bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 21
Leviticus 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 22 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona hoe: Aoka ny mpisorona tsy handoto ny tenany amin’izay maty amin’ny mpiray firenena aminy,
2
afa-tsy amin’ny havany akaiky, dia ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy ary ny rahalahiny;
3
ary amin’ny fatin’ny anabaviny mbola virijiny izay havany akaiky satria mbola tsy manambady, no ahazoany mandoto ny tenany.
4
Tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy satria lehibe eo amin’ny fireneny.
5
Tsy hanasola ny tampon-dohany izy na hanaratra ny volombavany na hitetika ny tenany.
6
Ho masina ho an’Andriamaniny izy ireo ka tsy hanamavo ny anaran’Andriamaniny; fa mpanolotra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy, dia ny hanin’Andriamaniny, ka ho masina izy.
7
Aoka izy tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga na izay voaloto, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ny lahy; fa masina ho an’Andriamaniny ny mpisorona.
8
Dia hamasino izy fa ny hanin’Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy fa Izaho TOMPO dia masina ka manamasina anareo.
9
Raha ny zanakavavin’ny mpisorona no mandoto ny tenany amin’ny fijangajangana dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin’ny afo.
10
Ary ny Mpisoronabe izay nalaina tamin’ny rahalahiny ka nandrarahana ny diloilo fanosorana ny lohany sady natokana mba hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany.
11
Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy ka handoto ny tenany na dia amin’ny ray aman-dreniny aza.
12
Aoka tsy hiala avy tao amin’ny fitoerana masina izy na handoto ny toerana masin’Andriamaniny satria ny diloilo nanosoran’Andriamaniny azy no eo an-dohany: Izaho no TOMPO.
13
Aoka ho vehivavy mbola virijiny no hampakariny.
14
Fa ny maty vady na ny efa nisaorana na ny voaloto tamin’ny fijangajangana dia tsy azony ampakarina; fa virijiny avy amin’ny fireneny ihany no hampakariny.
15
Aoka tsy hanao izay hampaloto ny taranany eo amin’ny fireneny izy fa Izaho TOMPO no nanamasina azy.
16
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
17
Mitenena amin’i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ny zanakao, hatramin’ny taranany fara aman-dimby, dia aoka tsy hanatona hanatitra ny hanin’Andriamaniny;
18
fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatanteraka izany na ny jamba na ny mandringa na ny loaka orona na ny sampona amin’ny rantsam-batana
19
na ny tapa-tongotra na ny tapa-tanana
20
na ny vokoka na ny saozanina na ny misy pentimpentina eo amin’ny masony na ny feno hatina na ny feno tsingaoka na ny manana aretin-dahy.
21
Ny olona rehetra amin’ny zanak’i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manatona hanolotra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; misy kilema izy ka tsy mahazo manatona mba hanatitra ny hanin’Andriamaniny.
22
Ny hanin’Andriamaniny kosa, izay avy amin’ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany;
23
kanefa tsy mahazo mankeo amin’ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina fa Izaho TOMPO no manamasina ireo.
24
Dia nilaza izany tamin’i Arona sy ireo zanany ary ny Zanak’Israely rehetra i Mosesy.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27