bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 4
Leviticus 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 5 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy amin’ny fandikana ny iray amin’ireny didin’NY TOMPO rehetra ireny ka manao izay tsy tokony hatao:
3
Raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona dia aoka izy hanolotra vantotra ombilahy tsy misy kilema noho ny fahotana izay vitany, dia fanatitra fanadiovana ho an’NY TOMPO.
4
Hitondra ny vantotra ombilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’NY TOMPO izy ka hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy ary hamono azy eo anatrehan’NY TOMPO.
5
Hakan’ny mpisorona voahosotra ny ran’ny vantotra ombilahy dia hoentiny ho ao amin’ny tranolay fihaonana;
6
ary hanatsoboka ny fanondrony ao amin’ny ra ny mpisorona ka hafafiny impito eo anatrehan’NY TOMPO, eo anoloan’ny efitra lamba ao amin’ny fitoerana masina izany.
7
Hotentenan’ny mpisorona ra ireo tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO, dia ireo ao amin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra avy amin’ny vantotra ombilahy kosa dia hararany eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana.
8
Dia halainy avokoa ny jaborany rehetra amin’ilay vantotra ombilahy izay atao fanatitra fanadiovana, dia ny jabora mandrakotra ny taovany sy ny jaboran-tsinainy,
9
ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay rehetra eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fakany izany,
10
tahaka ny fanalana azy amin’ny omby izay atao fanati-pihavanana ary handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo ny mpisorona.
11
Fa ny hoditry ny vantotra ombilahy sy ny henany rehetra mbamin’ny lohany, ny tongony, ny taovany ary ny tain-drorohany,
12
izany hoe ny tenan’ny vantotra ombilahy manontolo kosa indray no havoakany ho eny ivelan’ny toby, ho eny amin’izay toerana madio fanariana ny lavenona. Handoro azy eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izy; eo amin’ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
13
Raha ny fiangonan’ny Israely manontolo kosa no manota tsy nahy ka meloka, satria misy zavatra tsy hitan’ny mason’ny fiangonana, ary nandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao izy,
14
rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotra ombilahy iray ny fiangonana mba ho fanatitra fanadiovana ka hitondra izany ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana.
15
Ary ny loholon’ny fiangonana dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy eo anatrehan’NY TOMPO dia hovonoina eo anatrehan’NY TOMPO ilay vantotra ombilahy.
16
Avy eo dia hakan’ny mpisorona voahosotra ny ran’ny vantotra ombilahy ka hoentiny ao amin’ny tranolay fihaonana;
17
ary hanatsoboka ny fanondrony amin’ny ra ny mpisorona ka hafafiny impito eo anatrehan’NY TOMPO eo anoloan’ny efitra lamba izany.
18
Hakany koa ny ra dia hohosorany ireo tandroky ny alitara izay eo anatrehan’NY TOMPO, dia ilay ao anatin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo am-baravaran’ny tranolay fihaonana.
19
Hesoriny ny jaborany rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara.
20
Ary ilay vantotra ombilahy dia hataony tahaka ny nataony tamin’ny vantotra ombilahy izay natao fanatitra fanadiovana, toy izany no hanaovany azy. Dia hanao fanavotana ho an’ny olona ny mpisorona ka havela ny helony.
21
Ary ilay vantotra ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ny toby ka hodorany tahaka ny nandoroany ny vantotra ombilahy voalohany. Fanatitra fanadiovana ho an’ny fiangonana izany.
22
Raha misy mpanapaka manota tsy nahy ary meloka satria mandika ny iray amin’ny didin’NY TOMPO Andriamaniny amin’izay tsy tokony hatao,
23
raha misy olona mampahafantatra azy ny fahotana nataony, dia hitondra osilahy iray tsy misy kilema ho fanatiny izy.
24
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny osilahy izy dia hamono azy eo amin’ny famonoana ny fanatitra dorana manontolo eo anatrehan’NY TOMPO. Fanatitra fanadiovana izany.
25
Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana ka hahosony eo amin’ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo; ny ra sisa kosa dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo.
26
Ny jaborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara, tahaka ny jaboran’ny fanati-pihavanana. Ary hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany ny mpisorona dia havela ny helony.
27
Raha misy olona amin’ny vahoaka manota tsy nahy ary meloka satria mandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao,
28
raha misy olona mampahafantatra azy ny fahotana nataony, dia hitondra osivavy iray tsy misy kilema ho fanatiny noho ny fahotana izay vitany izy.
29
Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra fanadiovana izy dia hamono azy eo amin’ny fitoeran’ny fanatitra dorana manontolo.
30
Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra ka hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ny ra sisa rehetra kosa dia hararany eo an-tongotry ny alitara.
31
Hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny fanati-pihavanana, ary handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara ny mpisorona ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona dia havela ny helony.
32
Raha ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota dia vavy iray tsy misy kilema no hoentiny.
33
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra fanadiovana izy dia hamono azy ho fanatitra fanadiovana eo amin’ny famonoana ny fanatitra dorana manontolo.
34
Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana dia hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara.
35
Hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona dia handoro azy ho fofona eo amin’ny alitara, eo ambonin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotany izay nataony dia havela ny helony.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27