bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 18
Leviticus 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 19 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
3
Aza manao ny fanaon’ny tany Ejipta izay nonenanareo; aza manao ny fanaon’ny tany Kanana izay ampidirako anareo ary aza manaraka ny fombany.
4
Ny fitsipiko no hotanterahinareo ary ny didiko no hotandremanareo, harahinareo izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
5
Tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona dia ho velona amin’izany izy. Izaho no TOMPO.
6
Aoka tsy hisy handry amin’izay havany akaiky ianareo: Izaho no TOMPO.
7
Aza mandry amin’izay nandrian’ny rainao fa reninao izy koa aza mandry aminy.
8
Aza mandry amin’ny renikelinao fa nandrian’ny rainao izy.
9
Aza mandry amin’ny anabavinao, izay zanaky ny rainao na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
10
Aza mandry amin’ny zanakavavin’ny zanakao lahy na ny zanakavavin’ny zanakao vavy; fa avy aminao no niavian’izy roa.
11
Aza mandry amin’ny zanakavavin’ny renikelinao izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
12
Aza mandry amin’ny anabavin-drainao fa havan-drainao akaiky izy.
13
Aza mandry amin’ny rahavavin-dreninao fa havan-dreninao akaiky izy.
14
Aza mandry amin’izay nandrian’ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin’ny rahalahin-drainao izy.
15
Aza mandry amin’ny vinantovavinao fa vadin’ny zanakao lahy izy, koa aza mandry aminy.
16
Aza mandry amin’ny vadin’ny rahalahinao fa nandrian’ny rahalahinao izy.
17
Aza mandry amin’ny vehivavy sy ny zanany vavy; aza maka ny zanakavavin’ny zanany lahy na ny zanakavavin’ny zanany vavy, handry aminy; havany akaiky ireo ka fahavetavetana izany.
18
Aza mampakatra vehivavy ho rafin’ny rahavaviny izay mbola velona.
19
Aza mila vehivavy mararin’ny fadimbolany handry aminy.
20
Aza mandry amin’ny vadin’ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
21
Aza misy arosonao ho sorona ho an’i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO.
22
Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
23
Aza mandry amin’ny biby handoto ny tenanao aminy; aoka tsy hisy vehivavy hanaiky handrian’ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
24
Aza mandoto ny tenanareo amin’izany zavatra izany akory fa ny Jentilisa izay efa horoahiko eo anoloanareo no nandoto ny tenany tamin’ireo rehetra ireo.
25
Maloto ny tany noho izany ka hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina ao.
26
Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo koa aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany na ny vahiny izay monina eo aminareo;
27
fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ny tompon-tany izay talohanareo ka naloto ny tany,
28
mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
29
Fa izay rehetra manatanteraka izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.
30
Koa dia tandremo izay asaiko tandremana mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ny olona talohanareo. Aza mandoto ny tenanareo amin’ireo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27