bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 7
Leviticus 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 8 →
1
Ary izao no lalàna momba ny fanati-panonerana izay zavatra tena masina:
2
Eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana manontolo no hamonoana ny fanati-panonerana. Hafafy manodidina ny alitara ny ra.
3
Haterina avokoa ny hofany sy ny jaborany rehetra, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy,
4
ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe; hatao indray manala amin’ny voany no fakàna ireo.
5
Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ireo. Fanati-panonerana izany.
6
Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin’izay fitoerana masina no hihinanany azy. Zavatra tena masina izany.
7
Ho tahaka ny fanatitra fanadiovana ny fanati-panonerana ka lalàna iray no ho amin’izy roa: Ho an’ny mpisorona izay manao ny fanavotana izany.
8
Hahazo ny hoditry ny fanatitra dorana manontolo izay aterin’ny olona ilay mpisorona izay manao ny fanatitra.
9
Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra izay voaendy amin’ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin’ny vilany fahandroana na amin’ny lapoaly dia ho an’ilay mpisorona manolotra azy.
10
Fa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra na izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an’ny zanak’i Arona rehetra tsy an-kanavaka.
11
Ary izao no lalàna momba ny fanati-pihavanana izay hatolotra ho an’NY TOMPO:
12
Raha misy manolotra izany ho fanati-pisaorana dia izao no hatolony ho fanampiny: Mofo tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira voahosotra diloilo ary mofo atao amin’ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.
13
Miaraka amin’ny mofo misy masirasira no hanolorany ny fanatiny, ho fanampin’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.
14
Hakany iray avy ny isam-panatitra ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO; ho an’ilay mpisorona mamafy ny ran’ny fanati-pihavanana izany.
15
Ny henan’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ny andro anaterana azy fa tsy hisy havela ho tra-maraina.
16
Raha fanalam-boady na fanatitra an-tsitrapo kosa no atolony dia amin’ny andro itondrany ny fanatiny no hihinanana azy ary hohanina ny ampitson’iny izay ambiny.
17
Fa ny sisa amin’ny henan’ny fanatitra dia hodorana amin’ny afo amin’ny andro fahatelo.
18
Raha toa ka ihinanana amin’ny andro fahatelo ny henan’ny fanati-pihavanana, na dia sombiny kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’izay manolotra azy izany fa maloto; ary ny olona izay mihinana amin’izany dia ho meloka.
19
Tsy hohanina ny hena izay mikasika zava-maloto fa hodorana amin’ny afo; ary ny amin’ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy;
20
fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin’ny fanati-pihavanana, izay an’NY TOMPO, dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.
21
Ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan’olona na biby maloto na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin’ny henan’ny fanati-pihavanana izay an’NY TOMPO, dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.
22
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
23
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Aza mihinana jabora mihitsy ianareo, na jaboran’omby na jaboran’ondry na jaboran’osy.
24
Azo ampiasaina amin’ny raharaha rehetra ihany ny jaboran’ny biby izay maty ho azy sy ny jaboran’izay noviraviraim-biby kanefa aza mihinana azy ianareo.
25
Fa izay rehetra mihinana jaboran’ny biby fiompy, izay fanao fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.
26
Aza mihinana ra eny amin’izay rehetra itoeranareo, na ny an’ny vorona, na ny an’ny biby fiompy.
27
Izay rehetra mihinana ra dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.
28
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
29
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Izay manolotra ny fanati-pihavanany ho an’NY TOMPO dia hitondra ny fanatiny ho an’NY TOMPO avy amin’ny fanati-pihavanany.
30
Ny tanany ihany no hitondra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; ny jaborany mbamin’ny tratrany no hoentiny ka ny tratrany dia hataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO.
31
Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ny jaboran’ny fanatiny, fa ny tratrany kosa dia ho an’i Arona sy ireo zanany.
32
Ary ny feny havanana dia halainareo amin’ny fanati-pihavananareo ka homenareo ny mpisorona.
33
Ny iray amin’ireo zanak’i Arona izay manolotra ny ran’ny fanati-pihavanana sy ny jaborany no hahazo ny feny havanana ho anjarany.
34
Fa ny tratran’ny fanatitra asandratra sy ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra dia efa nalaiko tamin’ny Zanak’Israely avy amin’ny fanati-pihavanany ary nomeko ho an’i Arona mpisorona sy ireo zanany, ho anjarany maharitra avy amin’ny Zanak’Israely.
35
Ireo no anjaran’i Arona sy anjaran’ireo zanany avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, nanomboka tamin’ilay andro nanolorana azy ireo ho mpisorona ho an’NY TOMPO,
36
dia izay nodidian’NY TOMPO mba homena azy avy amin’ny Zanak’Israely amin’ilay andro hanosorana azy, ho lalàna maharitra amin’ny taranany fara aman-dimby.
37
Izany no lalàna momba ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra fanadiovana sy ny fanati-panonerana, ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
38
izay didy nomen’NY TOMPO an’i Mosesy tao amin’ny tendrombohitra Sinay, tamin’ny andro izay nanomezany didy ny Zanak’Israely hanolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO, tany an-tany efitr’i Sinay.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27