bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 22
Leviticus 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 23 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany mba hitandremany ny amin’ny tsy hikasihany ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho Ahy mba tsy hanamavoany ny anarako masina. Izaho no TOMPO.
3
Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ny zanakareo, hatramin’ny taranany fara aman-dimby, nefa manakaiky ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho eo anatrehako. Izaho no TOMPO.
4
Na iza na iza amin’ny taranak’i Arona no boka na marary mitsika eo amin’ny taovam-pananahana dia tsy hihinana ireo zava-masina izy mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ny tsirinainy
5
na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay maloto na lehilahy izay maloto, na inona na inona no fahalotoany,
6
ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan’ny andro ka tsy hihinana amin’ny zava-masina raha tsy mandro amin’ny rano.
7
Rehefa milentika ny masoandro vao hadio izy ka izay vao mahazo mihinana amin’ny zava-masina satria anjara haniny izany.
8
Izay maty ho azy na izay noviraviraim-biby dia tsy hohaniny mba tsy hahaloto azy. Izaho no TOMPO.
9
Aoka hitandrina izay asaiko tandremana izy fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ny nanamavoany azy. Izaho TOMPO no manamasina izany.
10
Aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina. Na izay mivahiny ao amin’ny mpisorona na izay mpikarama dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.
11
Fa raha misy olona novidin’ny mpisorona dia mahazo mihinana amin’izany ihany izy; ary izay teraka tao an-tranony koa dia mahazo mihinana amin’ny sakafon’ny mpisorona.
12
Raha misy zanakavavin’ny mpisorona manambady olon-kafa dia tsy hihinana amin’ny fanatitra izay nalaina avy amin’ny zava-masina izy.
13
Fa raha misy zanakavavin’ny mpisorona ka maty vady na efa nisara-bady, nefa tsy manan-janaka ary mody any an-tranon’ny rainy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny sakafon’ny rainy ihany izy; nefa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
14
Raha misy olona mihinana tsy nahy amin’ny zava-masina dia honerany ny zava-masina ka homeny ny mpisorona sady hampiany ny ampahadiminy izany.
15
Aoka tsy hisy hanamavo ny zava-masin’ny Zanak’Israely izay ateriny ho an’NY TOMPO
16
na hahatonga ota sy heloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho TOMPO no manamasina izany.
17
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
18
Mitenena amin’i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’Israely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo amin’ny Israely no manolotra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanatitra an-tsitrapo, izay hatolony ho an’NY TOMPO ho fanatitra dorana manontolo,
19
dia lahy tsy misy kilema no hatolony, na omby izany na zanak’ondry na osy, mba hankasitrahana anareo.
20
Izay rehetra misy kilema dia tsy hatolotrareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
21
Raha misy manolotra fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO, na ho fanatitra hanalany voady na ho fanatitra an-tsitrapo na omby izany na ondry na osy, dia izay tsara tsy misy kilema na kely akory aza no hatolony mba hankasitrahana azy.
22
Fa ny jamba na ny misy tapaka na ny kilemaina na ny ferena na ny be hatina na ny be hazaka dia tsy mba hatolotrareo ho an’NY TOMPO, na hataonareo fanatitra levonina amin’ny afo eo ambonin’ny alitara ho an’NY TOMPO.
23
Na omby na ondry na osy misy sampona dia azonao aterina ho fanatitra an-tsitrapo ihany; fa raha hanefana voady kosa dia tsy hankasitrahana izany.
24
Izay voaporitra na voatoro na voaongotra na voadidy ho afaka ny vihindahiny, dia tsy azonareo atolotra ho an’NY TOMPO; ary aza manao izany eo amin’ny taninareo.
25
Raha misy olona hafa firenena aza mitondra izany zavatra izany dia tsy azonareo atolotra ho hanin’Andriamanitrareo izany satria efa simba ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.
26
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
27
Raha misy omby na ondry na osy vao teraka dia hitoetra amin’ny reniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin’ny andro fahavalo no ho miakatra dia hankasitrahana izy raha atao fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
28
Fa ny ombivavy na ny ondrivavy na ny osivavy dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
29
Raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an’NY TOMPO ianareo dia amin’izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy.
30
Amin’izany andro izany ihany no hihinanana azy fa aza amelana ho tra-maraina. Izaho no TOMPO.
31
Tandremo ny didiko ka araho. Izaho no TOMPO.
32
Aza manamavo ny anarako masina fa hohamasinina eo amin’ny Zanak’Israely Aho. Izaho TOMPO
33
izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo, no manamasina anareo. Izaho no TOMPO.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27