bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 1
Leviticus 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 2 →
1
NY TOMPO niantso an’i Mosesy ka niteny taminy avy tao amin’ny tranolay fihaonana hoe:
2
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy aminareo manolotra biby fiompy ho fanatitra ho an’NY TOMPO dia omby na ondry na osy no hatolotrareo.
3
Raha omby no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hoentiny; eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana no hanaterany azy mba hankasitrahana azy eo anatrehan’NY TOMPO.
4
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
5
Dia hamono ny omby eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hanatitra ny ra ka hamafy azy manodidina ny alitara izay eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana.
6
Hendahiny ny hoditry ny fanatitra dorana manontolo ka horasainy tsara.
7
Ary ireo zanak’i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ny afo.
8
Ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia handahatra izay voarasa mbamin’ny lohany sy ny jaborany eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izay eo ambonin’ny alitara;
9
nefa ny taovany sy ny tongony kosa dia hosasany amin’ny rano. Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ireo rehetra ireo; fanatitra dorana manontolo izany, fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
10
Raha ondry na osy no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hatolony.
11
Hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy, ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hamafy ny ra manodidina ny alitara.
12
Horasainy tsara ilay fanatitra mbamin’ny lohany sy ny jaborany ka halahatry ny mpisorona eo ambonin’ny kitay izay eo amin’ny afo eo ambonin’ny alitara;
13
nefa ny taovany sy ny tongony kosa dia hosasany amin’ny rano. Hoentin’ny mpisorona ireo rehetra ireo ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara. Ho fanatitra dorana manontolo izany, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
14
Raha vorona no atolony ho an’NY TOMPO ho fanatitra dorana manontolo dia domohina na voromailala no hatolony ho fanatitra.
15
Haterin’ny mpisorona ho eo amin’ny alitara izany, dia hotapahiny ny lohany ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara sady hofiazany eo amin’ny rindrin’ny alitara ny rany.
16
Hesoriny ny takorobabony sy ny volony dia hariany eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny fitoeran-davenona.
17
Hosamahiny ny elany nefa tsy hotapahiny hiala amin’ny vatany; ary ny mpisorona dia handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara, ambonin’ny kitay eo amin’ny afo; fanatitra dorana manontolo izany, fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27