bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 5
Leviticus 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 6 →
1
Raha misy manota, satria mandre teny fanozonana ka vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara dia meloka noho izany izy.
2
Raha misy mahakasika zavatra tsy madio, na fatin’ny biby tsy madio, na fatin’ny biby fiompy tsy madio, na fatin’ny biby mandady na mikisaka tsy madio, na tsy hitany aza izany, dia maloto sy meloka noho izany izy.
3
Raha misy mahakasika ny fahalotoan’olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, na tsy hitany aza izany, rehefa fantany fotsiny, dia meloka izy.
4
Raha misy mianiana ka miteniteny foana amin’ny molotra, hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin’ny olona foana ka asiany fianianana, nefa hadinony izany, dia meloka amin’ny iray amin’ireo izy rehefa tsaroany izany.
5
Koa amin’izany, raha meloka amin’ny iray amin’ireo izy, dia hiaiky ny fahotana vitany
6
ka hitondra ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO noho ny fahotany, dia ondrivavy na osivavy, ho fanatitra fanadiovana; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotany.
7
Ary raha tsy takatry ny ananany izany dia hitondra domohina roa na voromailala roa ho an’NY TOMPO izy ho fanati-panonerany noho ny nanotany, koa ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray kosa dia hatao fanatitra dorana manontolo.
8
Dia hitondra ireo ho eo amin’ny mpisorona izy ary ny mpisorona kosa dia hanatitra ny iray aloha, ho fanatitra fanadiovana, ka hotapahiny ny lohany nefa tsy hosarahiny amin’ny vatany.
9
Hamafazany eo amin’ny rindrin’ny alitara ny ran’ny fanatitra fanadiovana; ny ra sisa dia hofiazany eo an-tongotry ny alitara. Fanatitra fanadiovana izany.
10
Hataony fanatitra dorana manontolo kosa ny iray, araka ny fanao, ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotana izay vitany dia havela ny helony.
11
Fa raha mbola tsy takatry ny ananany ihany koa ny domohina roa na ny voromailala roa dia hitondra ny fanatitra noho ny fahotany izy, koba tsara toto ampahafolon’ny efaha ho fanatitra fanadiovana; tsy hasiany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo manitra satria fanatitra fanadiovana.
12
Dia hoentiny eo amin’ny mpisorona io ka handraofan’ny mpisorona eran’ny tanana ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ary hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Fanatitra fanadiovana izany.
13
Ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotana izay nataony tamin’ny iray amin’ireo dia havela ny helony. Toy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ho an’ny mpisorona ny sisa.
14
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy:
15
Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ireo zava-masin’NY TOMPO dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekela volafotsy no anombananao azy, araka ny sekela masina, ho fanati-panonerana.
16
Honerany izay nanotany ny amin’ny zava-masina, ary hampiany ampahadiminy ka hatolony ny mpisorona. Ary hanao fanavotana ho azy amin’ny ondrilahy atao fanati-panonerana ny mpisorona dia havela ny helony.
17
Raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny iray amin’ny didin’NY TOMPO, nefa tsy fantany izany, dia meloka izy, ary mitondra ny helony.
18
Hitondra ondrilahy iray tsy misy kilema ho eo amin’ny mpisorona izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana. Dia hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony.
19
Fanati-panonerana izany satria efa meloka tamin’NY TOMPO tokoa izy.
20
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
21
Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’NY TOMPO fa mandainga amin’ny namany ny amin’izay zavatra nampitahirizina azy, na amin’ny zavatra notanany ho antoka, na amin’izay nalainy an-keriny, na nampahory ny namany,
22
na nahita izay zavatra very ka mandainga sady manao fianianana mandainga ny amin’izay fahotana mety mahavoa ny olona
23
satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny izy, na izay tamin’ny fampahoriana, na izay nampitahirizina azy, na izay zavatra very hitany,
24
na izay rehetra nanaovany fianianana mandainga. Hanonitra manontolo izany izy sady hanampy koa ny ampahadiminy, ary homeny ilay tompon-javatra amin’ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.
25
Ny fanati-panonerana hoentiny ho an’NY TOMPO dia ondrilahy iray tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ny mpisorona.
26
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO dia havela ny helony na inona na inona fahadisoana vitany.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27