dia niainga ny Hamônita ka nilahatra hiady teo akaikin’ny vavahadin-drenivohiny, fa ny Sirianina avy any Tsôbà sy avy any Rehôba mbamin’ny miaramila avy any Tôba sy avy any Mahekà kosa naka toerana teny an-tsaha.
9
Rehefa hitan’i Jôaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny vava ady, dia nifantina izay miaramila israelita mendrika indrindra izy ka nandahatra azy teo anoloan’ny Sirianina.
10
Ny miaramila sisa kosa nankininy tamin’i Abisay rahalahiny ka nalahany teo anoloan’ny Hamônita.
11
Dia hoy i Jôaba tamin’ity rahalahiny: –Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia aoka ianao hamonjy ahy; fa raha ny Hamônita kosa no mahery noho ianao, dia izaho no ho avy hamonjy anao.
12
Mahereza ianao, ary aoka isika hahery miady ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO hanao izay heveriny ho tsara.
13
Nandroso hiady amin’ny Sirianina i Jôaba sy ny tafiny ka vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo.
14
Rehefa hitan’ny Hamônita fa nandositra ny Sirianina, dia mba nandositra teo anoloan’i Abisay koa ry zareo ka nitsofoka tao an-tanàna. Ary nitsahatra nanafika ny Hamônita i Jôaba ka niverina ho any Jerosalema.
15
Fa rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan’ny Israelita ireto Sirianina ireto, dia nivory nitambatra.
16
Naniraka olona i Hadadehezera mba hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan’ny ony Eofrata. Dia tonga tao Helama ireo; ary i Sôbàka filohan’ny tafik’i Hadadehezera no nitarika azy.
17
Nambara tamin’i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia nita an’i Jôrdàna ary tonga tany Helama. Nitandahatra teo anoloan’i Davida ny Sirianina ka nandrafitra ady taminy.
18
Vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo Sirianina, ka nahafatesan-dry i Davida olona tao an-kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsoavaly 40 000. Naratrany koa i Sôbàka filohan-tafika, ka maty teo.
19
Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan’ny Israelita ireo mpanjaka rehetra mpanoa an’i Hadadehezera, dia nandrindra fihavanana tamin’i Israelita ka nanoa azy. Ary tsy sahy namonjy ny Hamônita intsony ny Sirianina.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→