bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 8
Leviticus 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 9 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Ento i Arona sy ireo zanany, ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana miaraka amin’ny vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira,
3
dia vorio ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny fiangonana manontolo.
4
Nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO azy i Mosesy ka vory teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny fiangonana.
5
Hoy i Mosesy tamin’ny fiangonana: Izao no raharaha nandidian’NY TOMPO.
6
Dia nampanatonin’i Mosesy i Arona sy ireo zanany ka nampandroiny tamin’ny rano.
7
Avy eo dia nampiakanjoiny ny akanjo lava i Arona ka nasiany fehikibo sy nampanaoviny ny akanjo ivelany; dia nataony taminy ny efoda ary nasiany ny fehikibo momba ny efoda izy ka namehezany ny efoda taminy izany.
8
Ary ny saron-tratra dia nataony taminy ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
9
Nataony teo an-dohany ny fehiloha sy ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony teo anoloana amin’ny fehiloha, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
10
Dia nalain’i Mosesy ny diloilo fanosorana ka nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ary nohamasininy.
11
Namafazany impito teo ambonin’ny alitara ny diloilo, nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny koveta sy ny faladiany mba hahamasina azy ireny.
12
Nandrarahany teo amin’ny lohan’i Arona avy eo ny diloilo fanosorana ka nanosotra azy izy mba hanamasinana azy.
13
Dia nampanatonin’i Mosesy koa ireo zanak’i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, nasiany fehikibo, dia nampisatrohany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
14
Noentiny nanatona koa ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana. Koa nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana i Arona sy ireo zanany.
15
Dia novonoiny iny ary nalain’i Mosesy ny ra ka nohosorany tamin’ny fanondrony ireo tandroka manodidina ny alitara mba hanadiovany azy tamin’ny ota. Ny ra sisa kosa dia naidiny teo an-tongotry ny alitara izay nohamasininy tamin’ny fanaovana fanavotana ho azy.
16
Dia nalainy ny jaboran-tsinainy rehetra sy ny ila atiny lehibe ary ny voany mbamin’ny jabora mandrakotra azy ka nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ireo.
17
Fa ilay vantotra ombilahy, ny hodiny ary ny henany sy ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin’ny afo teny ivelan’ny toby, araka izay efa nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
18
Dia noentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana manontolo; ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny ondrilahy i Arona sy ireo zanany.
19
Dia novonoina iny ka nofafazan’i Mosesy ra ny manodidina ny alitara.
20
Norasainy tsara ny ondrilahy dia nodoran’i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny jaborany.
21
Nosasany tamin’ny rano ny taovany sy ny tongony; ary nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ny tenan’ilay ondrilahy manontolo. Fanatitra dorana manontolo izany mba ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
22
Dia noentiny nanatona koa ny ondrilahy faharoa, dia ny ondrilahy fanokanana; ary nametraka ny tanany tamin’ny lohan’ny ondrilahy i Arona sy ireo zanany.
23
Novonoiny iny, ary nakan’i Mosesy ny ra ka nahosony teo amin’ny ravin-tsofin’i Arona havanana sy tamin’ny ankiben-tanany havanana ary tamin’ny ankiben-tongony havanana.
24
Nampanatoniny koa ireo zanak’i Arona ka nohosoran’i Mosesy ra ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana; dia nofafazan’i Mosesy ny ra sisa ny manodidina ny alitara.
25
Nalainy ny jaborany sy ny hofany, ny taovany rehetra, ny ila atiny lehibe, ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy ary ny feny havanana.
26
Nakany mofo iray tsy misy masirasira sy mofo iray voaisy diloilo ary mofo manify iray ilay harona nisy ireo mofo tsy misy masirasira izay teo anatrehan’NY TOMPO ka napetrany teo ambonin’ny jaborany sy ny feny havanana.
27
Dia napetrany teo amin’ny tanan’i Arona sy ireo zanany ireo rehetra ireo ka nataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO.
28
Nalain’i Mosesy tamin’ny tanany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara niaraka tamin’ny fanatitra dorana manontolo; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
29
Nalain’i Mosesy koa ny tratran’ilay ondry ka nataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Anjaran’i Mosesy avy amin’ny ondrilahy fanokanana io, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.
30
Dia nakan’i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny ra izay teo ambonin’ny alitara ka nafafiny tamin’i Arona sy ny fitafiany, ary tamin’ireo zanany sy ny fitafian’izy ireo koa; dia nanamasina an’i Arona sy ny fitafiany ary ireo zanany sy ny fitafian’ireo zanany koa izy.
31
Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ireo zanany: Ahandroy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny hena; eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao amin’ny haron’ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: I Arona sy ireo zanany no hihinana azy.
32
Izay sisa amin’ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin’ny afo.
33
Tsy hiala eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hafitoana ianareo, mandra-pahatapitra ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
34
Tahaka ny efa natao androany no nandidian’NY TOMPO hatao mba hanaovana fanavotana ho anareo.
35
Hitoetra eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hafitoana andro aman’alina ianareo ka hitandrina izay asain’NY TOMPO hotandremana dia tsy ho faty ianareo: Izany no nandidiana ahy.
36
Dia notanterahin’i Arona sy ireo zanany izay rehetra nandidian’NY TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27