bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 3
Leviticus 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 4 →
1
Raha fanati-pihavanana no atolony, ka ombilahy na ombivavy no atolony, dia izay tsy misy kilema no hatolony eo anatrehan’NY TOMPO.
2
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hamafy ra manodidina ny alitara.
3
Dia hakan’ny mpisorona ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy,
4
ny voany roa, ny jabora mandrakotra azy, izay rehetra eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fanalany izany.
5
Ary ireo zanak’i Arona dia handoro an’ireo ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra dorana manontolo izay eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo. Fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.
6
Raha ondry na osy no atolony ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hatolony.
7
Raha ondry no atolony ho fanatitra dia hoentiny eo anatrehan’NY TOMPO izany.
8
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hofafazan’ireo zanak’i Arona ra ny manodidina ny alitara.
9
Hakan’ireo ny fanati-pihavanana ka hatolony ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny hofany manontolo; faranana hatreo amin’ny faran’ny taolan-damosina no fakàny izany. Ny jaborany, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy,
10
ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay rehetra eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fanesorany izany.
11
Ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ny alitara; hanina avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.
12
Ary raha osy no fanatiny dia hatolony azy eo anatrehan’NY TOMPO izany.
13
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohany izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hamafy ra manodidina ny alitara ireo zanak’i Arona.
14
Avy amin’io no hanaterany ny fanatiny atao amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra, ny jaboran-tsinainy,
15
ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fakany ireny.
16
Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ny alitara; sakafo avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana izany fa an’NY TOMPO ny jabora rehetra.
17
Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany; eny amin’izay rehetra itoeranareo dia tsy hihinana jabora na ra akory ianareo.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27