bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 10
Leviticus 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 11 →
1
Ary i Nadaba sy i Abiho, zanak’i Arona, dia samy naka ny fitondrana afony avy ary nanisy afo tao anatiny sy ditin-kazo manitra teo amboniny, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO, izay tsy nandidiany azy.
2
Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’NY TOMPO ka nahafaty azy roa lahy; maty teo anatrehan’NY TOMPO izy ireo.
3
Hoy i Mosesy tamin’i Arona: Izany ilay nolazain’NY TOMPO hoe: Amin’izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina ary eo anatrehan’ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina i Arona.
4
Ary i Mosesy dia niantso an’i Misaela sy i Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka niteny taminy hoe: Manatòna ka ento hiala teo anoloan’ny fitoerana masina ny rahalahinareo ho eny ivelan’ny toby.
5
Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan’ny toby, araka izay nolazain’i Mosesy.
6
Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy i Eleazara ary Itamara, zanany lahy: Aza asaritaka ny volonareo na rovitina ny akanjonareo fandrao ho faty koa ianareo sady hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonana manontolo; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak’Israely rehetra, no hitomany noho ny afo izay narehitry NY TOMPO.
7
Aza miala eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana fandrao maty ianareo satria eo aminareo ny diloilo fanosoran’NY TOMPO. Dia nanatanteraka ny tenin’i Mosesy izy ireo.
8
NY TOMPO niteny tamin’i Arona hoe:
9
Aza misotro divay na toaka ianao na ny zanakao, raha miditra ao amin’ny tranolay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo. Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany,
10
mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio,
11
ary mba hampianaranareo ny Zanak’Israely ny didy rehetra izay nasain’NY TOMPO holazain’i Mosesy taminy.
12
Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy i Eleazara ary Itamara zanany lahy sisa tavela: Raiso ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay sisa amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ka hano eo anilan’ny alitara izany nefa aza asiana masirasira satria zavatra tena masina izy io.
13
Hohaninareo eo amin’izay fitoerana masina izany fa anjaranao sy ny zanakao avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Izany no nandidiany ahy.
14
Ny tratrany natao fanatitra asandratra sy ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra koa dia hohaninareo eo amin’izay toerana madio, dia ianao mbamin’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ny fanati-pihavanana aterin’ny Zanak’Israely izany.
15
Ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra sy ny tratrany natao fanatitra asandratra mbamin’ny jaborany izay fanatitra levonina amin’ny afo dia hoentiny mba hatao fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo maharitra, araka izay nandidian’NY TOMPO.
16
Dia nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra fanadiovana i Mosesy, kanjo efa voadoro izany ka tezitra tamin’ny zanak’i Arona sisa tavela izy, dia tamin’i Eleazara sy Itamara ka hoy izy:
17
Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ny fitoerana masina ny fanatitra fanadiovana? Fa zavatra tena masina izany ary efa nomeny anareo mba hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO.
18
Indro, tsy nampidirina tao anatin’ny fitoerana masina ny rany, nefa tokony ho nohaninareo teo amin’ny fitoerana masina mihitsy izany, araka izay nandidiako.
19
Ary hoy i Arona tamin’i Mosesy: Indro, androany no nanoloran’ny olona ny fanatitra fanadiovana azy sy ny fanatitra dorana manontolo avy taminy teo anatrehan’NY TOMPO; koa amin’izao zavatra manjo ahy izao, raha toa ka nihinana ny fanatitra fanadiovana aho androany, moa ho tsara teo imason’NY TOMPO va izany?
20
Rehefa ren’i Mosesy izany dia nankasitrahany.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27