bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Revelation 7
Revelation 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 8 →
1
Rehefa afaka izany dia hitako fa indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo akory aza.
2
Ary hitako fa indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana ny fitombo-kasen’Andriamanitra velona. Ary niantso ny anjely efatra izay nasaina hanimba ny tany sy ny ranomasina, tamin’ny feo mahery izy hoe:
3
Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.
4
Ary nandre ny isan’izay voaisy tombo-kase aho: Efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no voaisy tombo-kase tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely rehetra:
5
Tamin’ny fokon’i Joda, roa arivo sy iray alina no voaisy tombo-kase; tamin’ny fokon’i Robena, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Gada, roa arivo sy iray alina;
6
tamin’ny fokon’i Asera, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Naftaly, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Manase, roa arivo sy iray alina;
7
tamin’ny fokon’i Simeona, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Levy, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Isakara, roa arivo sy iray alina;
8
tamin’ny fokon’i Zebolona, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Josefa, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Benjamina, roa arivo sy iray alina no voaisy tombo-kase.
9
Rehefa afaka izany dia hitako fa indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena rehetra ary ny samihafa fiteny rehetra. Nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry izy ireo, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tanany,
10
ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: Ny famonjena dia an’Andriamanitsika izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana, sy an’ny Zanak’ondry!
11
Ary ny anjely rehetra dia nitsangana manodidina ny sezafiandrianana sy ny loholona ary ny zavamananaina efatra; niankohoka teo anoloan’ny sezafiandrianana izy ka nivavaka tamin’Andriamanitra
12
hoe: Amena! Ny saotra, ny voninahitra, ny fahendrena, ny fisaorana, ny haja, ny hery ary ny faherezana dia an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay! Amena!
13
Ary ny iray tamin’ny loholona dia niteny tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?
14
Fa hoy aho taminy: Tompoko, ianao no mahalala! Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony dia nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.
15
Noho izany izy dia eo anoloan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra ka manompo Azy andro aman’alina ao amin’ny tempoliny. Ary Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana dia hamelatra ny tranolainy handrakotra azy.
16
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.
17
Fa ny Zanak’ondry izay eo afovoan’ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony (Isa 25.8).
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22