bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 24
Leviticus 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 25 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Omeo baiko ny Zanak’Israely mba hitondra diloilon’oliva voatoto tsy miharo ho eo aminao, hatao fanazavana mba hampirehetana tsy an-kiato ny jiro.
3
Eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana no hametrahan’i Arona azy mba hirehitra mandrakariva, ny hariva ka hatramin’ny maraina, eo anatrehan’NY TOMPO; ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany.
4
Eo amin’ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo no hametrahany ny jiro mba hirehitra mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO.
5
Makà koba tsara toto ka endaso ho mofo roa amby folo; roa ampahafolon’ny efaha no hatao mofo iray.
6
Apetraho eo ambonin’ny latabatra madio eo anatrehan’NY TOMPO ireo ka ataovy laharana roa, enina avy isan-daharana.
7
Asio ditin-kazo manitra madio ny toerana tsirairay, koa aoka ho eo amin’ny mofo izany mba ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
8
Isaky ny Sabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO; avy amin’ny Zanak’Israely izany, dia fanekena maharitra.
9
Ho an’i Arona sy ireo zanany ireo mofo ireo ka hohaniny eo amin’izay fitoerana masina; zavatra tena masina ho an’ny mpisorona ireo, avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo; lalàna maharitra izany.
10
Nisy lehilahy iray nankeo amin’ny Zanak’Israely, Israelita ny reniny ary Ejiptiana ny rainy; niady tamin’ny lehilahy israelita iray teo an-toby io zanaky ny vehivavy israelita io.
11
Niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ilay zanaky ny vehivavy israelita ka nanozona; dia noentina tany amin’i Mosesy izy; Selomita no anaran’ny reniny, zanakavavin’i Dibry avy tamin’ny fokon’i Dana izy;
12
dia nambenana izy, mandra-pahafantatra izay ho didin’NY TOMPO.
13
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
14
Avoahy ho eny ivelan’ny toby ilay nanozona ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tanany amin’ny lohany ary aoka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra.
15
Ary mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’Andriamaniny dia ho meloka.
16
Izay miteny ratsy ny anaran’NY TOMPO dia hovonoina ho faty; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana manontolo; na vahiny na tompon-tany, izay miteny ratsy ny anarana, dia hovonoina.
17
Izay mahafaty olona dia hovonoina ho faty.
18
Fa izay mahafaty biby fiompy kosa dia hanonitra azy: Biby solon’ny biby.
19
Raha misy olona mampanan-kilema ny namany dia toy izay nataony no hatao aminy koa:
20
Tapaka solon’ny tapaka, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin’ny olona no hatao aminy koa.
21
Izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hovonoina ho faty.
22
Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
23
Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy dia navoakany teny ivelan’ny toby ilay niteny ratsy ka notoraham-bato. Dia nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27