bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 9
Leviticus 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 10 →
1
Tamin’ny andro fahavalo dia nampiantso an’i Arona sy ireo zanany ary ny loholon’ny Israely i Mosesy.
2
Dia hoy izy tamin’i Arona: Makà ombilahy kely hatao fanatitra fanadiovana sy ondrilahy ho fanatitra dorana manontolo, izay samy tsy misy kilema ka atero eo anatrehan’NY TOMPO.
3
Ary ilazao ny Zanak’Israely hoe: Makà osilahy hatao fanatitra fanadiovana, ombilahy kely sy zanak’ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana manontolo,
4
omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan’NY TOMPO, ary fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaharo diloilo; fa anio no hisehoan’NY TOMPO aminareo.
5
Dia nitondra izay nandidian’i Mosesy azy ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana izy; ary nanatona ny fiangonana manontolo ka nijanona teo anatrehan’NY TOMPO.
6
Ary hoy i Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian’NY TOMPO, koa tanteraho izany, dia hiseho aminareo ny voninahitry NY TOMPO.
7
Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: Manatòna ny alitara ka atolory ny fanatitra fanadiovana avy aminao sy ny fanatitra dorana manontolo dia manaova fanavotana ho an’ny tenanao sy ho an’ny olona; atolory ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’NY TOMPO.
8
Dia nanatona ny alitara i Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra fanadiovana izay an’ny tenany.
9
Ary noentin’ireo zanak’i Arona ho eo aminy ny ra dia natsobok’i Arona tamin’ny ra ny fanondrony ka nahosony tamin’ireo tandroky ny alitara; ny ra sisa kosa dia naidiny teo am-pototry ny alitara.
10
Ny jaborany sy ny voany roa ary ny ila atiny lehibe avy tamin’ny fanatitra fanadiovana dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy;
11
nodorany tamin’ny afo teny ivelan’ny toby kosa ny hena sy ny hoditra.
12
Namono ny fanatitra dorana manontolo i Arona ary natolotry ny zanany azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara.
13
Ny fanatitra dorana manontolo voatetika, mbamin’ny lohany, dia natolotr’ireo azy ka nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara.
14
Dia nosasany ny taovany sy ny tongony ka nodorany ho fofona niaraka tamin’ny fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ny alitara.
15
Noentiny nanatona avy eo ny fanatitry ny olona; nalainy ny osilahy hatao fanatitra fanadiovana ny olona dia novonoiny ary natolony ho fanatitra fanadiovana, tahaka ilay teo aloha.
16
Taorianan’izany dia nanolotra ny fanatitra dorana manontolo izy ka nataony araka ny fanao izany.
17
Noentiny nanatona koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ka nakany eran’ny tanana ila dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo amin’ny maraina.
18
Novonoiny koa ny omby sy ny ondrilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ny olona; ireo zanak’i Arona dia nanolotra azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara izany.
19
Natolony azy koa ny jaboran’ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin’ny jabora mandrakotra ny taovany ary ny voany roa sy ny ila atiny lehibe.
20
Dia napetrany teo ambonin’ny tratran’ireo ny jaborany ary nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara;
21
fa ny tratrany sy ny feny havanana kosa dia nataon’i Arona fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO, araka izay nandidian’i Mosesy azy.
22
Ary nanandratra ny tanany manandrify ny olona i Arona ka nitsodrano azy; dia nidina izy rehefa avy nanolotra ny fanatitra fanadiovana sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanati-pihavanana.
23
Dia niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy i Arona, koa rehefa avy tao izy roa lahy dia nitsodrano ny olona. Ary ny voninahitry NY TOMPO niseho tamin’ny olona rehetra.
24
Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’NY TOMPO ka nandevona ny fanatitra dorana manontolo sy ny jaborany teo ambonin’ny alitara. Nony hitan’ny olona rehetra izany dia nihoby izy ireo sady niankohoka.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27