bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 4
Revelation 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
1
Rehefa afaka izany dia hitako fa indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra, ary ilay feo izay efa reko tamin’ny voalohany dia tahaka ny an’ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy amin’izao manaraka izao.
2
Ary niaraka tamin’izay dia voatsindrin’ny Fanahy aho. Indro, nisy sezafiandrianana iray tany an-danitra ary nisy Iray nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana.
3
Ary ny tarehin’Ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola, ary nisy avana mitarehin’emeraoda nanodidina ny sezafiandrianana.
4
Ary manodidina ilay sezafiandrianana iray dia nisy sezafiandrianana efatra amby roapolo; ary teo ambonin’ireo sezafiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roapolo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.
5
Ary nisy tselatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy teo amin’ny sezafiandrianana, ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan’ny sezafiandrianana; ny Fanahy fiton’Andriamanitra ireo.
6
Teo anoloan’ny sezafiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato kristaly. Teo afovoan’ny sezafiandrianana sy manodidina azy dia nisy zavamananaina efatra feno maso avokoa teo anoloany sy teo ivohony.
7
Ny zavamananaina voalohany dia tahaka ny liona, ny zavamananaina faharoa dia tahaka ny zanak’omby, ny zavamananaina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan’olona ary ny zavamananaina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
8
Ny zavamananaina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrany anatiny. Ary tsy mitsahatra andro aman’alina izy miteny hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy!
9
Ary isaky ny manome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay, ny zavamananaina,
10
dia miankohoka eo anoloan’Izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana ny loholona efatra amby roapolo ka mivavaka amin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny sezafiandrianana sady miteny hoe:
11
Ianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra ary noho ny sitraponao no naha nisy sy naha ary azy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22