bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 11
2 Samuel 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 12 →
1
Ny taona manaraka, rehefa tonga ny fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’i Jôaba sy ny manamboninahiny ary ny tafika israelita manontolo i Davida mba handringana ny Hamônita sy hanao fahirano an’i Rabà. I Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
2
Indray takariva dia niarina avy teo am-pandriany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tafon-trano marin-tampon’ny lapam-panjakana. Avy teny no nahatazanany vehivavy iray nandro. Tsara tarehy aoka izany ravehivavy.
3
Dia naniraka olona i Davida hanadihady ny momba io vehivavy io, ka izao no voalaza: «I Bàty-Sèba, zanakavavin’i Eliama ary vadin’i Orià ilay Hetita io!»
4
Nampanalain’i Davida izy, ka tonga tao aminy, dia niraisany, ary nody tany an-tranony indray. Vao avy nanadio ny tenany noho ny fadimbolana ravehivavy tamin’izay.
5
Bevohòka anefa ravehivavy ka naniraka olona hilaza amin’i Davida hoe: –Manana anaka aho.
6
Nanafatra haingana an’i Jôaba i Davida hoe: –Alefaso atỳ amiko i Orià ilay Hetita. Dia nalefan’i Jôaba nankany amin’i Davida i Orià.
7
Rehefa tonga teo amin’i Davida izy, dia nanontanian’i Davida izay vaovao momba an’i Jôaba sy ny miaramila ary ny fizotry ny ady.
8
Dia hoy i Davida tamin’i Orià: –Mandehana mody ary makà aina kely. Nandao ny lapan’ny mpanjaka i Orià narahina fanomezana avy taminy.
9
Kanefa nandry teo am-bavahadin’ny lapam-panjakana niaraka tamin’ny mpiambina ny mpanjaka i Orià, fa tsy nandeha nody tany an-tranony.
10
Rehefa nambara tamin’i Davida fa tsy nody tany aminy akory i Orià, dia nilazany hoe: –Tsy avy lavitra ve ianao? Koa nahoana no tsy nody tany an-tranonao ianao?
11
Fa hoy i Orià tamin’i Davida: –Ny Vatamasina ary koa ny tafik’i Israely sy i Joda dia mitoetra an-day; i Jôaba filohan-tafika sy ireo manamboninahiny dia mitoby any an-tsaha, koa izaho kosa ve hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, dia mianiana aminao aho fa tsy hanao izany.
12
Ary hoy i Davida tamin’i Orià: –Mijanòna ihany àry atỳ anio. Fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nijanona tao Jerosalema hatramin’ny ampitson’iny i Orià.
13
Nanasa azy i Davida mba hihinana sy hisotro teo amin’ny latabany, ka dia nomamoiny; kanefa nony hariva ny andro, dia lasa nandry teo anilan’ireo mpiambina ny mpanjaka ihany izy fa tsy nandeha nody tany aminy.
14
Ny ampitso maraina, dia nanoratra taratasy ho an’i Jôaba i Davida, ka nampitondrainy an’i Orià izany.
15
Izao no voalazany tao amin’ilay taratasy: «Apetraho amin’ny voalohan-daharana i Orià, dia amin’izay toerana mahamafy indrindra ny ady, dia mihemora aoriany ianareo mba hamelezam-pahavalo azy ho faty.»
16
Rehefa nanara-maso ny fahiranon’ny tanàna i Jôaba, dia nametraka an’i Orià tamin’ny toerana izay fantany fa nisy ny fahavalo mahery fo.
17
Nivoaka ny tanàna voafahirano ny miaramila tao ka nanafika an’i Jôaba. Nisy tamin’ny tafik’i Davida sy ireo manamboninahiny no tavela; ary maty koa i Orià ilay Hetita.
18
Dia nandefa tatitra tany amin’i Davida momba ny fizotry ny ady i Jôaba,
19
ka nanome baiko ilay iraka hoe: –Rehefa voatantaranao an-tsipiriany amin’ny mpanjaka ny fizotry ny ady,
20
dia mety ho tezitra ny mpanjaka ka hiteny aminao hoe: «Nahoana no nanakaiky ny tanàna ianareo raha niady? Tsy fantatrareo ve fa hisy hitifitra anareo avy eny amin’ny manda?
21
Fa iza no namely an’i Abimelèka zanakalahin’i Jerobahala, tao Tebetsy? Moa tsy vehivavy anankiray no nanjera vato fikoseham-bary taminy avy teny ambony manda ka nahafaty azy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo?» Raha izany no tenin’ny mpanjaka, dia valio hoe: «Maty koa i Orià, ilay Hetita manamboninahitra».
22
Dia lasa ilay iraka, ka tonga nanambara tamin’i Davida ny tatitra nampitondrain’i Jôaba azy
23
ary niteny taminy hoe: –Nahery noho izahay ireo fahavalo sady nivoaka ny tanàna hiady taminay teny an-tanety; kanefa dia voatosikay hatreo am-bavahady ihany izy.
24
Saingy nisy namely anay ny mpitifitra zana-tsipîka avy teny amin’ny manda; ka izay no nahafaty ny manamboninahitrao sasany, ary anisan’ireo i Orià ilay Hetita.
25
Dia hoy i Davida tamin’ilay iraka: –Lazao amin’i Jôaba hoe: «Aza malahelo amin’izany ianao, fa na ny an-kilany na ny an-daniny dia mety misy maty an’ady. Hamafiso hatrany ny fanafihanao ny tanàna ka ravao izy.» Izany no hampaherezanao an’i Jôaba.
26
Rehefa fantatry ny vadin’i Orià fa maty ny vadiny, dia nitomany azy izy.
27
Nony afa-tsaona izy, dia nampiantsoin’i Davida hankany aminy, ka nalainy ho vady ary niteraka zazalahy taminy.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
2 Samuel Commentaries
→
Devotional
2 Samuel Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→