bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Samuel 4
2 Samuel 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
1
Rehefa ren’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrôna i Abinera, dia niraviravy tanana izy, ary ketraka ny Israelita rehetra.
2
Ity zanakalahin’i Saoly ity dia nanana lehiben’andia-miaramila; ka ny roalahy tamin’ireo lehibe ireo, dia i Bahanà sy i Rekaba samy zanakalahin’i Rimôna avy any Beerôta sady Benjaminita; satria natao ho isan’i Benjamîna koa i Beerôta,
3
hatramin’ny nandosiran’ny mponiny nankany Gitaîma izay mbola onenan’ny taranany mandraka androany.
4
I Jônatàna zanakalahin’i Saoly koa dia nanan-janakalahy izay nalemy ny tongony roa. Dimy taona izy raha tonga tany Jizrehela ny vaovao momba ny nahafatesan’i Saoly sy i Jônatàna. Nentin’ny mpitaiza azy nitsoaka izy; kanjo noho ny fahamaikana dia nianjera teny am-pandosirana ilay zaza, ka tonga nalemy ny tongony. Mefibôseta no anarany.
5
Nankany an-tranon’i Isbôsèta i Rekaba sy i Bahanà zanakalahin’i Rimôna avy any Beerôta, ary tonga tany tokony ho tamin’ny mitataovovonana, dia ilay mafana be iny indrindra. Teo am-pialan-tsasatra i Isbôsèta tamin’izay.
6
Dia niditra tao an-trano toy ny mpaka vary i Rekaba sy i Bahanà rahalahiny; koa rehefa hitany i Isbôsèta fa nandry teo am-parafara tao an’efitra fatoriany, dia notrobarany ny kibony. Rehefa matin’izy roalahy izy, dia notapahiny ny lohany ary nentiny nandositra; ka nandritra ny alina no nandehanany namaky ny lemak’i Arabà.
8
Nahatonga ny lohan’i Isbôsèta teo amin’i Davida tao Hebrôna izy mirahalahy ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: –Indro tompoko ny lohan’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly fahavalonao izay nitady hahafaty anao. Fa ny TOMPO androany no namaly faty anao ny amin’ny nataon’i Saoly sy ny taranany.
9
Fa hoy i Davida namaly an’i Rekaba sy i Bahanà mirahalahy, samy zanak’i Rimôna avy any Beerôta: –Velona ny TOMPO Izay nanafaka ahy tamin’ny loza rehetra,
10
ka izao no hizingiziniko: Ilay nanambara tamiko ny nahafatesan’i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra vaovao mahafaly, dia efa nosamboriko ary novonoiko ho faty tao Tsiklaga. Izany no nasetriko azy tamin’ny vaovao mahafaly nentiny.
11
Koa mainka fa misy olon-dratsy namono nahafaty lehilahy tsy nanan-tsiny tao an-tranony sady teo am-parafarany. Tsy maintsy sazîko ianareo izao noho ny namonoanareo an’i Isbôsèta ho faty; ka hofongorako tsy ho amin’ity tany ity intsony ianareo.
12
Ary nomen’i Davida baiko ireo zatovony ka namono nahafaty an’i Rekaba sy i Bahanà. Avy eo dia notapahiny ny tanany sy ny tongony, ary nahantony teo akaikin’ny dobo tao Hebrôna. Fa ny lohan’i Isbôsèta kosa dia nentina ka nalevina tao amin’ny fasan’i Abinera tao Hebrôna.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24