bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 23
Leviticus 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 24 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny amin’ireo andro firavoravoana voatendrin’NY TOMPO izay hantsoinareo hoe fivoriana masina, dia izao no izy:
3
Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, fivoriana masina; aza miasa mihitsy ianareo, fa Sabata ho an’NY TOMPO eny amin’izay fonenanareo rehetra izany.
4
Izao no fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO, dia fivoriana masina hantsoinareo amin’ny fotoanany avy.
5
Ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana voalohany, rehefa hariva milenti-masoandro, dia Paska an’ny NY TOMPO.
6
Ary ny andro fahadimy amby folo amin’izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.
7
Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha fanompoana ianareo
8
fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao raharaha fanompoana ianareo.
9
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
10
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any dia mitondrà amboara iray amin’ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ny mpisorona.
11
Hanandratra ny amboara eo anatrehan’NY TOMPO izy mba hankasitrahana anareo; ny ampitson’ny Sabata no hanandratan’ny mpisorona azy.
12
Koa amin’izay andro hanandratanareo ny amboara dia manolora zanak’ondrilahy tsy misy kilema izay herintaona ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO.
13
Ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry miaraka aminy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo hatao fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary ny fanatitra aidina miaraka aminy dia divay ampahefatry ny hina.
14
Aza mihinana mofo na lango na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’Andriamanitrareo; ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra.
15
Manisà herinandro fito ho anareo, manomboka ny ampitson’ny Sabata ka hatramin’izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra asandratra.
16
Ny ampitson’ny Sabata fahafito no hahataperan’ireo andro dimampolo hisainareo, dia manolora fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO.
17
Mitondrà mofo roa avy any amin’ny fonenanareo hatao fanatitra asandratra; hatao amin’ny koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha izany ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’NY TOMPO izany.
18
Dia manolora zanak’ondrilahy fito tsy misy kilema, iray taona avy, miaraka amin’ny mofo sy vantotra ombilahy iray ary ondrilahy roa. Hatao fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
19
Manolora koa osilahy iray ho fanatitra fanadiovana sy zanak’ondrilahy roa, herintaona avy, ho fanati-pihavanana.
20
Ary ny mpisorona dia hanolotra ireo mbamin’ny mofon’ny voaloham-bokatra ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO, miaraka amin’ny zanak’ondrilahy roa; ireo dia ho masina ho an’NY TOMPO, ho anjaran’ny mpisorona.
21
Ambarao ho fivoriana io andro io ka manaova fivoriana masina ary aza manao raharaha fanompoana. Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra.
22
Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo dia aza jinjaina avokoa ny eny an-tsisiny ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ny vokatrao fa avelao ho an’ny mahantra sy ny vahiny izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
23
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
24
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny andro voalohany amin’ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo; amin’io no hitsofana trompetra ho fampahatsiarovana ny fivoriana masina.
25
Aza manao raharaha fanompoana ianareo, fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
26
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
27
Ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany no Andro Fanavotana Lehibe. Hisy fivoriana masina ho anareo; hifady hanina ianareo ka hanatitra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
28
Aza manao raharaha amin’izany andro izany; fa andro fanavotana io, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo.
29
Fa ny olona rehetra izay tsy mety mifady hanina amin’io andro io dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.
30
Koa ny olona rehetra izay miasa amin’io andro io dia hesoriko tsy ho amin’ny fireneny.
31
Aza manao raharaha akory. Ho lalàna maharitra hatrany amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay rehetra honenanareo.
32
Ho Sabata izany, tena andro fitsaharana ho anareo ary hifady hanina ianareo; amin’ny andro fahasivy amin’ny volana, rehefa hariva, manomboka ny hariva ka hatramin’ny ampitso hariva no hitandremanareo ny Sabata, andro fitsaharanareo.
33
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
34
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafolo no hiantombohan’ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana.
35
Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ka aza manao raharaha fanompoana.
36
Hafitoana no hanoloranareo fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa ka hanolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ianareo; andro fivoriana masina izany, koa aza manao raharaha fanompoana ianareo.
37
Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO ka hantsoinareo hoe: Fivoriana masina, hanolorana fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary fanatitra hafa alatsa-dra sy fanatitra aidina, samy amin’ny fotoanany avy izy rehetra,
38
afa-tsy izay fanao amin’ny Sabatan’NY TOMPO sy ny zavatra ataonareo fanomezana sy ny fanatitra rehetra hanefanareo voady ary ny fanatitra an-tsitraponareo rehetra izay omenareo ho an’NY TOMPO.
39
Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito, rehefa manangona ny zavamaniry ianareo dia tandremo ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo koa dia andro fitsaharana.
40
Amin’ny andro voalohany dia makà voan’ny hazo tsara tarehy, dia sampana palma sy rantsan’ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ny renirano, ho anareo; ary mifalia mandritra ny hafitoana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
41
Tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, hafitoana isan-taona. Ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby io; amin’ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
42
Ao amin’ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo mandritra ny hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin’ny Zanak’Israely dia samy hitoetra ao amin’ny trano rantsan-kazo avokoa,
43
mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak’Israely tao amin’ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
44
Nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely ireo fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO ireo.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27