bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 26
Leviticus 26
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 27 →
1
Aza manao andriamanitra tsy izy. Aza manangana sarin-javatra voasokitra na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
2
Tandremo ny Sabatako ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no TOMPO.
3
Raha manaraka ny lalànako sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany
4
dia hanome anareo ranonorana amin’ny fotoanany Aho ka hahavokatra ny tany ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
5
Ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka ny taom-pivelezanareo ary ho tratry ny taom-pamafazana ny taom-piotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky ary handry fehizay eo amin’ny taninareo.
6
Homeko fiadanana eo amin’ny tany ianareo ka handry fehizay, ary tsy hisy hanaitaitra; fa hofongorako ny biby masiaka amin’ny tany ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
7
Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy ireo.
8
Ny dimy aminareo dia hanenjika ny zato ary ny zato aminareo dia hanenjika ny iray alina. Ny fahavalonareo dia ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
9
Ary hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo sady hanorina ny fanekeko aminareo.
10
Hihinana ny tranainy ianareo sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
11
Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo ary tsy ho halan’ny fanahiko ianareo.
12
Handeha eo anivonareo Aho ka ho Andriamanitrareo ary ianareo dia ho oloko.
13
Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mitraka.
14
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo
15
ary hamavoinareo ny didiko na halan’ny fanahinareo ny fitsipiko ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra fa ivadihanareo ny fanekeko
16
dia izao no hataoko aminareo: Hasiako fampitahorana aminareo, dia aretina mahasaozanina sy tazo mahamay izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
17
Dia hifanandrina aminareo ny tavako ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo. Izay mankahala anareo no hifehy anareo ary handositra ianareo na dia tsy misy manenjika aza.
18
Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’izany rehetra izany dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
19
Horavako ny reharehan’ny herinareo ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo dia ho lany foana;
20
fa tsy hanome vokatra ny taninareo ary tsy hamoa ny hazo amin’ny tany.
21
Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo ka tsy mety mihaino Ahy dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.
22
Hampandehaniko eo aminareo ny bibidia ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ary hahavitsy isa anareo; ny lalambenareo dia ho tonga tany efitra.
23
Ary raha tsy mandray ny anatro amin’izany ianareo fa mbola manohitra Ahy ihany
24
Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
25
Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona ao anatin’ny tanànanareo ianareo dia handefa areti-mandringana aminareo Aho ary hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.
26
Raha atsahatro ny mofo ho anareo, izay tohan’ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofonareo ary an-tsinjarany no hizaràny azy dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky.
27
Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin’izany ihany ianareo fa mbola manohitra Ahy hatrany
28
dia hamely anareo amin’ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
29
Dia hihinana ny nofon’ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy ianareo.
30
Dia horavako ny toerana fanaovanareo sorona ary hokapaiko ny tsangankazon-tsampinareo ho an’ny masoandro ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ny fatin’ny sampinareo ary ho halan’ny fanahiko ianareo.
31
Horavako ny tanànanareo ka ho lao ireo toeranareo masina ary tsy hamboloiko ny hanitra mani-pofona aterinareo.
32
Hataoko lao ny tany ka ho talanjona amin’izany ny fahavalonareo izay monina eo.
33
Ary ianareo dia haeliko any amin’ny Jentilisa; hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika anareo Aho ka ho lao ny taninareo ary ho rava ny tanànanareo.
34
Ary amin’izany ny tany dia hifaly amin’ny Sabatany mandritra ny andro rehetra izay hahafoana azy raha any amin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hifaly amin’ny Sabatany;
35
amin’ny andro hahafoana azy rehetra no hitsaharany ho solon’izay tsy nitsaharany tamin’ny Sabatanareo fony mbola nonina teo ianareo.
36
Ary ny amin’ireo sisa aminareo dia hampidirako hakiviana ao am-pony, any amin’ny tanin’ny fahavalony, ka na ny feon’ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandositra sabatra izy ka ho lavo na dia tsy misy manenjika aza.
37
Ary ho lavo mifanindry toy ny mandositra sabatra izy ireo na dia tsy misy manenjika aza; koa tsy hahajanona eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo.
38
Dia ho lany ringana any amin’ny Jentilisa ianareo; ho lanin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo.
39
Ary ireo sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ny tanin’ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
40
Dia hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, dia ny fahadisoana izay vitany tamiko tamin’ny nanoherany Ahy,
41
ary Izaho koa hamely azy ka hitondra azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony. Dia hietry amin’izany ny fony tsy voafora ka hanonitra ny helony izy ireo
42
dia hotsarovako ny fanekeko tamin’i Jakoba sy ny fanekeko tamin’Isaka ary ny fanekeko tamin’i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
43
Ary hilaozan’izy ireo ny tany ka hifaly amin’ny Sabatany satria mitoetra foana tsy misy olona; fa ny olona kosa dia hanonitra ny amin’ny helony satria nandà ny fitsipiko sady nankahala ny didiko.
44
Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy dia tsy holaviko ary tsy ho halako fandrao lany ringana izy rehetra ka ho rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.
45
Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ny razany izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta teo imason’ny Jentilisa mba ho Andriamaniny Aho. Izaho no TOMPO.
46
Ireo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon’NY TOMPO ho aminy sy amin’ny Zanak’Israely teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an’i Mosesy.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27