bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 11
Leviticus 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 12 →
1
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona:
2
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ireto avy no azonareo hanina amin’ny biby rehetra ambonin’ny tany:
3
Izay biby rehetra mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika no ho fihinanareo.
4
Kanefa amin’izay mandinika sy mivaky kitro dia ireto kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro: Maloto aminareo izy;
5
ny hiràka, satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro: Maloto aminareo izy;
6
ny bitro, satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
7
ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy sady misaraka tsara ny kitrony nefa tsy mba mandinika: Maloto aminareo izy.
8
Tsy ho fihinanareo ny henan’ireny ary tsy hokasihinareo akory ny fatiny: Zava-maloto aminareo ireny.
9
Amin’izay rehetra ao anatin’ny rano dia ireto no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin’ny ranomasina na ao anatin’ny ony, no ho fihinanareo;
10
fa izay rehetra tsy misy vombony na kirany kosa, na ao anatin’ny ranomasina na ao anatin’ny ony na amin’izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’izay zavamananaina ao anaty rano, dia ho fahavetavetana aminareo.
11
Eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
12
Izay rehetra ao anaty rano ka tsy misy vombony na kirany dia ho zava-betaveta aminareo.
13
Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin’ny vorona ka tsy ho fihinanareo: Ny vaotoro, ny voromahery sy ny ankoay,
14
ny papango sy ny voromahery isan-karazany,
15
ny goaika rehetra isan-karazany,
16
ny aotirisy, ny tararaka, ny vorondriaka sy ny hitsikitsika isan-karazany,
17
ny vorondolo, ny manarana, ny vorondolo lehibe,
18
ny ibisy sy ny sama, ny vaotoro madinika,
19
ny vano sy ny vanobe isan-karazany ary ny takodara sy ny ramanavy.
20
Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
21
nefa kosa ho fihinanareo amin’ny zava-mandady manana elatra sady mandia tongotra efatra, izay manan-tongotra lava ambonin’ny faladiany hitsipihany eo amin’ny tany.
22
Amin’ireny dia ireto no ho fihinanareo: Ny valala sy ny sopanga isan-karazany.
23
Fa ny biby mandady hafa rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra ankoatra ireo kosa dia ho zava-betaveta aminareo.
24
Ireo no ho zava-maloto aminareo; koa izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
25
Hanasa ny fitafiany izay rehetra mitondra ny fatiny ka haloto mandra-paharivan’ny andro.
26
Ny biby rehetra izay mivaky kitro nefa tsy misaraka tsara ny kitrony sady tsy mandinika dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
27
Izay rehetra mandeha amin’ny faladiany, amin’ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan’ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
28
Hanasa ny fitafiany izay mitondra ny fatiny ka haloto mandra-paharivan’ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
29
Amin’ny biby izay mandady na mikisaka amin’ny tany kosa dia ireto no haloto aminareo: Ny jaboady, ny totozy ary ny androngo isan-karazany,
30
ny matahotrandro, ny sitry, ny tana, ary ny antsiantsy.
31
Ireo no maloto aminareo amin’ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin’ireo dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
32
Izay zavatra rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanaka hazo na fitafiana na hoditra na kitapo, izay mety ho fitaovana fampiasa, dia haloto ka tsy maintsy hatao anaty rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy vao hadio.
33
Momba ny vilany tany rehetra izay ilatsahan’ny fatin’ireo dia haloto izay ao anatiny na inona na inona; koa hovakinareo ny vilany.
34
Ny hanina fihinana rehetra izay asiana rano dia haloto; ny fisotro rehetra izay sotroina koa dia haloto, na fitaovana inona na fitaovana inona no nisy azy.
35
Haloto izay zavatra rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanendasana na vilany mirakotra, ka hopotipotehina; fa maloto ireny ary ho zava-maloto aminareo.
36
Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.
37
Raha misy fatin’ireo latsaka amin’ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.
38
Fa raha misy voan-javatra nalona tamin’ny rano ka ilatsahan’ny fatiny dia ho zava-maloto aminareo izany.
39
Raha misy maty izay biby fihinanareo dia haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatiny.
40
Hanasa ny fitafiany izay mihinana amin’ny fatiny ka haloto mandra-paharivan’ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
41
Ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy azo hanina.
42
Izay rehetra mandady amin’ny kibony sy izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, izany hoe ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia tsy azo hanina fa zava-betaveta ireny.
43
Aza mametaveta ny tenanareo amin’izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy mba tsy hahaloto anareo.
44
Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, koa manamasìna ny tenanareo dia ho masina ianareo satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin’izay zavatra mandady na mikisaka amin’ny tany.
45
Fa Izaho no TOMPO izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo ka ho masina ianareo satria masina Aho.
46
Izany no lalàna momba ny biby sy ny vorona, ny zavamananaina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany,
47
mba hanavahana ny maloto sy ny madio ary ny biby azo hanina sy tsy azo hanina.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27