bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 3
2 Samuel 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
1
Naharitra ela ny adin’ny mpomba an’i Saoly sy ny mpomba an’i Davida. Nihanahery hatrany anefa i Davida fa tsy nitsaha-nikorosy kosa ny taranak’i Saoly.
2
Zanakalahy maro no naterak’i Davida tao Hebrôna. Ny voalohany tamin’izany dia i Amnôna zanany tamin’i Ahinôhama avy any Jizrehela;
3
ny faharoa dia i Kilàba tamin’i Abigaîla vadin’i Nabala avy any Karmela; ny fahatelo dia i Absalôma zanakalahin’i Mahekà zanakavavin’i Talmay, mpanjakan’i Gesora;
4
ny fahefatra dia i Adônià zanakalahin’i Hagita; ny fahadimy dia i Sefatià zanakalahin’i Abitala;
5
ary ny fahenina dia i Jitrehama zanany tamin’i Heglà izay vadin’i Davida koa. Ireo avy no zanakalahy naterak’i Davida tao Hebrôna.
6
Raha mbola niady hatrany ireo mpomba an’i Saoly sy ireo mpomba an’i Davida, dia nanamafy ny heriny i Abinera teo amin’ny mpomba an’i Saoly.
7
Ary i Saoly nanana vaditsindrano natao hoe Ritsepà zanakavavin’i Aià. Ka hoy i Isbôseta tamin’i Abinera: –Nahoana ianao no nandry tamin’ny vaditsindranon-draiko?
8
Tezitra mafy i Abinera noho izany tenin’i Isbôseta izany ka nilaza hoe: –Alikalahy miandany amin’i Joda angaha aho? Mandraka ankehitriny dia naneho fitiavana ny fianakavian’i Saoly rainao sy ny rahalahiny ary ny sakaizany aho, ka tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida, nefa ianao indray izao no manameloka ahy noho ny hadisoako tamin’iny vehivavy iny?
9
Hosazin’Andriamanitra mafy tokoa anie izaho Abinera, raha tsy hataoko amin’i Davida izay nianianan’ny TOMPO taminy,
10
dia ny hanaisotra ny fanjakana amin’ny fianakavian’i Saoly ka hampitoetra ny sezafiandrianan’i Davida amin’i Israely sy amin’i Joda hatrany Dana ka hatratỳ Beriseba.
11
Tsy hitan’i Isbôsèta intsony izay havaly an’i Abinera noho ny fahatahorany azy.
12
Naniraka olona amin’ny anarany nankany amin’i Davida i Abinera hanontany azy izay tompon’ny tany ka nanao hoe: «Manaova fanekena amiko fa hanampy anao aho hahatonga an’i Israely manontolo hiara-dia aminao.»
13
Dia hoy i Davida namaly azy: «Eny àry fa hanao fanekena aminao aho, saingy izao kosa no mba hangatahiko aminao: Aza miseho amiko raha tsy entinao atỳ i Mikàla zanakavavin’i Saoly.»
14
Dia naniraka olona nankany amin’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly i Davida hanao aminy hoe: «Omeo ahy i Mikàla vadiko izay efa azoko ho takalon’ireo tsitsy zaton’ny Filistinina.»
15
Ary i Isbôsèta nampaka an’i Mikàla tany amin’i Paltiela vadiny sady zanakavavin’i Laîsy.
16
Nanaraka azy hatrany Bahorima i Paltiela sady nitomany. Kanefa hoy i Abinera taminy: «Mandehana mody amin’izay!»; ary dia niverina izy.
17
Avy eo nifampidinihan’i Abinera ny loholon ’i Israely ka nilazany hoe: –Ela izay nanirianareo an’i Davida ho mpanjakanareo izay.
18
Koa tanteraho izany ankehitriny, satria ny TOMPO efa nilaza tamin’i Davida hoe: «Amin’ny alalan’i Davida mpanompoko no hanafahako ny Israely vahoakako amin’ny herin’ny Filistinina sy ny fahavalony rehetra.»
19
Niresaka izany tamin’ny Benjaminita koa i Abinera; ary avy eo nankany Hebrôna izy mba hilaza amin’i Davida ny faneken’ny Benjaminita sy ny Israelita hafa.
20
Dia tonga tany amin’i Davida tao Hebrôna i Abinera niaraka tamin’ny lehilahy roapolo, ka nanaovan’i Davida fanasana.
21
Ary hoy i Abinera tamin’i Davida: –Handeha aho, tompoko, ka hamory ny Israelita rehetra ho eo aminao. Hanao fanekena aminao izy ireo ary dia hanjaka hatraiza hatraiza araka izay sitrakao ianao. Navelan’i Davida handeha i Abinera, ka lasa soa aman-tsara.
22
Taorian’izay dia tonga avy nandranto ady ny mpanompon’i Davida sy i Jôaba, ka nitondra babo maro. Tsy tao amin’i Davida tao Hebrôna intsony i Abinera fa efa navelany handeha soa aman-tsara.
23
Raha vantany vao tonga teo i Jôaba sy ny tariny rehetra, dia nisy nampandre an’i Jôaba hoe: «Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abinera zanakalahin’i Nera ka navelany handeha soa aman-tsara.»
24
Ary nankao amin’ny mpanjaka i Jôaba ka nanao taminy hoe: –Fa inona izany nataonao izany? Tonga teo aminao i Abinera, ka nahoana no navelanao handeha fotsiny?
25
Fantatrao tsara anefa i Abinera zanakalahin’i Nera, fa ny hamitaka anao sy hitsikilo izay alehanao ary hahalala izay ataonao rehetra no nahatongavany!
26
Dia nivoaka avy tao amin’i Davida i Jôaba ary naniraka olona hanaraka an’i Abinera. Avy teo amin’ny lavaka famorian-drano atao hoe Sirà no nitondran’ireo azy niverina; nefa tsy fantatr’i Davida velively izany.
27
Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.
28
Rehefa ren’i Davida izany tatỳ aoriana, dia hoy izy hoe: –Afa-tsiny mandrakizay eo anatrehan’ny TOMPO izaho sy ny fanjakako ny amin’ny nahafatesan’i Abinera zanakalahin’i Nera.
29
Hivaly eo an-dohan’i Jôaba sy ny fianakaviany manontolo anie izany, ary tsy ho foana ao amin’ny taranak’i Jôaba koa anie ny olona marary mitsika na marary hoditra sy ny lehilahy kilemaina manao asam-behivavy, ary ny lehilahy matin-tsabatra na tsy ampy sakafo!
30
Toy izany no namonoan’i Jôaba sy i Abisay rahalahiny an’i Abinera ho faty noho ny namonoany an’i Asahela rahalahiny tamin’ny ady tao Gibehôna.
31
Ary hoy i Davida tamin’i Jôaba sy ny olona rehetra niaraka taminy: – Triatriaro ny akanjonareo, ka mitafia gony ary aoka hanao fisaonana an’i Abinera ianareo. Nanaraka taorian’ny tranovorona i Davida mpanjaka.
32
Dia nalevina tao Hebrôna i Abinera. Nigogogogo nitomany teo amin’ny fasan’i Abinera ny mpanjaka; ary nitomany toy izany koa ny vahoaka.
33
Nanao izao hira fisaonana an’i Abinera izao ny mpanjaka: Nahoana no tahaka ny fahafatesan’ny adala no nahafatesanao, ry Abinera?
34
Tsy nifatotra tongotra aman-tanana ianao, nefa maty toy ny olona matin’ny jiolahy. Dia mbola nitomany azy indray ny vahoaka rehetra teo.
35
Raha mbola antoandro ny andro dia nanatona avokoa ireo mba hampihinan-kanina an’i Davida, nefa izy kosa nianiana hoe: –Hataon’Andriamanitra amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha manendry hanina na zavatra hafa aho mandra-pilentiky ny masoandro.
36
Ary azon’ny vahoaka rehetra ny hevitr’izany ka nankasitrahiny; sady izay rehetra nataon’ny mpanjaka moa dia nankasitrahin’ny vahoaka.
37
Koa fantatry ny vahoakan’i Joda manontolo sy ny Israelita rehetra tamin’io andro io fa tsy baiko avy amin’ny mpanjaka mihitsy no nahafaty an’i Abinera zanakalahin’i Nera.
38
Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ireo mpanompony: –Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza teo amin’i Israely no maty androany?
39
Fa izaho, na dia mpanjaka efa voahosotra aza, dia mahatsiaro ny tenako ho mbola malemy ankehitriny; ary ireo zanakalahin’i Tseroià ireo dia mahery setra loatra miohatra amiko. Ny TOMPO anie hanafay azy araka ny ratsy nataony.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24