bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 13
Revelation 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 14 →
1
Ary hitako fa indro, nisy bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina, nanana tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ny lohany dia nisy anarana miteny ratsy.
2
Ny bibidia izay hitako dia tahaka ny leoparda, ny tongony dia tahaka ny an’ny bera, ary ny vavany dia tahaka ny vavan’ny liona. Nomen’ilay dragona azy ny heriny sy ny sezafiandrianany ary fahefana lehibe.
3
Ary ny lohany iray dia toa voa ka efa ho faty, nefa sitrana ihany ilay fery saika nahafaty azy. Dia gaga ny tany rehetra ka nanaraka ilay bibidia.
4
Ary niankohoka teo anoloan’ilay dragona ny olona satria izy no nanome ny fahefana ho an’ny bibidia; niankohoka teo anoloan’ny bibidia ny olona ka niteny hoe: Iza no tahaka ny bibidia? Ary iza no mahay miady aminy?
5
Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efapolo volana.
6
Dia nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeli ny, dia ireo monina any an-danitra.
7
Ary navela hiady tamin’ny olona masina izy ka haharesy azy. Nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena, ny vahoaka, ny samihafa fiteny ary ny firenena rehetra izy.
8
Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.
9
Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino!
10
Raha misy mamabo dia mba hobaboina izy; ary raha misy mamono amin’ny sabatra dia tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ny olona masina.
11
Ary hitako fa indro, nisy bibidia iray koa niakatra avy tamin’ny tany. Nanana tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry izy nefa niteny tahaka ny dragona.
12
Ary ny fahefana rehetra nananan’ilay bibidia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’izay monina ao dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibidia voalohany izay sitrana tamin’ilay feriny saika nahafaty azy.
13
Manao famantarana lehibe izy ka mampidina afo avy any an-danitra ho amin’ny tany eo imason’ny olona aza.
14
Mamitaka izay monina ambonin’ny tany izy amin’ny famantarana izay nomena azy hatao eo imason’ny bibidia sady milaza amin’izay monina ambonin’ny tany koa mba hanao sarin’ny bibidia izay voan’ny sabatra, nefa velona ihany.
15
Ary navela hanisy aina ny sarin’ny bibidia izy mba hahay miteny ny sarin’ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ny sarin’ny bibidia.
16
Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manankarena na ny malahelo, na ny olona afaka, na ny andevo, dia ampandraisiny marika avokoa eo amin’ny tanany havanana na eo amin’ny handriny
17
mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ny bibidia, na ny isa milaza ny anarany.
18
Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isa mariky ny bibidia, fa isa mariky ny olona izany: Enina amby enimpolo sy eninjato izany isa marika izany.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22