bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 22
Revelation 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
1
Ary nasehony ahy ny ony nisy ranon’aina, manganohano tahaka ny vato kristaly, nivoaka avy teo amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry
2
teo afovoan’ny lalambeny. Teny an-daniny roa amin’ny ony dia nisy hazon’aina mamoa voa roa amby folo samihafa sady mamoa isam-bolana. Ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
3
Tsy hisy ozona intsony, ary ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry no ho ao aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
4
ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ny handriny.
5
Tsy hisy alina intsony ary tsy mba hila fahazavan’ny jiro na fahazavan’ny masoandro izy, fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy. Hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
6
Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin’ny mpaminany, no naniraka ny anjeliny haneho amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga haingana.
7
Ary indro, avy haingana Aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity!
8
Izaho Jaona no nandre sy nahita ireo zavatra ireo. Rehefa nandre sy nahita aho dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ny tongotr’ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
9
Kanefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao! Fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho!
10
Hoy indray izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity fa antomotra ny andro.
11
Izay manao ny tsy marina dia aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; izay maloto dia aoka mbola haloto ihany izy, fa izay marina kosa dia aoka mbola hanao ny marina ihany izy ary izay masina dia aoka mbola hihamasina ihany izy!
12
Indro, avy haingana Aho ary entiko miaraka Amiko ny valisoa avy Amiko, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.
13
Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
14
Sambatra izay manasa ny akanjony mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna.
15
Fa any ivelany ny alika, ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
16
Izaho Jesosy no naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an’ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarikandro.
17
Ny Fanahy sy ny ampakarina no miteny hoe: Avia! Aoka izay mandre hiteny hoe: Avia! Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety dia aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.
18
Izaho dia manambara amin’izay rehetra mandre ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity: Raha misy manampy zavatra amin’ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ity boky ity ho azy;
19
ary raha misy manaisotra zavatra amin’ny teny amin’ny bokin’ity faminaniana ity dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy amin’ny tanàna masina, araka izay voasoratra ato anatin’ity boky ity.
20
Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy haingana Aho. Amena! Avia, Jesosy Tompo!
21
Ho amin’ny olona masina rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo! Amena.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22