bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 6
Leviticus 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 7 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Mandidia an’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna momba ny fanatitra dorana manontolo: Ny fanatitra dorana manontolo dia hatao eo amin’ny fatana eo an-tampon’ny alitara mandritra ny alina mandra-maraina ary ny afon’ny alitara dia hirehitra eo.
3
Ary hanaovan’ny mpisorona ny akanjony vita amin’ny lamba rongony, ary ny kalisaonina vita amin’ny lamba rongony dia hataony manolo-koditra; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny fanatitra dorana manontolo izay nolevonin’ny afo teo ambonin’ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ny alitara.
4
Dia hanala ny fitafiany izy ary hitafy fitafiana hafa ka hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby amin’izay toerana madio.
5
Ary ny afo eo ambonin’ny alitara dia hirehitra ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; halahany eo amboniny ny fanatitra dorana manontolo ka hodorany ho fofona eo amboniny ny jaboran’ny fanati-pihavanana.
6
Hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin’ny alitara fa tsy havela ho faty.
7
Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry: Ireo zanak’i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’NY TOMPO eo anoloan’ny alitara.
8
Hakany eran’ny tanana ila ny koba tsara toto amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra rehetra miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, dia hodorany hanetroka eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
9
Izay sisa amin’izany dia hohanin’i Arona sy ireo zanany; hataony tsy misy masirasira izany ary eo amin’ny fitoerana masina iray ao anatin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana no hihinanany azy.
10
Tsy hasiana masirasira izany rehefa hendasina fa efa nomeko ho anjarany avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho Ahy. Zavatra tena masina izany, tahaka ny fanatitra fanadiovana sy tahaka ny fanati-panonerana.
11
Ny lehilahy rehetra amin’ny zanak’i Arona no mahazo mihinana azy io. Ho anjara maharitra ho an’ny taranakareo fara aman-dimby avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany, ary ho masina izay rehetra mikasika azy.
12
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
13
Izao no fanatitr’i Arona sy ireo zanany, hateriny ho an’NY TOMPO amin’izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ny efaha no hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry isanandro ka ny antsasany amin’ny maraina ary ny antsasany amin’ny hariva.
14
Amin’ny lapoaly no hanaovana azy ka asiana diloilo; rehefa mifangaro tsara izy dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
15
Ilay mpisorona avy amin’ireo zanany izay voahosotra handimby azy no hanatanteraka izany. Lalàna maharitra izany ka hodorana ho fofona avokoa ho an’NY TOMPO.
16
Eny, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra izay aterin’ny mpisorona dia hodorana avokoa fa tsy hohanina.
17
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
18
Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra fanadiovana: Eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana manontolo no hamonoana eo anatrehan’NY TOMPO ny fanatitra fanadiovana. Zavatra tena masina izany.
19
Ilay mpisorona manao ny fanatitra fanadiovana no hihinana azy; eo amin’izay fitoerana masina no hihinanany azy, eo amin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana.
20
Ho masina izay rehetra mikasika ny henany, ary raha misy fitafiana ipitihan’ny rany dia hosasanao eo amin’izay fitoerana masina ny faritra nipitihany.
21
Ny vilany tany izay nahandroana azy dia hovakivakina; nefa raha vilany varahina kosa no nahandroana azy dia hofotsina sy hosasana amin’ny rano izany.
22
Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no mahazo mihinana azy. Zavatra tena masina izany.
23
Koa ny fanatitra fanadiovana izay hakana ra hoentina ao amin’ny tranolay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ny fitoerana masina, dia tsy hohanina fa hodorana amin’ny afo.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27