bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 15
Leviticus 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 16 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe:
2
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
3
Izao no ho fahalotoany raha marary mitsika izy, na mandeha ny fitsihany na tsy mandeha, dia samy fahalotoana izany.
4
Maloto ny fandriana rehetra izay andrian’ny marary mitsika ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
5
Izay rehetra mikasika ny fandrianany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
6
Izay mipetraka amin’ny zavatra izay efa nipetrahan’ny marary mitsika dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
7
Izay mikasika ny tenan’ny marary mitsika dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
8
Raha misy olona madio voaroran’ny marary mitsika dia hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
9
Haloto ny lasely rehetra izay nitaingenan’ny marary mitsika.
10
Izay rehetra mikasika ny zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan’ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
11
Izay rehetra voakasiky ny marary mitsika kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tanany tamin’ny rano dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
12
Hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika ary hosasana amin’ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.
13
Rehefa sitrana amin’ny fitsihany ny marary mitsika dia hiandry hafitoana izy ho amin’ny fanadiovana azy ary hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano mandeha izy dia hadio.
14
Amin’ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na voromailala roa izy ary hankeo anatrehan’NY TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka hatolony amin’ny mpisorona ireo.
15
Dia haterin’ny mpisorona ireo, ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray kosa dia hatao fanatitra dorana manontolo; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona noho ny fitsihany.
16
Raha miala amin’ny lehilahy ny tsirinainy dia hanasa ny tenany rehetra amin’ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ny andro;
17
Hosasana amin’ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra izay nilatsahan’ny tsirinainy; haloto mandra-paharivan’ny andro ireo.
18
Raha misy lehilahy mandry amin’ny vehivavy koa dia samy handro amin’ny rano izy roa ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
19
Raha misy vehivavy mararin’ny fadimbolany ka mandeha ra tsy mijanona dia haloto hafitoana izy ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
20
Ny zavatra rehetra izay andriany amin’ny andro fahalotoany koa dia haloto ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
21
Hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano izay rehetra mikasika ny fandrianany ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
22
Izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany koa dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
23
Raha ao amin’ny fandrianany izany na eo amin’izay nipetrahany izay voakasik’izany dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
24
Raha misy lehilahy mandry amin’ny vehivavy ary mankeo aminy ny ra amin’ny fadimbolany dia haloto hafitoana izy ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
25
Raha misy vehivavy marary mitsi-dra ela, ankoatra ny andro fahalotoany amin’ny fadimbolany, na raha misy mararin’ny fadimbolana ka mandeha ra mihoatra noho ny fiaviny mahazatra dia haloto izy amin’ny andron’ny faharariany rehetra, tahaka ny amin’ny andro fahalotoany ihany.
26
Izay fandriana andriany mandritra ny andron’ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana maloto noho ny fadimbolany ary izay rehetra ipetrahany koa dia haloto tahaka ny fahalotoany amin’ny fadimbolany.
27
Izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto ary hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano izy sady haloto mandra-paharivan’ny andro.
28
Rehefa sitrana amin’ny faharariany Ravehivavy dia hiandry hafitoana izy ka rehefa afaka izany vao hadio izy.
29
Amin’ny andro fahavalo dia haka domohina roa na voromailala roa izy ka hitondra ireo ho eo amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana.
30
Dia haterin’ny mpisorona ny iray hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray hatao fanatitra dorana manontolo; dia hanao fanavotana ho an’i Ravehivavy eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
31
Koa hosarahinareo amin’ny fahalotoany ny Zanak’Israely mba tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo anivony, koa tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
32
Izany no lalàna ny amin’ny marary mitsika sy ny amin’izay ialan’ny tsirinainy ka voaloto amin’izany,
33
ny amin’ny mararin’ny fadimbolany, ny amin’ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin’izay mandry amin’ny vehivavy maloto.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27