bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 1
Revelation 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 2 →
1
Ny fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony rehetra izay zavatra tsy maintsy ho tonga haingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’i Jaona mpanompony amin’ny alalan’ny famantarana,
2
izay nanambara ny zavatra rehetra izay hitany, dia ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy Kristy.
3
Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny! Fa antomotra ny andro.
4
I Jaona no mamangy ny Fiangonana fito any Azia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny sezafiandrianany;
5
ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany! Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka tamin’ny fahotantsika tamin’ny rany
6
sady nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy, ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amena!
7
Indro avy eny amin’ny rahona Izy ary hahita Azy ny maso rehetra na dia izay nandefona Azy aza ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, Amena!
8
Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
9
Izaho Jaona, rahalahinareo sy mpiombona amin’ny fahoriana ary amin’ny fanjakana sy ny fiaretana ao amin’i Jesosy, dia tao amin’ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy.
10
Voatsindrin’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon’ny trompetra,
11
hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty ao amin’ny boky ka ampitondray ho any amin’ny Fiangonana fito, dia ho any Efesosy, Smirna, Pergamosy, Tiatira, Sardisy, Filadelfia ary Laodikia.
12
Dia nitodika aho mba hizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho dia nahita fitoeran-jiro volamena fito,
13
ary teo afovoan’ny fitoeran-jiro dia nisy Iray tahaka ny Zanak’Olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nitondra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany.
14
Ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ondry fotsy, tahaka ny orampanala. Ny masony dia tahaka ny lelafo,
15
ny tongony dia tahaka ny varahina manganohano, ohatra ilay mivaivay avy tao amin’ny lafaoro iny, ary ny feony dia toy ny firohondrohon’ny ranobe.
16
Nitana kintana fito teny an-tanany havanana Izy; nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany, ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny iny.
17
Ary raha nahita Azy aho dia lavo niankohoka teo anoloan’ny tongony tahaka ny maty. Nefa Izy nanendry ahy tamin’ny tanany havanana ka niteny hoe: Aza matahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,
18
dia Ilay velona. Efa maty Aho, nefa indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fitoeran’ny maty.
19
Koa soraty izay zavatra hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy aorianan’izao,
20
dia ny zavamiafina ny amin’ny kintana fito izay hitanao teny an-tanako havanana sy ny fitoeran-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ny Fiangonana fito, ary ny fitoeran-jiro fito dia Fiangonana fito.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22