bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Leviticus 17
Leviticus 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 18 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany ary ny Zanak’Israely rehetra hoe: Izao no didy nomen’NY TOMPO:
3
Na iza na iza amin’ny taranak’Israely no mamono omby na zanak’ondry na osy, na eo an-toby na any ivelan’ny toby,
4
ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’NY TOMPO eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO, dia ho meloka noho ny ra nalatsany io olona io ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy.
5
Araka izany dia hoentin’ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ho amin’ny mpisorona ny zavatra vonoiny ho fanatitra izay famonony tany an-tsaha; dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO izany.
6
Ary ny mpisorona dia hamafy ny ra amin’ny alitaran’NY TOMPO eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, dia handoro ny jaborany ka ho fofona manitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.
7
Tsy hanolotra intsony ny fanatiny ho an’ny Seìrima izay nijangajangany izy. Ho lalàna maharitra amin’ny taranany fara aman-dimby izany.
8
Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo aminareo no manolotra fanatitra dorana manontolo na fanatitra hafa alatsa-dra
9
ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hanatitra azy ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.
10
Ary na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo aminareo, no mihinan-dra, na ra inona na ra inona dia ny Tavako no hifanandrina amin’ilay olona mihinan-dra ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy.
11
Fa ny ain’ny nofo dia ao amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara mba hanaovana fanavotana ho anareo satria ny ra, amin’ny aina, no manao fanavotana.
12
Koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Israely hoe: Aza misy mihinan-dra ianareo na ny vahiny izay monina eo aminareo.
13
Na iza na iza amin’ny Zanak’Israely na amin’ny vahiny eo aminy no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia hararany amin’ny tany ny rany ka hototofany.
14
Fa ny amin’ny ain’ny zavamananaina rehetra dia ny rany no ainy, koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Israely hoe: Aza mihinana hena mbola misy ra fa ny rany no ain’ny zava-mananaina rehetra, koa izay rehetra mihinana azy dia haringana.
15
Ny olona rehetra, na tompon-tany na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy na izay noviraviraim-biby, dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy vao hadio.
16
Fa raha tsy manasa ny fitafiany sy mandro izy dia ho meloka.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27