bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 27
Leviticus 27
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona hanefa voady dia hotombanana araka ny olona ho an’NY TOMPO izany.
3
Ny hataonao tomban’ny lehilahy roapolo taona ka hatramin’ny enimpolo taona dia sekela volafotsy dimampolo araka ny sekelan’ny fitoerana masina;
4
raha vehivavy dia sekela telopolo kosa no hataonao tombany.
5
Raha lehilahy dimy taona ka hatramin’ny roapolo taona izy dia sekela roapolo no hataonao tombany, fa raha vehivavy kosa dia sekela folo.
6
Raha zazalahy iray volana ka hatramin’ny dimy taona dia sekela volafotsy dimy no hataonao tombany; ary sekela volafotsy telo kosa no hataonao tomban’ny zazavavy.
7
Raha hatramin’ny enimpolo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy dia sekela dimy amby folo no hataonao tombany ary raha vehivavy kosa dia sekela folo.
8
Raha mahantra kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona izy ary ny mpisorona dia hanombana azy. Araka izay takatry ny ananan’ilay nivoady no hanombanan’ny mpisorona azy.
9
Raha biby fiompy fanao fanatitra ho an’NY TOMPO dia ho masina ho an’NY TOMPO izay rehetra omena amin’izany.
10
Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon’ny ratsy na ny ratsy ho solon’ny tsara. Raha biby no atakalony biby dia samy ho masina izy sy ny takalony.
11
Raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an’NY TOMPO kosa izany dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona
12
ary ny mpisorona no hanombana azy, na tsara na ratsy; koa araka izay hataon’ny mpisorona tombany no izy.
13
Fa raha ta hanavotra azy ny tompony dia hampiany ny ampahadiminy izay nataony tombany.
14
Raha misy olona manamasina ny tranony ho an’NY TOMPO dia hotombanan’ny mpisorona ny trano, na tsara na ratsy; koa araka izay hataon’ny mpisorona tombany no izy.
15
Raha tian’ny tompony havotana ny tranony izay nohamasininy dia hampiany ny ampahadiminy ny vola nataonao tombany ka ho azy ny trano.
16
Raha misy olona manamasina ny sasany amin’ny zarataniny ho an’NY TOMPO dia hotombanana araka ny voan-javatra famafy eo izany; ny voam-barimbazaha iray homera dia hotombanana sekela volafotsy dimampolo.
17
Raha misy manamasina ny taniny, raha vao afaka ny Jobily, dia araka izay hatao tombany no izy.
18
Fa raha misy manamasina ny taniny aorianany dia holazain’ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovana ny tombany.
19
Raha tian’ilay nanamasina azy havotana ny tany dia hampiany ny ampahadiminy ny vola nataony tombany ka hijanona ho azy ny taniny.
20
Fa raha tsy hanavotra ny tany izy fa hivarotra azy amin’olon-kafa dia tsy ho azo avotana intsony izany.
21
Koa amin’ny Jobily, rehefa afaka tamin’ilay nivarotana azy ny tany, dia ho masina ho an’NY TOMPO tahaka ny saha natao zavatra voaozona izany: Ny mpisorona no ho tompony.
22
Raha misy manamasina ny tany novidiny, izay tsy ao amin’ny zarataniny, ho an’NY TOMPO,
23
dia hokajin’ny mpisorona aminy izay tokony ho tombany hatramin’ny taon-Jobily, ary handoa izay tombany amin’io andro io ihany izy; zava-masina ho an’NY TOMPO izany.
24
Amin’ny taon-Jobily no hodian’ny tany amin’izay nividianana azy, dia ho an’izay tompon-dova.
25
Ary ny tombany rehetra izay hatao dia ho araka ny sekelan’ny fitoerana masina: Ho gera roapolo ny sekela iray.
26
Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’NY TOMPO, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby na ondry na osy, fa efa an’NY TOMPO io.
27
Fa raha biby maloto kosa dia havotany araka izay hatao tombany ary hampiany ny ampahadiminy; fa raha tsy havotana izy dia hamidy araka izay nanaovana ny tombany.
28
Kanefa ny zavatra rehetra izay ataon’ny olona ho zavatra voatokana ho an’NY TOMPO amin’izay ananany, na olona na biby fiompy na tany izay ao amin’ny fananany dia tsy hamidy na havotana satria tena zavatra masina ho an’NY TOMPO ny zavatra rehetra izay voatokana ho AZY.
29
Ny olona rehetra izay atao ho zavatra voaozona dia tsy azo avotana fa hovonoina ho faty.
30
Ny ampahafolon’ny vokatra rehetra ao amin’ny tany, na avy amin’ny tanimbary na avy amin’ny saha, dia an’NY TOMPO; masina ho an’NY TOMPO izany.
31
Raha misy tian’ny tompony havotana ny ampahafolon’ny vokatra dia hampiany ny ampahadiminy.
32
Ary ny amin’ny ampahafolon’ny omby, na ny ondry na ny osy, ny ampahafolon’izay rehetra mandalo eo ambanin’ny tehin’ny mpiandry dia ho masina ho an’NY TOMPO.
33
Tsy hojerena na tsara na ratsy izany ary tsy hatakalo; fa raha misy biby atakalo dia samy ho masina avokoa na ilay atakalo na ny takalony ka tsy misy azo avotana.
34
Ireo no didy izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Zanak’Israely teo an-tendrombohitra Sinay.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27